Rota 1:1-22
1 Tamin’ny andron’ny mpitsara,*+ dia nisy mosary teo amin’ilay tany. Dia niala tany Betlehema+ any Joda ny lehilahy iray, ary nandeha nifindra tany amin’ny faritr’i* Moaba+ niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
2 Elimeleka* no anaran’ilay lehilahy, Naomy* no anaran’ny vadiny, ary Malona* sy Kiliona* no anaran’ny zanany. Efratita avy any Betlehema any Joda izy ireo, ary tonga tany amin’ny faritr’i Moaba ka nijanona tany.
3 Maty i Elimeleka vadin’i Naomy rehefa nandeha ny fotoana, ka i Naomy sy ny zanany roa lahy sisa no tavela.
4 Tatỳ aoriana, dia nanambady vehivavy moabita izy roa lahy. Orpa no anaran’ny iray, ary Rota+ no anaran’ny iray. Dia nijanona tany folo taona teo ho eo izy ireo.
5 Ary maty koa i Malona sy Kiliona, dia i Naomy sisa no tavela, fa tsy teo intsony ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
6 Koa niala tany amin’ny faritr’i Moaba izy mba handeha hody, dia niaraka taminy ireo vinantovaviny. Henony mantsy fa notahin’i Jehovah indray ny vahoakany ka nomeny sakafo.*
7 Niala tao amin’ilay toerana nisy azy izy, niaraka tamin’ny vinantony roa vavy. Rehefa teny an-dalana hiverina any Joda izy ireo,
8 dia hoy i Naomy tamin’izy roa vavy: “Aleo ianareo samy mody any amin’ny tranon’ny mamanareo avy. Ary enga anie i Jehovah ho tia anareo foana sy tsy hivadika aminareo,+ hoatran’ny nataonareo tamiko sy tamin’ny vadinareo tamin’izy ireo mbola velona!
9 I Jehovah koa anie hanome anareo vady+ hiadanana!” Dia nanoroka azy roa vavy izy, ary nitomany be izy ireo
10 sady namerimberina niteny hoe: “Avelao izahay mba hiaraka aminao any amin’ny firenenao.”
11 Hoy anefa i Naomy: “Mandehana mody, anaka! Fa maninona ianareo no hiaraka amiko? Izaho angaha mbola afaka miteraka zanakalahy ho lasa vadinareo?+
12 Mandehana mody, anaka! Mandehana fa izaho ange efa antitra ka tsy hahazo vady intsony e! Ary na mbola hahazo vady aza aho androany alina ka hitera-dahy,
13 dia hahandry azy mandra-pahalehibeny ve ianareo? Hahavita tsy hanambady ve ianareo fa hiandry azy? Tsy mety izany, anaka! Tena mampalahelo ahy ianareo fa noho izaho nofaizin’i Jehovah+ no nahatonga anareo ho hoatr’izao.”
14 Dia nitomany be indray izy roa vavy. Ary nanoroka ny rafozambaviny i Orpa, dia lasa. I Rota kosa tsy nety nisaraka taminy.
15 Hoy àry i Naomy: “Jereo fa lasa nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny ny rahavavinao.* Mandehana miaraka aminy.”
16 Fa hoy i Rota: “Aza terena handao anao sy hisaraka aminao aho, fa izay halehanao no halehako ary izay hatorianao no hatoriako. Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.+
17 Izay toerana hahafatesanao no hahafatesako, ary any no hilevenako. Hofaizin’i Jehovah anie aho,* raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika!”
18 Rehefa hitan’i Naomy fa nisisika hiaraka taminy i Rota, dia tsy niezaka nandresy lahatra azy intsony izy.
19 Dia nanohy ny diany izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema.+ Ary taitaitra sy nientanentana ny iray tanàna raha vao nahita azy ireo, ka niteny ireo vehivavy tao an-tanàna hoe: “I Naomy ve io?”
20 Dia hoy izy tamin’ireo: “Aza atao hoe Naomy* aho, fa ataovy hoe Mara* satria tena nampangidy ny fiainako+ ilay Mahery Indrindra.
21 Nanana ny zava-drehetra aho tamin’izaho niala teto, nefa nampody ahy tanam-polo i Jehovah. Fa maninona aho no antsoinareo hoe Naomy? I Jehovah aza ange tsy faly tamiko e, ary ilay Mahery Indrindra aza efa nahatonga loza tamiko!”+
22 Izany no tantaran’i Naomy tamin’izy nody avy tany amin’ny faritr’i Moaba,+ niaraka tamin’i Rota Moabita vinantovaviny. Tonga tany Betlehema izy mianaka rehefa nanomboka ny fijinjana vary orza.+
Fanamarihana
^ Abt: “Tamin’ny andro nitsaran’ny mpitsara.”
^ Na: “tany ambanivohitr’i.”
^ Midika hoe “Mpanjaka ny Andriamanitro.”
^ Midika hoe “Mahafinaritra Ahy.”
^ Mety ho avy amin’ny teny hebreo midika hoe “osaosa; marary.”
^ Midika hoe “Malemilemy; Efa ho Faty.”
^ Abt: “mofo.”
^ Izany hoe rahavaviny am-panambadiana.
^ Abt: “Hataon’i Jehovah amiko anie izany, ary mihoatra noho izany aza.”
^ Midika hoe “Mahafinaritra Ahy.”
^ Midika hoe “Mangidy.”