Ahoana Raha Hitan’ny Mpiara-mianatra Amiko Aho?

Ahoana Raha Hitan’ny Mpiara-mianatra Amiko Aho?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Ahoana Raha Hitan’ny Mpiara-mianatra Amiko Aho?

“Tsy tantiko mihitsy ny niverina nianatra rehefa alatsinainy. Raha nisy namako nahita ahy, dia namoron-dainga teo aho. Nolazaiko taminy, ohatra, hoe nitety trano aho mba hanangom-bola ho an’ny antoko iray.”—James, Angletera.

“Analan’ny ankizy nahita ahy aho, rehefa any am-pianarana. Tena mafy tamiko ilay izy.” —Débora, Brezila.

NAHOANA ireo tanora ireo no natahotra ny ho hitan’ny namany? Nanao ratsy angaha izy ireo? Mifanohitra amin’izany aza, fa ny asa mihaja indrindra sy lehibe indrindra eto an-tany no nataony. Nanaraka an’ity baikon’i Jesosy ity izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, ... sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—Matio 28:19, 20.

Nasehon’ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia fa maherin’ny 90 isan-jaton’ny zatovo no mino an’Andriamanitra. Antsasak’ireo no mandeha miangona isan-kerinandro. Tanora maro no mandray anjara amin’ny zavatra entanin’ny fiangonany, ka miditra amin’ny antoko mpihira, ohatra. Vitsy anefa no miresaka momba an’Andriamanitra amin’ny mpiara-mianatra aminy. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa malaza eran-tany ho mpitory isan-trano, ary tanora Vavolombelona an’arivo no mandray anjara amin’io asa io.

Raha tanora Vavolombelona ianao, dia azo antoka fa efa mitory koa. Tsy midika anefa izany hoe mora aminao ilay izy. Mety hampahatahotra anao koa ny hoe hifanena amin’ny mpiara-mianatra aminao eny am-pitoriana, toy ireo tanora voalaza tetsy ambony. Hoy i Jennie, tovovavy anglisy: “Tena tsy tiako maizina rehefa hitan’ny mpiara-mianatra tamiko aho, ka niakanjo tsara sy nanao zipo ary nitondra kitapo, izany hoe nihaingo be, tsy ohatra ny tany am-pianarana.”

Tena mafy izany hoe hifanena amin’ny mpiara-mianatra izany, ka nitady tetika mihitsy ny tanora kristianina sasany. Hoy ny tanora iray atao hoe Leon: “Misy tanora vavolombelona iray izay, manao akanjo ba misy satrony rehefa mitory, ka raha vao mahita mpiara-mianatra aminy izy, dia saronany amin’iny ny tarehiny.” Ny hafa kosa tsy mitory any amin’ny faritany sasany tsotra izao. Hoy ny tanora iray atao hoe Simon: “Tadidiko fa nivavaka mihitsy aho mba tsy hitory teny amin’izay lalana iray izay izahay, satria fantatro fa feno ankizy mpiara-mianatra tamiko teny.”

Ara-dalàna raha tsy dia mahazo aina ianao, rehefa mifanena amin’olom-pantatrao eny am-pitoriana. Hisy vokany ratsy eo aminao anefa izany tahotra izany, raha avelanao hanjaka ao anatinao. Hoy ny ankizivavy alemà iray atao hoe Alicia: “Nanjary tsy nahafinaritra ahy ny fitoriana, ka nisy vokany ratsy teo amin’ny fahasalamako ara-panahy izany.”

Nahoana anefa ianao no tsy maintsy mitory—indrindra moa raha tena sarotra aminao izany? Andeha aloha hojerentsika hoe nahoana Andriamanitra no nandidy anao hanao izany. Avy eo dia hasehontsika fa azonao atao ny mandresy ny tahotrao, raha miezaka ianao sady tapa-kevitra ny hanao izany.

Tsy maintsy atao ny fitoriana

Voalohany aloha, dia tsy zava-baovao na tsy mahazatra ny fitoriana amin’olon-kafa momba ny finoanao. Efa nanao izany ireo lehilahy sy vehivavy natahotra an’Andriamanitra fahiny. Mpanorina sambo fiara goavam-be, ohatra, no nahafantarana an’i Noa. (Genesisy 6:14-16) Lazain’ny 2 Petera 2:5 koa anefa fa “mpitory ny fahamarinana” izy. Tsapan’i Noa fa tsy maintsy nampitandrina ny olona momba ilay fandravana nananontanona izy.—Matio 24:37-39.

Tatỳ aoriana, dia Jiosy maro no nitory tamin’ny olona tsy Jiosy momba ny finoany, na dia tsy nodidiana hanao izany aza izy ireo. Izany no nahafantaran’i Rota momba an’i Jehovah, na dia vahiny aza izy. Velom-pankasitrahana an’i Naomy rafozambaviny jiosy i Rota, ka niteny hoe: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16) Tatỳ aoriana, dia nilaza i Solomona Mpanjaka fa olona tsy Jiosy maro no ho tonga mba hihaino momba ny ‘anarana lehiben’i Jehovah’, ka hivavaka tany amin’ny tempoliny.—1 Mpanjaka 8:41, 42.

