Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

 TOKO VOALOHANY

“Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”

“Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”

1. Nahoana ny olona no tsy nahazo niditra tao Edena, ary inona no tena nirin’i Abela?

EFA harivariva ny andro, ary somary nandrivotra teny an-tampon-kavoana. Mijery ny ondriny miraoka ahitra i Abela, ary tsotsofin’ny rivotra ny volony. Mitopy lavidavitra ny masony avy eo, ka mahatazana hazavana manjavozavo eo amin’ny fidirana ao amin’ny zaridainan’i Edena. Misy lelan-tsabatra mirehitra sy mihodinkodina tsy an-kijanona eo, misakana ny olona tsy hiditra any. Tao ny dada sy mamany no nipetraka taloha saingy tsy mahazo mankany intsony izao izy mianakavy. Tsy nihavana tamin’ilay Mpamorona intsony mantsy ny olona. Niandrandra ny lanitra àry i Abela, sady lasa saina hoe mba hifandray tsara amin’Andriamanitra indray ve ny olona any aoriana any. Izany izao no mba tena iriny.

2-4. Nahoana i Abela no lazaina hoe mbola miteny amintsika?

2 I Abela no zanak’i Adama faharoa, ary efa ho 6 000 taona izy izay no maty. Mbola miteny aminao anefa izy izao. Mety hilaza ianao hoe: ‘Aiza koa no hisy an’izany? Izy aza efa ela be no lasa vovoka.’ Ny Baiboly rahateo milaza fa “tsy mahalala na inona na inona” ny maty, ka tsy miteny intsony. (Mpito. 9:5, 10) Tsy misy tenin’i Abela koa ao amin’ny Baiboly, koa nahoana izy no hoe miteny amintsika?

3 Hoy ny apostoly Paoly: ‘Na efa maty aza i Abela dia mbola miteny ihany.’ (Vakio ny Hebreo 11:4.) Nahoana? Hoy ihany i Paoly: “Noho ny finoany.” I Abela no voalohany nanana an’io toetra miavaka io, ary hita tamin’ny fiainany izany. Toy ny hoe hitantsika mihitsy ny zavatra nataony, ka azontsika tahafina. Raha mianatra momba azy àry ianao ka manahaka azy, dia toy ny hoe henonao mihitsy izy miteny aminao.

4 Kely fotsiny anefa ny zavatra lazain’ny Baiboly momba azy. Ahoana àry no ahalalantsika fa tena nanam-pinoana izy?

 Velona tamin’ny fotoana “nanorenana izao tontolo izao”

5. Inona ilay hoe “izao tontolo izao” nolazain’i Jesosy? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

5 Telo fotsiny ny olona teto an-tany tamin’i Abela teraka, ary izy no fahefatra. Nilaza i Jesosy fa tamin’ny “nanorenana izao tontolo izao” no nisy i Abela. (Vakio ny Lioka 11:50, 51.) Inona ilay “izao tontolo izao” eo? Ny olona rehetra azo avotana ho afaka amin’ny fahotana. I Abela no voalohany amin’izany, satria efa hitan’Andriamanitra hoe tsy avotra intsony i Adama sy Eva ary Kaina. * Tsy mba nisy olona tsara toetra azon’i Abela notahafina mihitsy àry tamin’izy mbola kely.

6. Olona hoatran’ny ahoana ny ray aman-drenin’i Abela?

6 Vao niandoha ny tantaran’olombelona dia efa nampalahelo. Azo antoka fa tsara tarehy sy natanjaka i Adama sy Eva, nefa simba tanteraka ny fiainany, ary fantany fa ny nataony ihany no nahatonga izany. Nikomy tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo ka voaroaka tao Edena. Lasa tsy lavorary izy ireo, ka tsy afaka niaina mandrakizay intsony. Izany no vokany satria nanao izay tiany fotsiny ry zareo, ka tsy te hahalala na dia izay hahasoa ny taranany aza.—Gen. 2:15–3:24.

7, 8. Inona no nolazain’i Eva rehefa teraka i Kaina, ary inona no mety ho tao an-tsainy?

7 Nijaly i Adama sy Eva rehefa voaroaka tao Edena. Hoy anefa  i Eva, rehefa niteraka an’i Kaina: “Tera-dahy aho noho ny fanampian’i Jehovah.” Tsaroany angamba ilay tenin’i Jehovah hoe hisy vehivavy hanana ‘taranaka’, ary io taranaka io no handringana an’ilay anjely ratsy nitarika azy mivady hanota. (Gen. 3:15; 4:1) Mety ho nieritreritra i Eva hoe izy ilay vehivavy ary i Kaina ilay ‘taranaka.’

