Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

 TOKO FAHA-18

‘Nandinika Lalina tao Am-pony Izy’

‘Nandinika Lalina tao Am-pony Izy’

1, 2. Nanao ahoana ny dian’izy mivady, ary nahoana no tsy mora tamin’i Maria ilay izy?

ENY an-dalana ho any Betlehema i Maria sy Josefa. Efa nandeha ora maro izy ireo, nefa mbola lavitra ny lalana. Tsy tena mahazo aina i Maria eo ambonin’ilay ampondra itaingenany, nefa miezaka ihany haka toerana tsara. I Josefa kosa mitarika an’ilay ampondra. Henon’i Maria mihetsika indray ilay zaza ao an-kibony.

2 Milaza ny Baiboly fa efa “bevohoka be” izy, tamin’io. (Lioka 2:5) Gaga angamba izay olona niasa teny an-tsaha ka nahita azy nandalo, hoe maninona izy no mbola mandeha lavitra. Nahoana tokoa moa i Maria no niala tany Nazareta, tanàna nisy azy?

3. Inona ny zavatra niavaka nitranga tamin’i Maria, ary inona no hianarantsika ato?

3 Nisy zavatra tena niavaka nitranga, volana maro talohan’io. Nilazana mantsy io tovovavy jiosy io fa ho bevohoka ka hiteraka ny Mesia na Zanak’Andriamanitra. (Lioka 1:35) Efa akaiky ho teraka izy izao. Misy dia tsy maintsy halehan’izy mivady anefa, ary maro ny zava-tsarotra miandry an’i Maria raha mankany izy. Inona anefa no hanampy azy hanana finoana matanjaka foana?

Ilay dia ho any Betlehema

4, 5. a) Nahoana i Josefa sy Maria no nankany Betlehema? b) Inona ny faminaniana ho tanteraka tamin’io fotoana io, noho ilay didy navoakan’i Kaisara?

4 Namoaka didy i Aogosto Kaisara fa tokony hamonjy ny tanàna niaviany ny olona rehetra mba hosoratana anarana. Hankatò an’io didy io ve anefa i Josefa? Hoy ny Baiboly: “Niakatra avy tany Galilia, avy tao an-tanànan’i Nazareta, koa i Josefa, satria anisan’ny taranak’i Davida sady fianakaviany. Koa nankany  Jodia izy, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema.”—Lioka 2:1-4.

5 Tsy kisendrasendra io didy navoakan’i Kaisara io. Efa naminany i Mika, 700 taona teo ho eo talohan’izay, fa ho teraka ao Betlehema ny Mesia. Marina fa nisy tanàna nantsoina hoe Betlehema, 11 kilaometatra monja avy eo Nazareta. Efa nilaza mazava anefa i Mika fa ao “Betlehema Efrata” no hahaterahan’ny Mesia. (Vakio ny Mika 5:2.) Tokotokony ho 130 kilaometatra avy eo Nazareta izy io. Lalana be havoana no mankany, ary mandalo an’i Samaria. Io Betlehema io no tanindrazan’i Josefa, ary tsy izy ihany fa i Maria koa. Avy any mantsy i Davida Mpanjaka razamben-dry zareo.

6, 7. a) Nahoana no mety ho mafy tamin’i Maria ny nanao dia lavitra? b) Inona no nataon’i Maria rehefa lasa vadin’i Josefa izy? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

6 Hanaiky hiaraka amin’i Josefa ho any Betlehema ve i Maria? Tena nila nivonona tsara izy raha handeha, satria ho mafy aminy ilay izy. Efa ho tapitra mantsy tamin’izay ny hain-tany, ka mety ho efa nisy orana madinidinika teny an-dalana. ‘Miakatra’ koa ny lalana mankany Betlehema, ary rehefa akaiky vao tena mamizana. Any amin’ny 760 metatra ambonin’ny ranomasina mantsy izy io. Andro maromaro vao tonga any, ary ny an-dry  zareo aza mety mbola hiampy satria i Maria tsy maintsy hijanona matetitetika. Aleon’ny tovovavy koa mijanona an-tanàna rehefa ho teraka. Amin’izay mantsy mba eo daholo ny havana aman-tsakaiza hanampy azy.

Tsy mora ilay dia lavitra nankany Betlehema

7 Nandeha ‘nisoratra anarana niaraka’ tamin’i Josefa ihany anefa i Maria, na teo aza izany rehetra izany. Milaza ny Lioka 2:4, 5 fa ‘efa lasa vadin’i Josefa’ i Maria tamin’izay, “araka ny efa nifanekeny.” Tsy izay noeritreretiny fa mety intsony àry no nataony. Efa i Josefa mantsy izao no lohany, ka nanaiky ny fanapahan-keviny izy, satria efa nataon’Andriamanitra famenony sy mpanampy azy. * Tena nanam-pinoana izy matoa nankatò ny vadiny.

