Teny Famaranana

Teny Famaranana

‘Tahafo ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.’—HEBREO 6:12.

1, 2. Nahoana no tena ilaina maika ny manana finoana? Hazavao amin’ny ohatra.

FINOANA. Tena toetra tsara izy io. Vao maheno azy io anefa isika, dia tokony hisy teny iray koa ho tonga ao an-tsaintsika. Tsy inona izany fa ny hoe: “Maika!” Nahoana? Satria ilaina maika ny finoana, ho an’izay mbola tsy manana azy. Ilaina maika koa ny miaro sy mampitombo azy io, ho an’izay efa manana.

2 Alao sary an-tsaina hoe mamakivaky tany karakaina be ianao, ary tena mila rano. Nitady àry ianao ka nahita ihany. Tsy maintsy arovanao tsara ilay izy sao very. Raha vao mahita rano indray ianao, dia ampianao ilay izy mba tsy ho lany, mandra-pahatonganao any amin’izay halehanao. Mamakivaky an’ity tontolo ity koa isika, ka tena mila finoana. Tsy maintsy arovana sy ampitomboina foana koa izy io, satria mora mihena. Tena ilaina maika izany, tsy misy hafa amin’ilay rano. Maty isika raha tsy misy rano. Toy izany koa fa ho faty ara-panahy isika raha tsy manana finoana.—Rom. 1:17.

3. Inona no nataon’i Jehovah mba hitomboan’ny finoantsika, ary inona ny zavatra roa tokony hataontsika?

3 Fantatr’i Jehovah fa mila manana finoana isika, ary ilaintsika maika izany. Fantany koa anefa fa sarotra amintsika ny miezaka hanana azy io foana sy mampitombo azy io. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly àry ny tantaran’ireo mpanompony nanam-pinoana fahiny mba hotahafintsika. Hoy i Paoly: ‘Tahafo ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.’ (Heb. 6:12) Mampirisika antsika koa ny fandaminan’i Jehovah mba hiezaka mafy hanao izany. Modely ho antsika, ohatra, ireo olona notantaraina tato. Inona anefa izao no tokony hataonao? 1) Hatanjaho foana ny finoanao. 2) Tadidio foana ny fampanantenan’i Jehovah.

4. Inona no ataon’ilay fahavalontsika, ary nahoana izany no tsy tokony hahakivy antsika?

4 Hatanjaho foana ny finoanao. Manana fahavalo mantsy isika, dia i Satana, ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Ataony izay tsy hahavitantsika hanana finoana matanjaka, ka ity tontolo ity no ampiasainy amin’izany. Mahery lavitra noho isika izy, nefa aza atao mahakivy izany. Naman’izay rehetra miezaka hanam-pinoana mantsy i Jehovah. Manome toky izy fa hanampy antsika foana, ka hahavita hanohitra ny Devoly isika. Handositra mihitsy aza ny Devoly. (Jak. 4:7) Hahatohitra azy ianao raha miezaka manatanjaka ny finoanao isan’andro. Ahoana izany?

5. Ahoana no nahatonga ny mpanompon’i Jehovah fahiny hanana finoana?

5 Efa hitantsika fa tsy hoe vao teraka ireo  mpanompon’i Jehovah fahiny, dia efa nanam-pinoana. Nahazo ny fanahin’i Jehovah kosa izy ireo, ary vokatry ny fanahy ny finoana. (Gal. 5:22, 23) Nivavaka ry zareo, ka nampian’i Jehovah hanana finoana matanjaka foana. Mivavaha koa àry amin’i Jehovah. Tadidio foana fa malala-tanana izy ka homeny ny fanahiny ianao, raha mangataka aminy sady manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao. (Lioka 11:13) Inona koa no tokony hataonao?

6. Inona no tokony hataonao rehefa mianatra ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah fahiny?

6 Mbola maro be ny tantaran’olona azontsika dinihina, ankoatra an’ireo efa hitantsika tato. (Vakio ny Hebreo 11:32.) Tsara raha anaovana fianarana samirery izy rehetra, satria samy manana ny mampiavaka azy. Aza maimaika anefa rehefa manao an’ilay izy, raha tianao hatanjaka tsara ny finoanao. Diniho daholo ny zava-nisy sy ny fiainana tamin’izany. Tsarovy koa fa tsy lavorary ireny mpanompon’Andriamanitra ireny, sady “olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany.” (Jak. 5:17) Ho tsapanao tsara amin’izay ny nanjo azy ireo. Ho hitanao koa fa hay mitovy amin’ny antsika ihany ny olana nahazo azy.

7-9. a) Mety hanao ahoana ireo olona nanam-pinoana fahiny raha asaina manao ny fanompoana ataontsika ankehitriny? b) Inona no ho vokany raha manatanjaka ny finoanao ianao?

