Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-19

Nikarakara ny Fianakaviany Foana Izy

Nikarakara ny Fianakaviany Foana Izy

1, 2. a) Inona ny zava-tsarotra natrehin’i Josefa sy ny fianakaviany? b) Inona no tsy maintsy nolazain’i Josefa tamin’i Maria?

HANDEHA hanao dia lavitra i Josefa sy ny fianakaviany nefa mbola alina ny andro. Mipaipaika kely an’ilay ampondrany izy, sady mampiakatra entana eo ambonin’ilay izy. Mijerijery ny manodidina izy, ary mieritreritra hoe hanao ahoana re ny dia e! Fa ho aiza ry zareo? Ho any Ejipta! Vaovao amin’izy telo mianaka daholo, na ny olona na ny fiteny na ny fanao any, ka asa raha ho tamana ry zareo.

2 Fa nahoana izy ireo no tsy maintsy handeha? Nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy tamin’io alina io, ka niteny hoe tsy maintsy miala ao Betlehema eo no ho eo izy ireo, satria tadiavin’i Heroda Mpanjaka hovonoina ny zanany. (Vakio ny Matio 2:13, 14.) Nanahirana an’i Josefa ny hiteny an’ilay vaovao tamin’i Maria, nefa nolazainy ihany. Natahotra be i Maria. Tsy azon’izy roa hoe zazakely tsy manan-tsiny ve dia misy mitady hamono. Natoky ny tenin’i Jehovah anefa izy ireo ka niomana handeha ihany.

3. Tantarao ny nialan-dry Josefa tao Betlehema. (Jereo koa ilay sarin’izy telo mianaka.)

3 Mbola natory daholo ny iray tanàna, ary tsy nisy nahalala an’izay nitranga. Nandeha nianatsimo ry Josefa, ary rehefa ela ny ela dia nihanazava ny lanitra teny atsinanana. Mety ho nitebiteby izy hoe mpandrafitra kely io ve izy, dia hahavita hiaro ny vady aman-janany. Ho vitany koa ve ny hamelona azy ireo? Ary ahoana no hitaizany an’ilay Zanak’Andriamanitra? Izany mantsy no andraikitra lehibe nampanaovin’i Jehovah azy. Be dia be ny olana nahazo an’i Josefa. Vitany anefa ny niatrika izany. Ahoana no nataony, ary nahoana no mila manahaka azy isika rehetra, indrindra fa ny raim-pianakaviana?

Niaro ny vady aman-janany izy

4, 5. a) Nahoana no niova be ny fiainan’i Josefa? b) Inona no nolazain’ilay anjely mba hampirisihana an’i Josefa hanaiky an’ilay andraikitra sarotra?

4 Hojerentsika kely aloha izay nitranga herintaona mahery  talohan’izay. Tany Nazareta i Josefa no nipetraka ary mpifamofo izy sy Maria. Niova be anefa ny fiainany. Fantany mantsy fa bevohoka i Maria, nefa tovovavy hendry sy tena tia an’i Jehovah no nahalalany azy. Saika hisarahany mangingina àry i Maria, satria tsy tiany ho afa-baraka. * Nisy anjely niteny taminy tao amin’ny nofy anefa hoe ‘avy tamin’ny fanahy masina ilay zaza tao an-kibon’i Maria, ary hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotana.’ Hoy koa ilay anjely: “Aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao.”—Mat. 1:18-21.

5 Olo-marina i Josefa sady nankatò an’i Jehovah, ka nanaiky hanambady an’i Maria sy hitaiza an’ilay zaza. Andraikitra sarotra izany satria tsy zanany ilay zaza, sady izy io no Zanaka tian’Andriamanitra indrindra. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tsy maintsy nankany Betlehema izy mivady satria nisy fanisam-bahoaka tany. Efa bevohoka be anefa i Maria tamin’izay, ka tany izy no teraka.

6-8. a) Nahoana no niova tampoka indray ny fiainan-dry Josefa? b) Porofoy fa avy amin’i Satana ilay kintana. (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

6 Tsy nody tany Nazareta intsony izy ireo fa nijanona tao Betlehema. Nahantra ry zareo, nefa niezaka foana i Josefa namelona ny vady aman-janany sady niaro azy ireo. Nahita trano tsotsotra hipetrahana izy telo mianaka. Niova tampoka indray anefa ny fiainany rehefa herintaona mahery i Jesosy.

