Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

 TOKO FAHA-4

“Izay Alehanao no Halehako”

“Izay Alehanao no Halehako”

1, 2. a) Tantarao ny dian’i Rota sy Naomy, ary hazavao hoe nahoana izy ireo no nalahelo be. b) Nahoana no tsy mitovy izy mianaka na dia samy ho any Betlehema aza?

INY i Rota sy Naomy fa mamakivaky lemaka any Moaba. Ry zareo irery no eny an-dalana nefa midadasika ilay toerana, sady vava rivotra be no avoavo ihany. Hitan’i Rota fa efa ho hariva ny andro satria mihalava ny aloky ny zavatra manodidina azy. Mijery an’i Naomy rafozany izy, ary lasa saina hoe sao dia tokony hitady toerana hatoriana amin’izay. Tiany be i Naomy ka karakarainy tsara.

2 Mafy ny mahazo an’i Naomy satria maty vao haingana i Kiliona sy Malona, zanany roa lahy. Efa elaela koa no maty ny vadiny. Malahelo be koa anefa i Rota satria vadiny i Malona. Ho any Betlehema, any Israely, izao izy mianaka. Tanindrazan’i Naomy i Betlehema fa i Rota kosa izao vao ho any, sady amin’izay tsy hahita ny fianakaviany sy ny taniny intsony. Nafoiny koa ny fomban-drazany sy ny andriamaniny.—Vakio ny Rota 1:3-6.

3. Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika ato?

3 Moabita i Rota, sady mbola azo lazaina hoe tovovavy. Nahoana anefa izy no vonona hanao izany fiovana be izany? Ho vitany ve ny hanomboka fiainana vaovao sady hikarakara an’i Naomy? Hojerentsika anefa aloha hoe nahoana izy mianaka no nanao dia lavitra ho any Betlehema. Ho hitantsika fa tena nanam-pinoana i Rota, ka maro ny zavatra azo ianarana avy aminy.—Jereo koa ilay efajoro hoe “ Sangan’asa Kely fa Miavaka.”

Nosarahin’ny fahafatesana izy mianakavy

4, 5. a) Nahoana ry Naomy no nifindra tany Moaba? b) Inona avy ny zava-tsarotra nahazo azy?

4 Teraka tany Moaba i Rota. Firenena kely any atsinanan’ny Ranomasina Maty izy io. Havoana marin-tampona sy hantsana no betsaka any, ary tsy dia misy hazo. Nahavokatra be ny saha tany “ambanivohitr’i Moaba”, ka izany no nahatonga an-dry Malona ho any. Tany no nahalalany an’i Rota.—Rota 1:1.

 5 Nisy mosary mantsy tany Israely ka tapa-kevitra i Elimeleka vadin’i Naomy fa hifindra any Moaba izy mianakavy. Lasa nipetraka tany an-tany lavitra àry izy ireo. Azo inoana fa sarotra tamin’izy ireo izany, satria tsy maintsy mandeha mivavaka tsy tapaka any amin’ny toerana masina nofidin’i Jehovah ny Israelita. (Deot. 16:16, 17) Nanatanjaka ny finoany foana anefa i Naomy. Na izany aza, dia nalahelo be izy rehefa maty ny vadiny.—Rota 1:2, 3.

6, 7. a) Nahoana i Naomy no mety hoe niady saina rehefa nanambady Moabita ny zanany roa lahy? b) Ahoana no nitondran’i Naomy ny vinantony, ary nahoana no tsara ny nataony?

6 Azo inoana fa nalahelo be indray izy tatỳ aoriana, satria nanambady Moabita ny zanany. (Rota 1:4) Fantany mantsy fa nataon’i Abrahama razambeny izay hahazoan’i Isaka vady mpanompon’i Jehovah sady havan’izy ireo ihany. (Gen. 24:3, 4) Nilaza koa ny Lalàn’i Mosesy, tatỳ aoriana, fa tsy tokony havelan’ny Israelita hanambady hafa firenena ny zanany, sao ho voatarika hanompo sampy.—Deot. 7:3, 4.

7 Mbola nanambady Moabita ihany anefa i Malona sy Kiliona. Rota sy Orpa no anaran’izy ireo. Azo inoana fa diso fanantenana sy niady saina i Naomy. Na izany aza, dia tsara fanahy be sy tena tia an’ireo vinantony ireo izy. Nanantena angamba izy fa ho lasa mpanompon’i Jehovah izy ireo any aoriana any. Izy roa vavy koa tena tia an’i Naomy. Izany no nanampy azy telo tsy hamoy fo rehefa nidonam-pahoriana. Mbola tsy niteraka akory mantsy izy roa vavy, dia maty i Kiliona sy Malona.—Rota 1:5.

