Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 106-109

“Misaora An’i Jehovah”

“Misaora An’i Jehovah”

Nahoana ny Israelita no vetivety dia nanadino ny namonjen’i Jehovah azy?

106:7, 13, 14

  • Izay hampiadana azy haingana sy izay nanahirana azy ihany no nifantohany, fa tsy niraharaha an’i Jehovah intsony izy ireo

Inona no tokony hataonao raha te hahay hankasitraka foana ianao?

106:1-5

  • Eritrereto foana hoe be dia be ny antony tokony hisaorantsika an’i Jehovah

  • Saintsaino ny fiainana tsara amin’ny hoavy

  • Eritrereto ny zavatra nataon’i Jehovah ho anao ka isaory izy