7 Nisy mpanandro vitsivitsy avy tany Babylona te hijery an’ilay zazakely, satria fantany hoe izy io no ho mpanjakan’ny Jiosy. Nanaraka kintana iray ry zareo ka tonga tao amin-dry Josefa. Nahalala fomba be ireo lehilahy ireo.

8 Tsy tonga dia nentin’ilay kintana tany anefa ireo mpanandro ireo fa mbola nentiny tany amin’i Heroda Mpanjaka, tany Jerosalema. * Tsy lavitra an’i Betlehema izy io. Nanontany an’i Heroda ry zareo hoe aiza ilay zaza ho mpanjakan’ny Jiosy. Tsy fantatr’izy ireo angamba anefa fa nisy vokany ratsy ilay izy. Lasa nialona be an’i Jesosy mantsy i Heroda, ka nitady hamono azy.

9-11. a) Inona ny porofo fa mbola mahery noho i Heroda sy Satana i Jehovah? b) Inona ny zavatra lazain’ny boky sasany, nefa inona no tena nitranga?

9 I Satana no nampirisika an’i Heroda, nefa samy tsy hahavita hamono an’i Jesosy na izy na i Heroda. Mbola mahery noho izy ireo mantsy i Jehovah. Nanome “volamena sy ditin-kazo manitra ary miora” an’i Josefa sy Maria ireo mpanandro, nefa tsy  nangataka takalony. Hita hoe avy amin’i Jehovah izany. Lasa saina angamba izy roa hoe: ‘Ity isika dia lasa nanana harena be tampoka teo!’ Tsy izay ihany anefa no nataon’i Jehovah. Efa saika hiverina tany amin’i Heroda ireo mpanandro mba hanoro hoe aiza ilay zaza. Notenenin’i Jehovah tamin’ny nofy anefa izy ireo hoe aza miverina any intsony rehefa mody fa lalan-kafa aleha.—Vakio ny Matio 2:1-12.

10 Vao lasa kelikely ireo mpanandro, dia nisy anjely niteny tamin’i Josefa hoe: “Ento mandositra any Ejipta ny zaza sy ny reniny, ka aza miala any raha tsy efa milaza aminao aho. Efa hikaroka an’ilay zaza mantsy i Heroda mba hamonoany azy.” (Mat. 2:13) Tonga dia nankany Ejipta àry ry Josefa, araka ny hitantsika terỳ aloha. Nataony mihitsy izay hiarovana ny zanany. Soa ihany fa nahazo fanomezana avy tamin’ireo mpanandro ry zareo, ka iny no nivelomany tany Ejipta.

Tonga dia najanon’i Josefa ny asany ka nentiny nandositra ny zanany

11 Misy boky mitantara zavatra diso momba an’io dian’izy telo mianaka io. Nanao fahagagana, hono, ilay zaza mba hanafainganana ny dian’izy ireo, ary nataony tsy naninona an-dry zareo ny jiolahy. Ny palmie teny an-dalana aza, hono, nataony niondrika teo amin’i Maria mba hakany ny voany. * Tsy izany mihitsy anefa no nitranga, fa nanao dia lavitra sy nandreraka be izy ireo, sady nitebiteby hoe inona no niandry azy any.

Nahafoy tena i Josefa mba hiarovana ny fianakaviany

12. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Josefa?

12 Modely ho an’ny ray aman-dreny i Josefa. Tonga dia najanony, ohatra, ny asany ka nentiny nandositra ny vady aman-janany. Nahafoy tena izy mba hiarovana azy ireo. Noraisiny ho fanomezana sarobidy nankinin’i Jehovah taminy mantsy ny fianakaviany. Mahafinaritra fa maro koa izao ny ray aman-dreny miezaka mafy miaro ny zanany. Be dia be mantsy ny fakam-panahy mety hahavoa ny ankizy, ary mety hanimba ny fiainany mihitsy aza.

Nanome izay nilain’ny fianakaviany izy

13, 14. Nahoana no nody tany Nazareta ry Josefa?

