Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Resy Lahatra ve Ianao hoe Voavela ny Helokao?

Resy Lahatra ve Ianao hoe Voavela ny Helokao?

Angamba ianao nanao zava-dratsy taloha ary efa namela anao i Jehovah. Mbola tsy resy lahatra anefa ianao hoe tena namela anao izy. Noresahina izany tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2016 hoe “Aza Mivadika Amin’i Jehovah Mihitsy!” Nisy lahateny sy video tamin’izay. Ampiasao ny programa JW Library mba hijerena indray an’ilay video, ary valio ireto:

  • Voaroaka nandritra ny firy taona i Sonia?

  • Inona ny andinin-teny nasehon’ireo anti-panahy an’i Sonia, ary inona no vokatr’izany taminy?

  • Inona no nataon’ireo rahalahy sy anabavy rehefa voaray ho anisan’ny fiangonana i Sonia?

  • Inona ny zavatra nampiady saina an’i Sonia, ary ahoana no nanampian’ny dadany azy?