Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tokony Hitady Vady ao Amin’ny Internet ve Aho?”

“Tokony Hitady Vady ao Amin’ny Internet ve Aho?”

Manontany ny Tanora Hoe...

“Tokony Hitady Vady ao Amin’ny Internet ve Aho?”

“Nifandefa e-mail isan’andro izahay. Efa noeritreretinay ny toerana hipetrahana sy hiasana. Anjarako ny nikarakara ny peratra fifamofoana. Mbola tsy ampy iray volana akory no nifankahalalanay, sady mbola tsy nifankahita mihitsy izahay.”— Monika, Aotrisy. *

TENA te hahita olona mba azonao iarahana ianao, ary tsy hoe iarahana fotsiny, fa mety te hanambady azy mihitsy ianao. Niezaka foana ianao hatramin’izay, fa tsy nety nahita. Efa nisy olona nampifankahalalain’ny havana aman-tsakaiza taminao, nefa tsy nety koa ny taminareo, ka menatra ianao sady vao mainka kivy. Mieritreritra àry ianao hoe sao mba afaka manampy anao ny fitaovam-pifandraisana maoderina.

Toa tena mora izao ny mahita vady sahaza, satria be dia be mihitsy ny olona mampiasa ordinatera. Mikaroka ao mandritra ny minitra vitsy monja ianao, dia izay. Tsotra ny zavatra tokony hatao, hoy ny olona sasany: Mankao amin’ny Internet, ary mandray anjara amin’ilay fifampiresahana atao ao, na mijery an’ilay efajoro misy hafatra ho an’ny mpitovo. Nilaza Ny Gazetin’i New York (anglisy) fa tany Etazonia fotsiny, dia olona 45 tapitrisa no nampiasa ny toerana fitadiavana vady ao amin’ny Internet, tao anatin’ny iray volana. Niteny koa ny sampan-draharaha iray ao amin’ny Internet manampy ny mpitovo hahita vady, fa olona sivy tapitrisa mahery avy any amin’ny tany 240, no mitady vady ao aminy.

Nahoana izy io no mahasarika olona?

Saro-kenatra ve ianao, ka sarotra aminao ny mifandray amin’ny olona? Sa matahotra ny holavina ianao? Sa hitanao fotsiny fa tsy misy mpitovo firy ao amin’ny faritra misy anao? Mety hahasarika anao àry ny fitadiavana vady ao amin’ny Internet. Mampanantena mantsy ireo sampan-draharaha misahana izany, fa afaka mifidy izay olona tianao hifandraisana ianao. Asiany efajoro vitsivitsy ao hisafidiananao izay karazan’olona tianao: ny taonany, fireneny, toetrany, sariny, ary ny solon’anarany. Mety hisy hieritreritra àry fa mahomby kokoa sy tsy mampahatahotra firy ny fifandraisana amin’ny alalan’ny Internet, raha oharina amin’ny fifaneraserana mivantana.

Marina ve izany? Tena hitondra fahasambarana maharitra ho anao ve ny fitadiavana vady ao amin’ny Internet? Diniho izao: Olona 11 tapitrisa no nisoratra anarana tao amin’ny sampan-draharaha iray, tao anatin’ny enin-taona. Fanambadiana 1 475 monja anefa no tanteraka tamin’ireo. Ny tao amin’ny sampan-draharaha hafa iray aza 75 monja no fantatra fa tanteraka, nefa iray tapitrisa mahery ny olona nisoratra anarana tao aminy! Fa nahoana?

Io ve no fomba mety indrindra hifankahalalana tsara?