13 Toa tsy nijanona ela tany Ejipta ry Josefa, satria vao tonga kelikely tany ry zareo dia nilaza ilay anjely hoe maty i Heroda. Niverina tany Israely àry izy ireo. Efa nisy faminaniana  nilaza fa hantsoin’i Jehovah “hiala avy tany Ejipta” ny Zanany. (Mat. 2:15) Tanteraka ilay izy, ary nandray anjara tamin’izany i Josefa. Aiza ho aiza any Israely anefa no hitondrany ny vady aman-janany?

14 Mailo i Josefa satria ratsy fanahy be sady mpamono olona koa i Arkelaosy, ilay nandimby an’i Heroda tao Jerosalema. Nankatò an’i Jehovah àry izy ka niverina tany Nazareta. Any avaratra lavitra an’i Jerosalema izy io ka tsy misy atahorana.—Vakio ny Matio 2:19-23.

15, 16. Hoatran’ny ahoana ny asan’i Josefa, ary inona avy ny fitaovana mety ho nampiasainy?

15 Nahantra ry zareo ka tsy mora ny fiainany. Mpandrafitra mantsy i Josefa. (Mat. 13:55) Mafy be ny asany satria nila nanapaka sy nibata hazo izy ary nanamaina izany mba hanaovana trano, na sambo, tetezana, sarety, kodiarana, zioga, na fitaovam-pambolena. Matetika ny mpandrafitra fahiny no niasa teo an-tokotaniny, na tao amin’ny efitra kely akaikin’ny tranony.

16 Nampiasa fitaovana isan-karazany i Josefa, ary mety ho nolovany tamin-drainy ny sasany. Anisan’izany ny sokera, pilao, zavatra fanipihana hazo, famaky, tsofa, marotoa, kanonta, fandraka, lakaoly isan-karazany, ary teo koa ny fantsika na dia lafo be aza izy ireny tamin’izany.

17, 18. a) Inona no nampianarin’i Josefa an’i Jesosy? b) Nahoana i Josefa no nila niasa mafy?

17 Azo antoka fa nandinika an’izay rehetra nataon’i Josefa i Jesosy, tamin’ny mbola kely. Alao sary an-tsaina ange e! Faly erỳ izy nahita hoe natanjaka ilay rainy sady kinga sy tena nahay. Mety ho nampianarin’i Josefa nanao asa tsotsotra izy, ohatra hoe mikiky hazo mba hampahalama an’ilay izy, ka hoditra trondro maina no ampiasaina. Mety ho nampianariny azy koa ny maha samy hafa ny hazo nampiasaina, toy ny aviavidia sy ny oaka ary ny oliva.

Nampianarin’i Josefa ho lasa mpandrafitra ilay zanany

18 Hitan’i Jesosy fa tsara fanahy ny dadany, na dia natanjaka be aza, satria nanafosafo sy nanambitamby azy sy ny reniny  ary ny zandriny. Niasa mafy koa i Josefa mba hikarakarana sy hamelomana azy ireo. Maro an-trano mantsy ry zareo satria nanan-jandry enina i Jesosy, fara fahakeliny.—Mat. 13:55, 56.

Nampianatra ny zanany momba an’i Jehovah i Josefa, satria fantany fa izany no tena zava-dehibe

19. Inona no nataon’i Josefa mba hanampiana ny fianakaviany hifandray tsara amin’i Jehovah?

19 Niezaka koa anefa i Josefa nampianatra ny zanany momba an’i Jehovah sy ny lalàny. Fantany mantsy fa izany no tena zava-dehibe. Nentin’izy mivady tany amin’ny synagoga foana koa ny zanany, mba hihaino ny famakiana sy fanazavana ny Lalàna. Nety ho be fanontaniana i Jesosy rehefa avy tany, ka niezaka namaly azy i Josefa. Nentin’i Josefa tany Jerosalema koa ry zareo rehefa nisy fety tany amin’ny tempoly. Namonjy Paska tany, ohatra, izy ireo isan-taona, na dia nandeha an-tongotra 120 kilaometatra mahery aza rehefa nankany, ary tapa-bolana atỳ aoriana vao tafody.

Nentin’i Josefa nivavaka tany amin’ny tempolin’i Jerosalema foana ny fianakaviany

20. Ahoana no hanahafan’ny ray aman-dreny an’i Josefa?

20 Manahaka an’i Josefa ny ray aman-dreny kristianina. Mamelona ny zanany izy ireo, nefa tsy izay no tena zava-dehibe aminy fa ny mampianatra azy ireo momba an’i Jehovah. Miezaka mafy izy ireo manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana sy mitondra ny zanany any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Fantatr’izy ireo fa izany no lova tsara indrindra ho an-janany.

