Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Aogositra 2016

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 87-91

Mijanòna ao Amin’ny Toerana Miafin’ny Avo Indrindra

Mijanòna ao Amin’ny Toerana Miafin’ny Avo Indrindra

Hifandray tsara amin’i Jehovah foana isika, raha mijanona ao amin’ny ‘toerana miafin’i’ Jehovah

91:1, 2, 9-14

  • Mila manokan-tena sy atao batisa izay te ho ao amin’ny toerana miafin’i Jehovah

  • Tsy fantatry ny olona tsy matoky an’Andriamanitra io toerana io

  • Manam-pinoana an’i Jehovah sy tia azy foana ireo mijanona ao amin’io toerana io, na dia misy mitaona azy hiala amin’i Jehovah aza

Te hamandrika antsika ilay “mpamandri-borona”

91:3

  • Mailo be ny vorona matetika ka sarotra fandrihana

  • Mandinika tsara ny fanaon’ny vorona ny mpamandri-borona, ka manao tetika hamandrihana azy

  • Hoatran’ny “mpamandri-borona” i Satana, ka mandinika antsika mpanompon’i Jehovah, ary mitady fomba hamandrihana antsika mba hahatonga antsika tsy hifandray amin’i Jehovah intsony

Voafandrik’i Satana isika rehefa...

  • Matahotra olona

  • Tia vola sy harena be loatra

  • Manao fialam-boly tsy mety

  • Tsy mifankahazo noho ny toetra tsy mitovy