Hoy ny gazety iray: “Toy ny hoe tsara tarehy sy milaza ny marina ary tafita daholo ny olona rehetra, ao amin’ny Internet.” Tena marina daholo ve anefa ny zavatra lazain’ny olona momba azy? Hoy ny gazety hafa iray: ‘Mandainga kely daholo ny rehetra.’ Niezaka nanamarina izany filazana izany ny vehivavy iray mpampanonta gazety ho an’ny zatovo. Nisoratra anarana tao amin’ny sampan-draharaha telo malaza indrindra ao amin’ny Internet izy, ary vetivety dia nahazo valiny avy tamin-dehilahy maromaro. Nanomboka nifandray tamin’izy ireo izy. Inona no vokany? Tsy nisy nahomby ny fifandraisany tamin’izy rehetra! Hitany mantsy fa nandainga daholo izy ireo. Nilaza io vehivavy io hoe: ‘Izaho mihitsy no nahita fa mandainga ny olona mitady vady ao amin’ny Internet.’

Tsy dia mampaninona ny olona angamba ny mandainga momba ny halavany na ny lanjany. Mety hisy hiteny hoe: ‘Tsy dia zava-dehibe ny bika aman’endrika.’ Marina fa ny Baiboly mihitsy no milaza fa “fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy.” (Ohabolana 31:30) Tianao ve anefa ny hanomboka hifandray amin’olona nandainga kely taminao? (Lioka 16:10) Hatoky izay mety holazainy ve ianao rehefa hiresaka zava-dehibe kokoa izy? Ahoana, ohatra, rehefa hiresaka ny tanjony izy? Hoy ny Baiboly: “Samia miteny marina amin’ny namany avy hianareo.” (Zakaria 8:16) Mampaharitra ny fifandraisana tokoa ny filazana ny marina.

Mandiso fanantenana anefa matetika ny fitadiavana vady ao amin’ny Internet. Hoy ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy): ‘Mety hifidy tsara ny teny hosoratany sy handokadoka be ny tenany ny olona mitady vady ao amin’ny Internet. Toa mahafinaritra àry ny fahitanao azy, sady toa tia anao, ka miezaka ny hahafinaritra azy sy ho tia azy koa ianao.’ Mety ho vetivety dia hifankatia be ny olon-droa amin’izay. Izany no voamariky ny profesora iray any amin’ny Sekoly Teknika Rensselaer, any New York, izay nandinika ny fifandraisana amin’ny alalan’ny Internet. Araka ny hita matetika anefa, dia tsy voatery hidika izany fa ho sambatra ny tokantranon’izy ireo. Izao no nosoratan’ny lehilahy iray nitady vady tao amin’ny Internet: “Mamitaka ilay izy, satria lasa ampitovinao amin’izay karazan’olona efa ao an-tsainao izy.”

Rehefa mihaona

Mety hisy hihevitra anefa fa tena misy maha tsara azy ny mifandray amin’ny alalan’ny Internet alohan’ny hihaonana. Mety hieritreritra izy ireo hoe tsy ho sodokan’ny bika aman’endriky ny andaniny ny ankilany amin’izay, ka ho afaka handinika tsara ny toetrany. Marina fa ampirisihin’ny Baiboly hifantoka amin’ny toetra ao am-pon’ny olona isika. (1 Petera 3:4) Raha mifandray amin’ny olona iray amin’ny alalan’ny Internet fotsiny anefa ianao, dia tsy hahita ny fihetsiny sy ny tsikiny ary ny endriny. Tsy ho hitanao koa ny fomba itondrany ny olon-kafa na ny fomba iatrehany olana. Tena mila mahita an’ireo rehetra ireo anefa ianao, mba hamantaranao raha ho olona azonao atokisana sy tiavina izy na tsia. Vakio ao amin’ny 1 Korintianina 13:4, 5 ny famaritan’ny Baiboly ny atao hoe fitiavana. Jereo fa tsy amin’ny tenin’ny olona iray no ahitana raha manana fitiavana izy, fa amin’ny fihetsiny. Tsy maintsy manokana fotoana handinihana azy àry ianao, mba hahitanao raha mifanaraka amin’izay lazainy ny ataony.