“Nitebiteby be” izy

21. Nanao ahoana ny dian-dry Josefa nankany Jerosalema, ary oviana ry zareo vao nahatsikaritra hoe tsy hita i Jesosy?

21 Nankany Jerosalema toy ny mahazatra ry Josefa indray mandeha, mba hankalaza Paska. Efa 12 taona i Jesosy tamin’izay. Nisy fianakaviana be dia be niaraka tamin’izy ireo. Nahafinaritra erỳ teny an-dalana, satria maitso mavana ny manodidina. Somary ngazana kosa izay jerena rehefa akaiky ho tonga. Nanao hira fiderana antsoina hoe “Hira Fiakarana” angamba ny olona rehefa niakatra nankany Jerosalema. (Sal. 120-134) Feno olona tany tamin’izay. Nankalaza ny Paska ny rehetra, ary nody avy eo. Tsy voamarik’i Josefa sy Maria anefa fa mbola nijanona i Jesosy. Be atao angamba ry zareo sady nieritreritra fa efa miaraka amin’ny havany izy. Nandeha iray andro izy ireo vao taitra hoe tsy hita izy!—Lioka 2:41-44.

22, 23. Inona no nataon’i Josefa sy Maria rehefa tsy hita i Jesosy, ary inona no nolazain’i Maria rehefa hita izy?

 22 Nikoropaka niverina tany Jerosalema izy ireo. Alao sary an-tsaina ange ry zareo rehefa tonga tany e! Efa lasa daholo ny olona, ka hoatran’ny nangingina be ilay tanàna. Nipenimpenina eran’ny lalana izy ireo sady niantsoantso ny anaran-janany. Notadiavina nandritra ny telo andro izy, nefa tsy hita ihany. Fa aiza àry izy? Lasa nihevitra angamba i Josefa hoe tsy narovany tsara ilay Zanak’Andriamanitra. Lany haika ry zareo ka nikaroka tany amin’ny tempoly. Io i Jesosy fa tao amin’ny efitra iray, niaraka tamin’ny mpampianatra maromaro nahay Lalàna. Maivamaivana erỳ izy mivady!—Lioka 2:45, 46.

 23 Inona no nataon’i Jesosy tao? Nihaino sy nanontany an’ireo olona ireo izy. Variana ry zareo satria narani-tsaina izy sady nahay namaly rehefa nanontaniana. I Josefa sy Maria kosa gaga hoe naninona tao izy. Tsy niteny i Josefa, fa i Maria no nilaza hoe: “Fa nahoana ianao, anaka, no manao anay toy izao? Jereo fa tena nitebiteby be nitady anao izaho sy rainao.”—Lioka 2:47, 48.

24. Inona no asehon’ny Baiboly amintsika avy amin’iny zava-nitranga iny?

24 Iny zava-nitranga iny dia efa ahitana fa tsy mora ny mitaiza, na lavorary aza ilay zaza. Be dia be ny zavatra mety ‘hampitebiteby’ ny ray aman-dreny, indrindra moa amin’izao fiainana efa tena ratsy izao. Mampahery àry ny mahafantatra fa  na ny Baiboly aza milaza hoe tena mafy ilay izy.

25, 26. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’izy mivady, ary inona no mety ho tsapan’i Josefa tamin’izay?

25 Nijanona tao amin’ny tempoly i Jesosy satria tao izy no tena nahatsapa hoe akaiky an’i Jehovah Rainy, sady afaka nanararaotra nianatra zavatra betsaka momba azy. Nanontany an’i Josefa sy Maria àry izy hoe: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?”—Lioka 2:49.

26 Azo antoka fa nisaintsaina an’ireo teny ireo foana i Josefa. Faly sy nirehareha kely angamba izy. Niezaka be mantsy izy nampianatra an’i Jesosy mba handray an’i Jehovah ho Rainy. Efa hain’i Jesosy tsara tamin’izay hoe hoatran’ny ahoana izany ray tena tia ny zanany izany, satria tena tia azy i Josefa.