8. Inona no mety ho nahatonga an’i Rota ho lasa tia an’i Jehovah?

8 Azo antoka fa tsy nanampy an’i Rota hizaka ny fahoriany ny fivavahany. Nivavaka tamin’ny andriamanitra maro ny Moabita, ary i Kemosy no lehibe indrindra. (Nom. 21:29) Tsy maintsy ho nitovy tamin’ny ankamaroan’ny fivavahana nisy tamin’izany ihany ny an’ny Moabita. Nanao zavatra tsy mifaditrovana izy ireo, anisan’izany ny sorona zazakely. Tena gaga angamba i Rota rehefa niresahan’i Malona na Naomy momba an’i Jehovah, Andriamanitry ny Israelita. Mifanohitra tanteraka amin’ny andriamaniny mantsy i Jehovah, satria be fitiavana sy mamindra fo ary tsy mampihorohoro, ka lasa tena tia azy ny mpanompony. (Vakio ny Deoteronomia 6:5.) Azo inoana fa vao mainka ninamana tamin’i Naomy i Rota, rehefa maty ny vadiny. Tiany koa ny nihaino azy nanazava zavatra maro momba an’i Jehovah, ohatra hoe mahery indrindra izy, sady nanao zavatra mahatalanjona, ary koa tena tia sy mamindra fo amin’ny vahoakany.

Nety ny nataon’i Rota satria vao mainka izy nifikitra tamin’i Naomy rehefa maty ny vadiny

9-11. a) Nanapa-kevitra hanao inona izy telo mianaka? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’izy ireo?

 9 Ahoana kosa ny amin’i Naomy? Mahaliana azy ny mahare vaovao avy any amin’ny taniny. Henony àry, indray andro, fa tsy misy mosary intsony any Israely. Mpivaro-mandeha angamba no niteny izany taminy. Nitsinjo ny vahoakany i Jehovah ka lasa “Tranon’ny Mofo” indray i Betlehema. Izany mantsy no dikan’ny hoe Betlehema. Tapa-kevitra ny hody àry i Naomy.—Rota 1:6.

10 Nanaraka azy koa i Rota sy Orpa. (Rota 1:7) Vao mainka nifankatia mantsy izy telo mianaka, noho ny fahoriana nahazo azy ireo. I Rota anefa no tena tia an’i Naomy, satria hitany hoe tsara fanahy sy nino an’i Jehovah foana i Naomy.

11 Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’izy telo mianaka? Mety hidonam-pahoriana sy hijaly daholo na ny olon-dratsy na ny olo-marina. (Mpito. 9:2, 11) Tokony hitady namana mampahery koa isika, rehefa mila tsy ho zakantsika ny fahoriantsika. Ny olona mialoka amin’i Jehovah no namana tsara indrindra.—Ohab. 17:17.

Tsy nahafoy an’i Naomy i Rota sady tena tia azy

12, 13. Nahoana no nasain’i Naomy niverina i Rota sy Orpa, nefa inona no nolazain’izy roa vavy?

12 Lasa saina i Naomy rehefa lasa lavidavitra izy telo mianaka. Hitany hoe tena tia azy sy ny zanany lahy izy roa vavy. Tsy tiany hijaly intsony anefa izy roa satria efa mafy izay nanjo azy ireo izay. Nieritreritra àry izy hoe: ‘Dia hanaraka ahy hatrany Betlehema tokoa ve izy roa? Tsisy azoko atao ho azy ireo akory anefa any.’

13 Hoy i Naomy, nony farany: “Samia mody any an-tranon’ny reninareo avy ianareo. Ary i Jehovah anie haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminareo, toy ny nasehonareo tamin’ireo maty sy tamiko!” Nirary soa azy ireo koa izy mba hotahin’i Jehovah ry zareo, ka hahita vady indray sady hanana fiainana vaovao. “Dia nanoroka azy roa vavy izy. Koa nitomany mafy izy ireo.” Tsy mahagaga raha niraiki-po tamin’i Naomy i Rota sy Orpa. Tsara fanahy  sy tsy tia tena mantsy izy. Namerimberina izy roa hoe: “Tsia, fa hiara-mody aminao any amin’ny firenenao izahay.”—Rota 1:8-10.

14, 15. a) Niverina nanao inona i Orpa rehefa nody? b) Inona no notenenin’i Naomy mba handresena lahatra an’i Rota?

