Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 102-105

Tsaroan’i Jehovah fa Vovoka Ihany Isika

Tsaroan’i Jehovah fa Vovoka Ihany Isika

Nampiasa sarin-teny i Davida rehefa nilaza hoe miantra i Jehovah.

  • 103:11

    Tsy takatry ny saintsika ny elanelan’ny lanitra sy ny tany satria tena mifanalavitra be. Tsy tena takatry ny saintsika koa ny haben’ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’i Jehovah amintsika

  • 103:12

    Mifanalavitra be amin’ny atsinanana ny andrefana. Hoatr’izany koa fa arian’i Jehovah lavitra be antsika ny fahotantsika

  • 103:13

    Mangoraka ny raim-pianakaviana iray, rehefa mahita ny zanany malahelo satria nanao fahadisoana. Miantra an’izay mibebaka koa i Jehovah, rehefa hitany fa kivy be izy ireo fa nanota