7 Tadidio koa fa mila “aseho amin’ny atao” ny finoana, raha tsy izany dia maty. (Jak. 2:26) Raha tianao hatanjaka àry ny finoanao, dia mazotoa manao izay zavatra asain’i Jehovah atao. Eritrereto ange hoe ireo mpanompony fahiny no asaina mivory sy mitory hoatr’antsika e! Azo antoka fa tena ho faly izy ireo.

8 I Abrahama, ohatra, teo amin’ny alitara tsotsotra tany an-tany efitra no nivavaka tamin’i Jehovah, sady tsy azony akory ny fampanantenan’Andriamanitra fa toy ny hoe “tazany lavitra” fotsiny. (Vakio ny Hebreo 11:13.) Ahoana anefa raha asain’i Jehovah miara-manatrika fivoriambe na fivoriana amintsika izy, ao amin’ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy? Sady amin’izay ny zavatra nampanantenaina azy mihitsy no hazavaina amin’ny an-tsipiriany any! I Elia indray nasaina namono ny mpaminanin’i Bala, nefa koa izy amin’io nenjehin’ny mpanjaka mpivadi-pinoana. Ahoana raha novan’i Jehovah ny asany hoe mitory toa antsika, ka mitondra hafatra mampionona sy manome fanantenana, sady amin’izay izy tsy misy manenjika? Azo antoka fa ho faly be ireny olona nanam-pinoana fahiny ireny, sady hanaiky avy hatrany, raha asaina manao ny fanompoana ataontsika ankehitriny.

9 Hatanjaho foana àry ny finoanao, ka ‘asehoy amin’izay ataonao.’ Manahaka an’ireo olona tantarain’ny Baiboly ianao raha manao izany. Ho hitanao fa tena azo ampiharina sady mahasoa ny modely nomen’izy ireo. Ho lasa toy ny namana tsy foinao izy ireo amin’izay, araka ny voalaza tany amin’ny Teny Fampidirana. Sady tsy ho ela izy ireo dia hatsangana  amin’ny maty, ka tena ho afaka hiaraka ianareo.

10. Inona ny zavatra tena hahafaly anao any amin’ny Paradisa?

10 Tadidio foana ny fampanantenan’i Jehovah. Nanao an’izany ny mpanompony fahiny, ka nahazo hery. Manahafa àry azy ireo. Eritrereto, ohatra, hoe efa any amin’ny Paradisa ianao, ka faly erỳ mihaona amin’ireo olo-marina efa natsangana tamin’ny maty. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.) Inona no mba tianao hanontaniana azy ireo?

11, 12. Rehefa any amin’ny tontolo vaovao ianao, inona no mba tianao hanontaniana an’i a) Abela? b) Noa? d) Abrahama? e) Rota? f) Abigaila? g) Estera?

11 Rehefa mihaona amin’i Abela, ohatra, ianao, tsy mba tianao ve ny hanontany azy hoe: “Hoatran’ny ahoana kay izany Adama sy Eva izany? Ary mba efa niresaka tamin’ireo kerobima tany Edena ve ianao? Dia namaly ve ry zareo?” Raha mahita an’i Noa indray ianao, dia afaka manontany hoe: “Ianao ve natahotra ny Nefilima? Ary ahoana no nikarakaranareo an’ireo biby be dia be tao anaty sambofiara, nandritra ny herintaona?” I Abrahama kosa azonao anontaniana hoe: “Efa nahita an’i Sema ve ianao? Iza no nampianatra anao momba an’i Jehovah? Ary mafy be ve ilay niala tany Ora?”

12 Eritrereto koa hoe mahita an’ireo vehivavy tsy nivadika fahiny ianao. Ireto misy zavatra azonao anontaniana: “Rota a, inona no tena nahatonga anao hanompo an’i Jehovah?”, “Natahotra ve ianao ry Abigaila hitantara tamin’i Nabala hoe nanampy an-dry Davida?”, “Hono ho’aho Estera, nanao ahoana kay ny fiainanareo sy Mordekay, tatỳ aoriana?”

13. a) Rehefa hatsangana ny maty, inona no mety hanontanian’izy ireo anao? b) Tsy andrinao ve ny hihaona amin’ireo olona nanam-pinoana fahiny? Nahoana?

13 Mazava ho azy fa be dia be koa ny zavatra mba tian-dry zareo hanontaniana anao. Hahafinaritra anao erỳ izao ny hanazava amin’izy ireo hoe inona avy no nitranga nandritra ny andro farany, ary ahoana no nitahian’i Jehovah ny vahoakany. Ho faly be koa ry zareo rehefa fantany izay nataon’i Jehovah mba hanatanterahana ny fampanantenany rehetra. Tsy voatery haka sary an-tsaina an’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny intsony ianao ao amin’ny Paradisa, satria efa hiaraka aminao mihitsy ry zareo. Inona anefa no tokony hataonao dieny izao? Miezaha mafy hahafantatra tsara azy ireo, ary tahafo foana ny finoany. Ho lasa mpinamana tsy mifankafoy ianareo amin’izay, ary hiara-manompo an’i Jehovah mandrakizay!