8. a) Inona koa no mety ho antony nankatoavan’i Maria? b) Nahoana i Maria no tena modely ho an’ny mpanompon’i Jehovah?

8 Inona koa ny antony nankatoavan’i Maria? Fantany angamba ilay faminaniana hoe ho teraka any Betlehema ny Mesia. Nahalala an’izany daholo mantsy ny ankamaroan’ny Jiosy. (Mat. 2:1-7; Jaona 7:40-42) I Maria rahateo tena nahay ny Soratra Masina. (Lioka 1:46-55) Mety hoe nankatò koa anefa izy  satria te hanaiky ny tenin’ny vadiny, na tsy te handa ny didin’ny mpanjaka. Mety ho samy antony daholo izany rehetra izany. Na dia tsy lazain’ny Baiboly aza anefa ny tena antony nandehanany, dia modely ho antsika izy. Tena tian’i Jehovah ny olona mankatò sy manetry tena toa azy, na lahy na vavy. Mahasoa antsika àry ny tantaran’i Maria, satria tsy tia mankatò izao ny ankamaroan’ny olona.

Ny nahaterahan’i Kristy

9, 10. a) Inona no mety ho niserana tao an-tsain’izy mivady rehefa ho tonga tao Betlehema? b) Taiza ry zareo no natory, ary nahoana?

9 Azo inoana fa maivamaivana erỳ i Maria rehefa nahatazana an’i Betlehema. Nananika havoana ry zareo, ary nandalo tanin’oliva. Ny oliva sisa tamin’izay no vokatra mbola tsy notazana. Mety ho niserana tao an-tsain’izy roa ny tantaran’i Betlehema. Tena tanàna kely izy io, ka tsy voatonona akory rehefa tanisaina ireo tanànan’i Joda, araka ny nolazain’i Mika mpaminany. Manan-tantara anefa izy io, satria tao no nahaterahan’i Naomy sy Boaza ary Davida, arivo taona mahery talohan’izay.

10 Efa be dia be ny olona tonga talohan’i Josefa sy Maria, ka tsy nisy efitranom-bahiny nalalaka intsony. * Tany anaty trano fatorian’ny biby fiompy sisa no mba azon’izy mivady naleha. Vao tonga kelikely tao anefa ry zareo, dia nihetsi-jaza i Maria, sady nihananaintaina foana! Azo antoka fa niady saina be i Josefa hoe ao ve ny vadiny no hiteraka!

11. a) Nahoana ny ankamaroan’ny vehivavy no mahatsapa tsara ny fijalian’i Maria? b) Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “lahimatoa”?

11 Na iza na iza vehivavy efa niteraka, dia mahatsapa tsara ny fijalian’i Maria. Efa nilaza mantsy i Jehovah, 4 000 taona teo ho eo talohan’io, fa hanaintaina ny vehivavy rehefa miteraka, satria nandova ota. (Gen. 3:16) Ary azo antoka fa izany koa no nahazo an’i Maria, na dia tsy noresahin’i Lioka aza izany. Hoy fotsiny izy: “Niteraka ny zanany lahimatoa izy.” (Lioka 2:7) “Lahimatoa” tokoa i Jesosy satria mbola nanan-jandry enina izy, fara fahakeliny. (Mar. 6:3) Hafa mihitsy anefa i Jesosy. Tsy vitan’ny hoe zanak’i Maria lahimatoa izy, fa “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” koa sady zanak’i Jehovah lahitokana!—Kol. 1:15.

12. Taiza no nampatorin’i Maria ilay zazakely, ary nahoana no diso hevitra momba an’ilay izy ny olona?

 12 Izao no tohin’ilay tantara: ‘Nofehezin’i Maria lamba ilay zaza, ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona.’ (Lioka 2:7) Malaza be io tantara io, ary hatsaratsarain’ny olona be rehefa lalaovina an-tsehatra, na atao hoso-doko na sarivongana. Tadidio anefa fa tao anaty trano fatorian’ny biby fiompy izy telo mianaka tamin’izay, matoa nisy fihinanam-bilona tao. Toerana maloto izany sady mamofona. Tsy toerana hoatr’izany mihitsy no tian’ny ray aman-dreny hahaterahan’ny zanany, fa izay tsara indrindra. Azo antoka fa ho nankany amin’ny trano tsara lavitra i Josefa sy Maria, raha azony natao, indrindra hoe Zanak’Andriamanitra ilay zaza!