27. Nahoana no tena tsara ny andraikitry ny ray, ary ahoana no hanahafan’izy ireo an’i Josefa?

27 Raim-pianakaviana ve ianao? Tadidio fa andraikitra tena tsara izany. Raha asehonao mantsy fa tena tia sy miaro ny zanakao ianao, dia ho tsapany hoe hoatr’izany koa i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra. Ary ahoana raha raikely ianao, na nanangan-janaka? Tahafo i Josefa, ka ataovy tsapan’ilay ankizy hoe tena tianao izy, ary tsy mitovy amin’ny ankizy hafa izy aminao. Ampio izy hifandray tsara amin’i Jehovah.—Vakio ny Efesianina 6:4.

Nataony tsara foana ny andraikiny

28, 29. a) Inona no fantatsika momba an’i Josefa, rehefa jerena ny Lioka 2:51, 52? b) Inona no nataon’i Josefa matoa i Jesosy nanam-pahendrena?

28 Rehefa nihalehibe i Jesosy, dia tsy voatonona firy intsony ao amin’ny Baiboly i Josefa. Inona anefa no mbola azontsika  ianarana momba azy? Milaza ny Baiboly fa ‘nankatò foana’ an’i Josefa sy Maria i Jesosy. ‘Nihanitombo fahendrena sy nihalehibe’ koa izy, ary “nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.” (Vakio ny Lioka 2:51, 52.) Mbola nanao tsara ny andraikiny àry i Josefa matoa i Jesosy nankatò azy sy nanaja ny fahefany, na dia lavorary aza.

29 Matoa koa i Jesosy nihanitombo fahendrena, dia niezaka mafy i Josefa nanampy azy. Misy ohabolana jiosy fahiny iray momba ny fahendrena, mbola hita any anaty boky hatramin’izao. Milaza izy io hoe ny mpanankarena ihany no tena afaka ny ho hendry, fa tsy ny mpiasa madinika. Tsy mahalala ny rariny sy tsy rariny, hono, ny mpandrafitra sy mpamboly ary mpanefy. Tsy mba mahay milaza fanoharana koa, hono, izy ireny. Noporofoin’i Jesosy anefa fa diso izany satria tena nanam-pahendrena izy. Na dia mpandrafitra nahantra aza i Josefa, dia nampianatra azy momba ny fahendren’i Jehovah hatramin’izy mbola kely.

30. Nahoana i Josefa no modely ho an’ny raim-pianakaviana?

30 Tena salama tsara sy natanjaka koa i Jesosy satria nikarakara tsara azy i Josefa. Tsy vitan’izay fa nampianariny tsara izy ka tena nahay nandrafitra. Tsy hoe zanaky ny mpandrafitra fotsiny no nahafantaran’ny olona an’i Jesosy fa “mpandrafitra” mihitsy. (Mar. 6:3) Tokony hanahaka an’i Josefa àry ny raim-pianakaviana ka hikarakara tsara ny zanany, ary hanampy azy ireo mba hahavelon-tena rehefa lehibe.

31. a) Mety hoe oviana i Josefa no maty? (Diniho koa ilay  efajoro.) b) Ahoana no hanahafantsika an’i Josefa?

31 Tsy miresaka an’i Josefa intsony ny Baiboly rehefa 30 taona teo ho eo i Jesosy, izany hoe tamin’izy natao batisa ka nanomboka ny fanompoany. Azo inoana fa efa maty i Josefa tamin’izay. (Jereo ilay efajoro hoe “ Oviana i Josefa no Maty?”) Nanao ny andraikiny foana izy mandra-pahafatiny, ka niaro sy namelona ny fianakaviany ary nanampy azy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah. Tena nanam-pinoana izy ka modely ho an’ny Kristianina rehetra, indrindra fa ny loham-pianakaviana.

^ feh. 4 Efa noheverina ho toy ny mpivady ny mpifamofo tamin’izany.

^ feh. 8 Tsy tena kintana izy io, sady tsy Andriamanitra no nandefa azy. Hita kosa fa zavatra nampiasain’i Satana ilay izy mba hahafahany hamono an’i Jesosy.

^ feh. 11 Milaza mazava ny Baiboly fa efa vita batisa i Jesosy vao nanao fahagagana.—Jaona 2:1-11.