Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Jolay 2017

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Sitrapon’Andriamanitra ve ny hahafatesantsika?

Andinin-teny: Ap 21:4

Atolory ilay izy: Hazavain’ity gazety ity hoe inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny fiainana sy ny fahafatesana.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Nahoana no be dia be ny olona mijaly?

Andinin-teny: 1Jn 5:19

Ny Tena Marina: I Satana Devoly no mitondra an’izao tontolo izao.

AHOANA NO ATAO REHEFA MIANATRA BAIBOLY?

Atolory ilay izy: Mampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo dinihina ny hoe: Nahoana no be dia be ny olona mijaly? Inona no hahasambatra ny fianakaviako? Misy video fohy ity manazava hoe ahoana no atao rehefa mianatra Baiboly. [Alefaso ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly?] Afaka mampiasa an’ity boky ity isika, raha tianao. [Asehoy azy ny iray amin’ireo boky ampiasaintsika rehefa mampianatra Baiboly, ary atoroy azy ny fomba fianatra, raha mety.]

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.