14 Tsy nanaiky anefa i Naomy. Nampisaintsaina azy ireo izy hoe tsy ho afaka hanampy azy ireo, satria tsy manana vady hamelona azy intsony sady tsy manan-janakalahy azony omena azy ireo. Nilaza izy fa mangidy aminy ny mieritreritra hoe tsy afaka mikarakara azy roa. Hitan’i Orpa fa marina ny tenin’i Naomy. Any Moaba ny reniny, ny havany, ary ny tranony. Toa ny mijanona any tokoa no mety aminy. Nanoroka an’i Naomy àry izy ka lasa niverina, na dia nalahelo be aza.—Rota 1:11-14.

15 Ary i Rota? Fantany fa tsy i Orpa irery no notenenin’i Naomy fa izy koa. Na izany aza, dia ‘nifikitra tamin’i Naomy’ izy. (Rota 1:14) Efa nandeha kelikely angamba i Naomy no nahatsikaritra fa mbola nanaraka azy ihany i Rota. Somary nibedy azy àry izy hoe: ‘Jereo fa lasa nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny ny rahavavinao. Modia miaraka aminy koa.’ (Rota 1:15) Inona no voamaritsika eo? Tsy hoe nody tany amin’ny fireneny fotsiny i Orpa fa niverina nivavaka tamin’ny “andriamaniny” koa. Tsy nampaninona azy ny nivavaka tamin’i Kemosy sy ny sampy hafa. Toy izany koa ve i Rota?

16-18. a) Ahoana no navalin’i Rota an’i Naomy? b) Ahoana no nampisehoan’i Rota fa tena tia an’i Naomy izy? (Jereo ireo sary roa misy an’i Naomy sy Rota ato amin’ity toko ity.)

16 Efa tapaka ny hevitr’i Rota, na dia efa izy mianaka aza sisa no teo amin’ilay lalana mangingina. Efa tena tiany mantsy i Naomy  sy ilay Andriamaniny, ka hoy izy: “Aza manery ahy handao anao sy hisaraka aminao, fa izay alehanao no halehako, ary izay atorianao no hatoriako. Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro. Izay toerana ahafatesanao no hahafatesako, ary any no hilevenako. Hofaizin’i Jehovah anie aho, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!”—Rota 1:16, 17.

“Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”

17 Tena mahavariana izany fampanantenana izany ka na efa 3 000 taona atỳ aoriana aza, dia mbola fantatsika ihany ilay izy. Hita avy amin’ireo fa tsy niovaova ny fitiavan’i Rota, izany hoe tena tiany i Naomy ary tsy foiny mihitsy. Toetra tena tsara izany. Vonona hiaraka amin’i Naomy foana izy na aiza na aiza, ary fahafatesana ihany no hampisaraka azy aminy. Vonona hamoy ny zava-drehetra tany Moaba i Rota, ka ny firenen’i Naomy no ho lasa fireneny. Na ny andriamanitra moabita aza nafoiny. Tsy toa an’i Orpa izy fa niteny tamin’ny fony manontolo hoe tiany ho Andriamaniny koa i Jehovah, ilay Andriamanitr’i Naomy. *

18 Nanohy ny diany nankany Betlehema àry izy mianaka. Lavitra ny lalana sady nangina be. Naharitra herinandro angamba ilay dia. Azo antoka anefa fa tsy dia nalahelo intsony izy ireo, satria niaraka teny ary mba nifampahery.

19. Ahoana no hampisehoanao, toa an’i Rota, fa tena tianao sy tsy foinao ny fianakavianao sy ny namanao ary ny mpiara-manompo aminao?

19 Misy foana ny zavatra mampahory eto amin’ity tontolo ity, ary betsaka ny zavatra mety hafointsika. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” mantsy isika izao. (2 Tim. 3:1) Vao mainka àry isika tena mila manana an’ilay karazana fitiavana nananan’i Rota, satria mahatonga antsika hanao zavatra tena tsara izany, na eo aza ny olana eto amin’ity tontolo ity. Tsy hahafoy an’izay olona tiantsika mihitsy isika ka tsy hiala aminy, na inona na inona mitranga. Mila an’io toetra io na ny mpivady, na ny fianakaviana, na ny mpinamana, na ny iray fiangonana. (Vakio ny 1 Jaona 4:7, 8, 20.) Manahaka an’i Rota isika rehefa miezaka manana azy io.

Tonga tany Betlehema

20-22. a) Inona ny porofo fa nijaly i Naomy tany Moaba? b) Inona ny hevi-diso nananan’i Naomy? (Jereo koa ny Jakoba 1:13.)

20 Mazava ho azy fa mora amintsika ny miteny hoe tena tia  olona iray sy tsy hahafoy azy, fa sarotra tanterahina izany. Ho hita àry manomboka eto raha tena tian’i Rota tokoa ilay Andriamanitra nofidiny sy ilay rafozambaviny.