13. a) Inona no nataon’i Josefa sy Maria na dia tsy nanan-javatra betsaka aza? b) Inona ny zava-dehibe indrindra amin’ny ray aman-dreny kristianina?

13 Tsy nitsetra tena anefa izy ireo, fa izay nisy teo no nampiasainy. Mariho fa i Maria mihitsy no namehy lamba an’ilay zaza sy nampatory azy teo amin’ny fihinanam-bilona. Hafana tsara sy ho voaro izy amin’izay. Tsy niferinaina be i Maria, fa nanao izay azony natao mba hikarakarana an-janany. Fantatr’izy mivady rahateo fa tsy izany fotsiny no ilain’ilay zaza. Mila ampianarina ho tia an’i Jehovah koa izy, ary izany no zava-dehibe indrindra. (Vakio ny Deoteronomia 6:6-8.) Inona àry no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny ray aman-dreny kristianina? Ny hampianatra ny zanany ho tia an’i Jehovah, na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza ny olona manodidina azy ireo.

Fahagagana nampahery an’i Maria

14, 15. a) Nahoana no maika hahita an’ilay zaza ireo mpiandry ondry? b) Inona no nataon’izy ireo rehefa hitany fa marina ny tenin’ilay anjely?

14 Nangina erỳ tao amin’izy telo mianaka. Injay anefa fa nisy olona nirodorodo. Hay mpiandry ondry no tamy avy any. Maika erỳ ry zareo hahita azy telo mianaka, indrindra fa ilay zaza. Falifaly be tsy nisy hoatr’izany ry zareo ka gaga izy mivady. Notantarain’ireo mpiandry ondry fa vao avy nahita fahagagana izy ireo. Niandry ondry teny amin’ny havoana tsy lavitra teo ry zareo tamin’io alina io. * Tampoka teo anefa, dia  nisy anjely iray niseho taminy. Nanjelanjelatra nanodidina azy rehetra koa ny voninahitr’i Jehovah. Nilaza ilay anjely fa teraka ao Betlehema ny Mesia na Kristy, ary ho hitan’izy ireo matory eo amin’ny fihinanam-bilona sady voahodidina lamba. Vao mainka variana ry zareo avy eo satria nisy anjely maro be niseho, ary nihira fiderana ho an’i Jehovah!—Lioka 2:8-14.

15 Tsy mahagaga raha maika erỳ ireo lehilahy ireo ho any Betlehema. Faly be izy ireo nahita hoe marina ny tenin’ilay anjely. Io tokoa fa misy zaza menavava eo amin’ny fihinanam-bilona. Lasa àry izy ireo nitantara izany vaovao tsara izany, ka ‘gaga izay rehetra nandre azy ireo.’ (Lioka 2:17, 18) Azo inoana fa nanambany ny mpiandry ondry ny mpitondra fivavahana tamin’izany. Hita anefa hoe tena tian’i Jehovah ireo lehilahy nanetry tena sy nanam-pinoana ireo matoa nomeny tombontsoa niavaka. Nanao ahoana i Maria rehefa naheno ny tenin’izy ireo?

Tena tian’i Jehovah ireo mpiandry ondry satria nanetry tena sy nanam-pinoana

16. Inona ny porofo fa tia nisaintsaina i Maria, ary inona no nanampy azy hanam-pinoana foana?

16 Azo antoka fa reraka i Maria satria vao tera-bao. Nihaino tsara ny tenin’ireo mpiandry ondry anefa izy, sady “nitadidy izany teny rehetra izany, ka nandinika lalina an’izany tao am-pony.” (Lioka 2:19) Tia nisaintsaina tokoa izy. Fantany fa tena zava-dehibe ny tenin’ilay anjely. Tian’i Jehovah ho takany hoe tsy olon-tsotra fotsiny io zaza naterany io fa tena niavaka sady Mesia. Tsy nihaino fotsiny àry i Maria, fa noraisiny am-po ny zavatra reny, mba hosaintsaininy amin’ny hoavy. Izany no tena nanampy azy hanam-pinoana foana.—Vakio ny Hebreo 11:1.

Nihaino tsara an’ireo mpiandry ondry i Maria, ary noraisiny am-po ny tenin’izy ireo

17. Ahoana no hanahafanao an’i Maria?

17 Hanahaka an’i Maria ve ianao? Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Teniny ny fahamarinana, satria tena ilaintsika. Tsy hahasoa antsika mihitsy anefa izany raha tsy dinihintsika. Vakio tsy tapaka àry ny Baiboly, ary tadidio hoe Tenin’Andriamanitra izy io fa tsy boky tsotra fotsiny. (2 Tim. 3:16) Raiso am-po ireny fahamarinana ireny ka saintsaino. Eritrereto koa hoe ahoana no hampiharanao kokoa ny torohevitr’i Jehovah, mba hihamatanjaka ny finoanao.