8 Diso hevitra i Eva raha izay no tao an-tsainy. Vao mainka loza aza raha izany no nampidirin’izy mivady tao an-tsain’i Kaina. Mety ho lasa hanambony tena mantsy izy. Niteraka indray i Eva tatỳ aoriana, nefa tsy mba niteny zavatra niavaka hoatran’ny nataony tamin’i Kaina. Nantsoiny fotsiny hoe Abela ilay zaza. (Gen. 4:2) “Fofonaina” na “Zava-poana” angamba no dikan’io anarana io. Mety hoe tsy dia zava-dehibe tamin’izy ireo toa an’i Kaina i Abela, matoa nataony an’izany ny anarany.

9. Inona ny lesona tokony horaisin’ny ray aman-dreny?

9 Inona no azonareo ray aman-dreny ianarana avy amin’izany? Tandremo izay lazainareo sy ataonareo sao ianareo lasa mampirisika ny zanakareo ho tia tena sy hirehareha ary hanatratra tanjona ambony loatra. Ampio kosa izy ho tia an’i Jehovah sy ho lasa namany. Mampalahelo fa tsy nahay nitaiza i Adama sy Eva. Soa ihany anefa fa tsy hoe very tanteraka ny taranany.

Inona no nanampy an’i Abela hanana finoana?

10, 11. Inona ny asan’i Kaina sy Abela, ary inona no nampiavaka an’i Abela?

10 Azo inoana fa nampianatra asa an’i Kaina sy Abela i Adama mba hiveloman’izy ireo. Lasa mpamboly àry i Kaina, fa i Abela kosa mpiandry ondry.

11 Niavaka anefa i Abela satria niezaka hanana finoana foana, na dia tsy nisy olona tsara toetra azony notahafina mihitsy aza. Ahoana àry no nahatonga azy hino sy hatoky an’i Jehovah? Ireto misy zavatra telo mety ho nanampy azy:

12, 13. Nahoana no vao mainka nanana finoana i Abela rehefa nandinika ny zavaboary?

12 Ny zavaboarin’i Jehovah. Marina fa nozonin’Andriamanitra ny tany, ka lasa sarotra nambolena sady feno tsilo sy ahidratsy. Mbola namokatra sakafo be dia be ihany anefa izy io, ary ampy tsara ho an’i Abela sy ny fianakaviany izany. Ankoatra izany, dia tsy voaozona ny vorona, ny trondro, ary ny biby hafa. Toy izany koa ny tendrombohitra, farihy, renirano, ranomasina, lanitra, rahona, masoandro, volana, ary kintana. Nahafinaritra daholo izay nojeren’i Abela, ka hitany fa be fitiavana sy hendry ary tsara fanahy ilay Mpamorona. (Vakio ny Romanina 1:20.)  Nisaintsaina an’izany rehetra izany izy ka vao mainka nino an’i Jehovah.

Vao mainka nino an’ilay Mpamorona be fitiavana i Abela rehefa nandinika ny zavaboary

13 Nanana fotoana nieritreretana tsara koa i Abela tamin’izy nikarakara ny andian’ondriny. Alao sary an-tsaina ange e! Nentiny namakivaky havoana sy lohasaha ny ondriny mandra-pahitany dobo na ahi-maitso na toerana malomaloka mety tsara amin’izy ireo. Nandeha an-tongotra be angamba izy tamin’izany, ary mety ho niampitampita renirano mihitsy aza. Ny ondry no anisan’ny biby mila karakaraina indrindra. Toy ny hoe noforonina mba hisy hitarika sy hiaro foana izy ireo. Mety ho lasa nahatsapa àry i Abela fa izy koa mba mila mpitarika sy mpiaro ary mpikarakara. I Jehovah no tena mahavita an’izany, satria hendry sy mahery lavitra noho ny olona izy. Azo antoka fa niresaka an’izany imbetsaka tamin’ny vavaka i Abela ka vao mainka lasa nanam-pinoana.

14, 15. Inona avy ny tenin’i Jehovah nosaintsainin’i Abela?

14 Ny teny nolazain’i Jehovah. Tsy maintsy ho notantarain’i Adama sy Eva tamin’ny zanany hoe nahoana ry zareo no voaroaka tao Edena, ary inona no nolazain’i Jehovah. Azo antoka fa nandinika sy nisaintsaina an’ireny i Abela.

15 Nilaza, ohatra, i Jehovah fa ho voaozona ny tany. Hitan’i Abela fa tanteraka izany satria lasa feno tsilo sy ahidratsy ny tany. Nilaza koa Andriamanitra fa hanaintaina i Eva rehefa bevohoka sy hiteraka. Nahita tsara an’izany i Abela rehefa teraka ny zandriny. Efa niteny koa i Jehovah fa haniry mafy ho tian’ny vadiny sy hokarakarainy i Eva, ary ho tafahoatra mihitsy izany. I Adama kosa hanjakazaka aminy. Hitan’i Abela fa marina daholo ny tenin’i Jehovah. Nino àry izy fa ho tanteraka koa ilay hoe hisy ‘taranaka’ iray hanafoana ny zava-dratsy rehetra.—Gen. 3:15-19.