Nitory tamin’olon-kafa ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, na dia tsy nodidiana hanao izany aza. Koa tsy vao mainka ve tokony hanao izany isika Kristianina ankehitriny? Rehefa dinihina tokoa, isika dia nomena baiko hitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana. (Matio 24:14) Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara isika, toy ny apostoly Paoly. (1 Korintiana 9:16) Miankina amin’izany ny famonjena antsika. Hoy ny Romana 10:9, 10: “Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao, ... dia hovonjena hianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.”

Ahoana no hanaovanao izany fanambarana ampahibemaso izany “amin’ny vavanao”? Tokony hitory amin’ny olona sendra mihaona amintsika amin’ny andavanandro isika, kanefa mbola ny fitoriana isan-trano ihany no fomba mandaitra indrindra hanatratrarana ny olona. (Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20) Afa-miala amin’io andraikitra io ve ianao, satria hoe tanora? Tsia. Hoy ny baikon’ny Baiboly, ao amin’ny Salamo 148:12, 13: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa.”

Sarotra ny mitory amin’ny mpiara-mianatra aminao

Ekena aloha fa hahasadaikatra sy hampitaintaina ny hoe handeha hitory ka hifanena amin’ny mpiara-mianatra aminao. Ara-dalàna tokoa mantsy raha maniry ho tian’ny namanao ianao. Tsy misy maniry hohanihanina, hotenenina ratsy, na hoharatsina. “Tena ratsy fanahy ny ankizy any am-pianarana!”, hoy ny tanora iray atao hoe Tanya. Koa mety ho tonga ho azy àry ilay fahatahorana hoe ahoana no hataon’ny mpiara-mianatra aminao rehefa mahita anao toa miakanjo tsara sy mitondra Baiboly. Mampalahelo aloha fa tena mety haneso anao izy ireo. Hoy ny tanora brezilianina iray atao hoe Felipe: “Nisy ankizilahy mpiara-mianatra tamiko izay, nipetraka teo akaikinay. Hoy foana izy hoe: ‘Iny indray ialahy sy ny Baibolin’ialahy! Inona koa izao no ao anatin’iny kitapon’ialahy iny?’ ”

Tsy hoe zavatra tsy misy dikany ny fananihaniana toy izany. Lazain’ny Baiboly fa tena naneso an’i Isaka zanak’i Abrahama i Isimaela, rahalahy iray ray taminy. (Genesisy 21:9) Tsy nanamaivana io fihetsika ratsy io ny apostoly Paoly, fa niantso azy io tsara hoe ‘fanenjehana’, ao amin’ny Galatiana 4:29.

Nampitandrina koa i Jesosy fa hisy olona hankahala ny mpanara-dia azy. Hoy izy: “Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.”—Jaona 15:18, 19.

Amin’ny maha Kristianina anao àry, dia tokony hiomana ny hiaritra fanenjehana ianao. (2 Timoty 3:12) Na dia tsy hiresaka momba ny Baiboly amin’ny mpiara-mianatra aminao mihitsy aza ianao, dia mbola hisy hanenjika anao ihany, satria manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony ianao, ka tsy miara-manao ratsy aminy. (1 Petera 4:4) Mampahery anefa ireto tenin’i Jesosy ireto: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.” (Matio 5:11) Nahoana ianao no ho sambatra rehefa hanihanina na haratsina? Satria fantatrao fa mampifaly ny fon’i Jehovah ianao! (Ohabolana 27:11) Manjary anisan’ireo hahazo ny fiainana mandrakizay ianao, rehefa mampifaly an’Andriamanitra!—Lioka 10:25-28.

Soa ihany fa tsy ny mpiara-mianatra aminao rehetra no manaraby anao rehefa mahita anao mitory. Hoy ny tanora anglisy iray atao hoe Angela: “Rehefa sendra mpiara-mianatra aminao ianao eny am-pitoriana, dia izy indray aza no ho saikatsaikatra, fa tsy ianao!” Mety ho tena liana aza ny sasany hahafantatra izay holazainao. Tanora kristianina maro no nahita vokatra tsara rehefa nitory tamin’ny mpiara-mianatra taminy. Afaka mahita vokatra tsara koa ianao. Hanazava izany ny tohin’ity lahatsoratra ity ao amin’ny nomerao manaraka.

[Sary, pejy 15]

Tanora maro no matahotra ny hifanena amin’ny mpiara-mianatra aminy, rehefa mandeha mitory

[Sary, pejy 17]

Aza menatra noho ny finoanao mihitsy, na dia misy manaraby aza