 Noraisiny am-po izay henony

18. a) Inona no nataon’i Josefa sy Maria noho izy ireo nankatò ny Lalàna? b) Fianakaviana nanao ahoana izy ireo raha jerena ny fanatitra nataony?

18 Noforana ilay zaza rehefa feno valo andro, satria izay no Lalàn’i Mosesy. Natao hoe Jesosy ny anarany, araka ny tenin’ilay anjely. (Lioka 1:31) Rehefa 40 andro indray ilay zaza, dia nentin’izy mivady tany amin’ny tempolin’i Jerosalema. Nanao fanati-panadiovana izy ireo, ka zana-boromailala roa no natolony. Nahazo nanolotra an’ireo fanatitra ireo ny mahantra, raha tsy nahatakatra ondrilahy sy domohina iray. Tsy nahamenatra an’i Maria sy Josefa izany. Soa ihany aza fa nankany ry zareo satria nisy zavatra nampahery be azy tany.—Lioka 2:21-24.

19. a) Inona ny tenin’i Simeona noraisin’i Maria am-po? b) Inona no nataon’i Ana rehefa nahita an’i Jesosy?

19 Nanatona azy ireo ny lehilahy zokiolona iray atao hoe Simeona. Noraisin’i Maria am-po koa ny teniny. Notantarain’i Simeona hoe nampanantena Andriamanitra fa tsy ho faty izy raha tsy efa mahita ny Mesia na ilay Mpamonjy. Nampahafantarin’ny fanahy masina azy fa i Jesosy ilay izy. Nilaza koa i Simeona fa mbola hijaly be i Maria, ka ho toy ny voatrobaky ny sabatra mihitsy. (Lioka 2:25-35) Na ireo tenin’i Simeona ireo fotsiny aza, dia mety ho efa nanampy an’i Maria hiaritra, rehefa tonga  tokoa ilay zavatra nampahory azy, 30 taona mahery tatỳ aoriana. Nisy mpaminanivavy atao hoe Ana koa avy eo niresaka momba an’ilay zaza “tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema.”—Vakio ny Lioka 2:36-38.

Tena nahazo fampaherezana i Maria sy Josefa tany amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema

20. Nahoana no nety ny nitondran’i Josefa sy Maria an’i Jesosy tany amin’ny tempoly?

20 Nety tokoa ny nitondran’i Josefa sy Maria an’i Jesosy tao amin’ny tempolin’i Jehovah, satria lasa zatra nivavaka tany foana izy. Mba afaka nanome izay fanatitra tsara indrindra nananany koa izy mivady tamin’io, ary nahazo toromarika sy fampaherezana. Azo inoana fa nihanatanjaka ny finoan’i Maria rehefa nody izy. Vao mainka maro ny zavatra azony nosaintsainina sy noresahina tamin’ny hafa.

21. Inona no azontsika atao mba hanatanjahana ny finoantsika?

21 Mahafinaritra koa ankehitriny ny mahita ray aman-dreny mitondra ny zanany mivory tsy tapaka. Manome izay tsara indrindra ananany izy ireo any am-pivoriana, ohatra hoe milaza zavatra mampahery. Lasa manana finoana matanjaka kokoa izy ireo noho izany, sady falifaly kokoa, ary manana zavatra maro horesahina amin’ny hafa. Mahafinaritra tokoa ny miara-mivory. Raha manao izany isika, dia vao mainka hanana finoana matanjaka toa an’i Maria.

^ feh. 7 Efa nanao dia lavitra nankany amin’i Elizabeta i Maria, tamin’izy sy Josefa mbola mpifamofo. Mety hoe tsy niera tamin’i Josefa anefa izy tamin’izay, satria milaza ny Lioka 1:39 hoe tonga dia “niainga i Maria ... ary nandeha.” Rehefa nivady kosa ry zareo, dia i Josefa indray no nanapa-kevitra hoe handeha ve ry zareo sa tsia.

^ feh. 10 Nisy efitranom-bahiny isan-tanàna, mba handraisana mpanao dia lavitra.

^ feh. 14 Porofo izany fa tsy teraka volana Desambra i Kristy. Atao ao am-bala mantsy ny ondry rehefa Desambra. Ireo mpiandry ondry anefa niandry ny ondriny tany an-tsaha tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Tany am-piandohan’ny volana Oktobra àry i Jesosy no teraka.