Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha Hahalala Fomba Rehefa eo Am-baravarana

Miezaha Hahalala Fomba Rehefa eo Am-baravarana

“Fampisehoana an-tsehatra hojeren’izao tontolo izao” ny Kristianina. (1Ko 4:9) Tsy mahagaga àry raha mitazana antsika avy eo am-baravarankely ny olona sasany tiantsika hitoriana, na mihainohaino avy ao ambadiky ny varavarana. Mety hisy kamerà sy mikrô aza ilay trano, ka afaka mandinika antsika sy mihaino ny resatsika ary maka video antsika ilay tompon-trano. Ireto àry misy fomba vitsivitsy azonao ampisehoana hoe mahalala fomba ianao rehefa eo am-baravarana.—2Ko 6:3.

• AMIN’NY ATAONAO (Fi 1:27):

  • Hajao ilay tompon-trano ka aza mitsikilokilo ny ao an-tranony. Aza mihinan-javatra, misotro rano, mitelefaonina, na mandefa SMS rehefa eo am-baravarana

• AMIN’NY TENINAO (Ef 4:29):

  • Aza miresaka zavatra tsy tianao ho henon’ilay tompon-trano rehefa eo am-baravarana. Aleon’ny mpitory sasany tsy mifampiresaka mihitsy rehefa eo, mba hahafahany mieritreritra izay horesahina amin’ilay olona

Inona koa ny fomba hafa azonao ampisehoana hoe mahalala fomba ianao rehefa eo am-baravarana?