Mbola tsy nanao izany zavatra tena ilaina izany akory anefa ny olona maro, dia efa mifamboraka ny ao am-pony sahady. Manao dinam-pitiavana avy hatrany ny sasany, nefa mbola tsy mifankahalala tsara akory. Tsy eritreretiny ny mety ho vokany. Mitantara momba ny olon-droa nifankahalala tao amin’ny Internet ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Tena Jamba Tokoa ny Fitiavana ao Amin’ny Internet.” Tokotokony ho 12 874 kilaometatra ny elanelan’ny toerana nisy azy ireo. Nihaona izy roa rehefa afaka telo herinandro. Hoy ilay lehilahy: “Nandoko volomaso be loatra izy. Izaho tsy tia vehivavy mandoko volomaso.” Vita hatreo ny fifandraisan’izy roa. Nisy olon-droa hafa koa naniry hihaona. Niantohan’ilay lehilahy ny saran-dalam-piaramanidin’ilay vehivavy. Diso fanantenana tanteraka anefa ry zareo, ka tsy naloan’ilay lehilahy ny saran-dalan’ilay vehivavy nody!

Nitady vady tao amin’ny Internet koa ny tovovavy iray atao hoe Edda. Hoy izy: “Tsara loatra ny fifandraisanay, ka toa tsy nampino. Efa nieritreritra ny hivady izahay.” Vita hatreo koa anefa ny fifandraisany tamin’ilay olona, rehefa nihaona izy ireo. Hoy i Edda: “Tsy araka ny noeritreretiko izy, fa be fanakianana sy mimenomenona foana. Tonga dia hitako fa tsy hety mihitsy ny aminay.” Nisaraka tanteraka izy roa, herinandro tatỳ aoriana. Tena diso fanantenana i Edda.

Vetivety kely matetika dia mifankatia be ny olon-droa mifandray amin’ny alalan’ny Internet. Mety harary be àry ny fonao, raha sanatria tsy raikitra ny aminareo. Mety hitranga anefa izany. Mampitandrina ny Ohabolana 28:26 hoe: “Izay matoky ny fony dia adala.” Tsy fahendrena tokoa ny mandray fanapahan-kevitra goavana miorina amin’ny zavatra tsy misy sy ny fihetseham-po fotsiny. Izao no tohin’io ohabolana eo aloha io: “Fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.”

Aza maimaika

Tena tsy fahendrena ny maimaika hivady, raha mbola tsy mifankahalala tsara. Voalaza fa niteny toy izao ilay mpanoratra anglisy atao hoe Shakespeare: “Mahalana vao vanona ny fanambadiana atao maimaika.” Mbola mivantana noho izany aza ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.”—Ohabolana 21:5.

Mampalahelo fa mahatsapa ny fahamarinan’izany ny olona maro nitady vady tao amin’ny Internet. Anisan’izany i Monika, ilay tovovavy noresahina terỳ am-piandohana. Vao iray volana monja izy no nifanoratra tamin’olona iray, dia efa nino fa tanteraka ny faniriany hanambady. Efa nifampidinika momba ny fanambadiany izy sy ilay olona, ary efa nikarakara ny peratra fifamofoana mihitsy aza. Vetivety anefa dia nisaraka izy ireo, ary samy “nalahelo be.”

Tsy harary fo ianao, raha manaraka ity torohevitry ny Baiboly ity: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohabolana 22:3) Tsy fahadisoam-panantenana sy ratram-po ihany anefa no mety ho voka-dratsin’ny fitadiavana vady ao amin’ny Internet. Hiresaka voka-dratsy hafa ny lahatsoratra iray any aoriana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 17]

Manitatra na mandainga momba ny tenany ny olona matetika, ao amin’ny Internet

[Sary, pejy 18]

Matetika no diso fanantenana ny olon-droa nifampitory fitiavana tamin’ny alalan’ny e-mail, rehefa mihaona