16, 17. Inona no mety ho nianaran’i Abela avy tamin’ireo kerobima?

16 Ny mpanompon’i Jehovah. Marina fa tsy nisy olona tsara toetra azon’i Abela notahafina. Tsy ny olona ihany anefa no zavaboary  manan-tsaina teto an-tany tamin’izany. Nisy kerobima koa tetỳ, izany hoe anjely manana toerana ambony. Niambina ny lalana nankany Edena ry zareo, ary nisy lelan-tsabatra nirehitra sy nihodinkodina tsy an-kijanona teo. Tsy nisy olona navelan’i Jehovah hiditra intsony mantsy tany.—Vakio ny Genesisy 3:24.

17 Eritrereto ange e! Gaga be angamba i Abela tamin’izy mbola kely, rehefa nitazana an’ilay ‘sabatra’ nirehitra sy nihodinkodina foana. Variana koa izy nijery an’ireo kerobima. Nitafy vatan’olombelona izy ireo ka hita hoe natanjaka be. Teo foana ry zareo, na andro na alina. Tsy leo mihitsy anefa ireo anjely ireo, ka hoe niala teo. Nandeha teny ny volana sy ny taona nefa mbola ireo ihany ry zareo. Lasa fantatr’i Abela àry fa hay i Jehovah manana mpanompo tsy mivadika aminy. Anjely matanjaka sy mahira-tsaina ireo kerobima, nefa nankatò an’i Jehovah foana, fa tsy mba toy ny fianakavian’i Abela. Azo antoka fa nampahery azy izany ka nanatanjaka ny finoany.

Hitan’i Abela hoe nankatò sy tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy ireo kerobima

18. Inona avy no manampy antsika hanana finoana matanjaka?

18 Lasa nahalala kokoa an’i Jehovah i Abela rehefa nandinika ny zavaboariny sy ny teny nolazainy ary izay nataon’ny anjeliny. Nampitombo ny finoany izany. Tsy hitanao àry ve fa tena mbola miteny aminao i Abela, satria be dia be ny zavatra azonao ianarana avy aminy? Ianareo tanora no tena mila mitadidy hoe afaka manana finoana matanjaka ianareo, na dia tsy hoatr’izany aza ny fianakavianareo. Ahoana no hanatanjahantsika ny  finoantsika? Afaka mandinika ny hakanton’ny zavaboary, ohatra, isika. Ananantsika koa ny Baiboly manontolo, ary maro be ny olona manam-pinoana azontsika tahafina.

Nahoana no tsara kokoa ny fanatitr’i Abela?

19. Inona ny hevitra lehibe lasa takatr’i Abela?

19 Te hanao zavatra ho an’i Jehovah i Abela mba hampisehoany ny finoany. Inona anefa no azony omena? Tsy mila fanomezana na fanampiana avy amin’olona mantsy i Jehovah, satria izy no Mpamorona an’izao rehetra izao. Takatr’i Abela anefa tatỳ aoriana fa raha manome izay tsara indrindra ananany fotsiny izy ary antony tsara no anaovany azy, dia efa faly i Jehovah, ilay Rainy be fitiavana.

Tena nanam-pinoana i Abela, fa tsy mba hoatr’izany kosa i Kaina

20, 21. Inona avy no natolotr’i Kaina sy Abela, ary inona ny vokany?

20 Nanomana fanatitra àry i Abela. Nofidiny izay ondriny tsara indrindra, dia izay teraka voalohany, ary ny hena noheveriny fa tsara indrindra no nataony fanatitra. Mba nanomana fanatitra avy amin’ny zavatra namboleny koa i Kaina. Te hotahin’Andriamanitra sy hahazo sitraka aminy koa mantsy izy. Tsy mba toa an’i Abela anefa i Kaina. Hita izany rehefa nanolotra ny fanatiny izy roa lahy.

21 Mety ho nampiasa alitara sy afo izy ireo rehefa nanao fanatitra, ary angamba nataony hitan’ireo kerobima izany. Ireo anjely ireo mantsy no hany solontenan’i Jehovah tetỳ an-tany tamin’izany. Inona ny vokany? “Nankasitrahan’i Jehovah i Abela sy ny fanatiny.” (Gen. 4:4) Tsy lazain’ny Baiboly anefa izay tena nataon’i Jehovah tamin’izay.

22, 23. Nahoana no tian’i Jehovah ny fanatitr’i Abela?

22 Nahoana no nankasitrahan’i Jehovah i Abela? Mety hoe ilay fanatitr’i Abela mihitsy no tiany. Biby velona mantsy no nofidin’i Abela, ary nalatsany ny rany. Asa raha efa fantany ny dikan’ny sorona. Efa taonjato maro tatỳ aoriana mantsy i Jehovah vao nandidy ny mpanompony hanao fanatitra ondry tsy misy kilema, mba hampisehoana fa hanao sorona ny Zanany lavorary izy. Antsoina hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra” io Zanany io, ary handatsaka ny rany. (Jaona 1:29; Eks. 12:5-7) Mbola tsy tena fantatr’i Abela izany rehetra izany, nefa mety ho efa azoazony an-tsaina ihany hoe sarobidy ny ra.

23 Tsy hay aloha raha ilay biby tokoa no tian’i Jehovah, fa ny azo antoka dia hoe ny tsara indrindra nananan’i Abela no nomeny ka faly i Jehovah. Tsy izay ihany fa izy mihitsy koa no nankasitrahan’Andriamanitra satria tia azy sy tena nino azy.

24. a) Nahoana isika no milaza fa tsy hoe ratsy ny fanatitr’i Kaina? b) Inona no itovizan’i Kaina sy ny olona maro ankehitriny?

 24 ‘Tsy nankasitrahan’i Jehovah kosa i Kaina sy ny fanatiny.’ (Gen. 4:5) Tsy hoe ratsy akory ilay zavatra natolony, satria i Jehovah aza tatỳ aoriana nilaza fa azo atao fanatitra ny vokatry ny tany. (Lev. 6:14, 15) Milaza kosa ny Baiboly fa ‘ratsy ny nataon’i Kaina.’ (Vakio ny 1 Jaona 3:12.) Nihevitra izy fa rehefa manao fanatitra, dia efa ampy. Olona maro koa ankehitriny no mitovy aminy, ka mivavaka fotsiny nefa tsy vokatry ny fony akory. Tsy tena tia sy nino an’i Jehovah i Kaina, ary niharihary izany tsy ela tatỳ aoriana.

25, 26. Inona no nampitandreman’i Jehovah an’i Kaina, nefa inona no nataony?

25 Fantatr’i Kaina fa tsy nankasitrahan’i Jehovah ny fanatiny. Tsy mba nanahaka an’i Abela anefa izy, fa lasa nankahala azy. Hitan’i Jehovah ny tany am-pony ka niezaka nanitsy azy izy. Nilaza izy hoe hanao fahotana lehibe i Kaina raha tsy miova, fa “hisandratra” kosa raha miova.—Gen. 4:6, 7.

26 Tsy noraharahain’i Kaina anefa ny tenin’i Jehovah. Mody nentiny tany an-tsaha ilay zandriny, dia lasa tokoa satria tsy nanampo na inona na inona. Novonoin’i Kaina anefa izy tany. (Gen. 4:8) I Abela àry no mpanompon’i Jehovah voalohany nenjehina sy maty maritiora. Tsy vita hatreo anefa ny tantarany.

27. a) Nahoana isika no matoky fa hatsangana amin’ny maty i Abela? b) Inona no tokony hataonao raha tianao ny hihaona aminy?

27 Milaza ny Baiboly fa nitaraina tamin’i Jehovah ny ran’i Abela mba hamaly faty an’i Kaina. Nampihatra ny rariny àry Andriamanitra ka nanasazy an’i Kaina. (Gen. 4:9-12) Mbola miteny amintsika i Abela hatramin’izao. Hitantsika ao amin’ny Baiboly mantsy izay nataony, ka voaporofo fa tena nanam-pinoana izy. Zato taona teo ho eo izy no niaina. Fohy ihany izany raha jerena ny taonan’ny olona tamin’izany, nefa nampifaly an’i Jehovah foana izy nandritra izay. Fantany talohan’ny nahafatesany fa tia sy nankasitraka azy ilay Rainy any an-danitra. (Heb. 11:4) Azo antoka àry fa tsy hadinon’i Jehovah izy ka hatsangany amin’ny maty rehefa lasa paradisa ny tany. (Jaona 5:28, 29) Hihaona aminy ianao raha mihaino azy, izany hoe manahaka ny finoany.

^ feh. 5 Oviana ilay fotoana “nanorenana izao tontolo izao”? Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “mandatsaka voa” ilay teny hoe “nanorenana”, fa ny tena heviny dia hoe manome taranaka. Ny fotoana nisian’ny taranak’olombelona voalohany àry no tiana holazaina eo. Nahoana anefa i Jesosy no nanonona an’i Abela fa tsy i Kaina, nefa i Kaina no taranak’olombelona voalohany indrindra? Nanao fanahy iniana nikomy tamin’i Jehovah i Kaina. Tsy mendrika ny havotana sy hatsangana amin’ny maty àry izy, toy ny ray aman-dreniny ihany.