21 Tonga tany Betlehema ihany izy mianaka nony farany. Folo kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Jerosalema izy io. Angamba olona ambonimbony ry Naomy mianakavy tao amin’io tanàna kely io. Naresaka be mantsy hoe nody i Naomy. Nandinika azy ny vehivavy tao an-tanàna ary niteny hoe: “I Naomy ve io?” Niova be izy. Hita tamin’ny endriny sy ny paoziny fa niaritra ny mafy an-taonany maro izy, tany Moaba.—Rota 1:19.

22 Notantarain’i Naomy tamin’ireo havany sy mpiray tanàna taminy fa nangidy ny fiainany. Nolazainy mihitsy aza fa tokony hovana hoe Mara, izany hoe “Mangidy” ny anarany, fa tsy hatao intsony hoe Naomy, izay midika hoe “Mahafinaritra Ahy.” Nampalahelo be izy! Diso hevitra koa izy satria nieritreritra toa an’i Joba hoe i Jehovah no nahatonga azy hijaly.—Rota 1:20, 21; Joba 2:10; 13:24-26.

23. Inona no noeritreretin’i Rota rehefa afaka elaela? Ary nahazo nanao inona ny mahantra, araka ny Lalàna? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

23 Rehefa nipetraka elaela tao Betlehema izy mianaka, dia nieritreritra amin’izay i Rota hoe inona no hiveloman-dry zareo. Fantany fa nisy didy natao hitsinjovana ny mahantra, tao amin’ilay Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita. Nahazo nankeny an-tsaha ny mahantra rehefa fotoam-pijinjana, ka nanaraka ny mpijinja ary naka izay vokatra latsaka sy izay tavela teny amin’ny sisin’ny saha. *Lev. 19:9, 10; Deot. 24:19-21.

24, 25. Inona no nataon’i Rota rehefa tonga teo amin’ny sahan’i Boaza izy, ary nahoana no tsy mora ny asa nataony?

24 Fotoana fijinjana vary orza tamin’izay, izany hoe volana Aprily tany ho any. Nankeny  an-tsaha i Rota ary nijery hoe tanin’iza no azony itsimponana orza. Sendrasendra no nahatongavany teo amin’ny sahan’i Boaza. Lehilahy mpanankarena izy io ary havan’i Elimeleka. Afaka nitsimpona orza avy hatrany i Rota, raha ny Lalàna no jerena. Niera tamin’ilay tovolahy niandraikitra ny mpijinja anefa aloha izy, izay vao niasa.—Rota 1:22–2:3, 7.

25 Alao sary an-tsaina hoe iny i Rota fa manaraka an’ireo mpijinja. Manapaka orza amin’ny antsim-bilona izy ireo, fa i Rota kosa miondrika maka an’izay latsaka na tavela. Atambany ho lasa amboara izay salohy azony, ary angoniny mba hovelezina. Ela be sy mandreraka izany, ary mihamafy rehefa mihantoandro ny andro. Tsy nijanona mihitsy anefa i Rota raha tsy hoe hamafa hatsembohana teo amin’ny handrina na hisakafo kely teo amin’ilay toerana nantsoin’ny mpiasa hoe ‘trano.’ Toa tsy tena trano izy io fa toerana natao hialofana amin’ny masoandro fotsiny.

Vonona hanao asa ambany sy asa mafy i Rota mba hiveloman’izy mianaka

26, 27. Olona hoatran’ny ahoana i Boaza, ary inona no zavatra tsara nataony tamin’i Rota?

26 Nahatsikaritra an’i Rota i Boaza, nefa i Rota tsy nieritreritra na nanantena hoe ho voamarika. Olona tena tia sy nino an’i Jehovah i Boaza. Niarahaba ny mpiasa, ohatra, izy hoe: “Homba anareo anie i Jehovah!” Nataony an’izany daholo na dia mpiasa an-tselika sy vahiny aza. Ary dia izany koa no navalin’izy ireo azy. Nanontany an’ilay tovolahy niandraikitra ny mpijinja i Boaza hoe iza ilay tovovavy tazany. Toy ny ray be fitiavana izy ka mba nihevitra an’i Rota.—Rota 2:4-7.

 27 Nataon’i Boaza hoe “anaka” mantsy i Rota. Nasainy nitsimpona tao amin’ny sahany foana izy, ary tsy hiala eny akaikin’ireo tovovavy mpanompony mba tsy hadalain’ny ankizilahy. Nomen’i Boaza sakafo antoandro foana koa izy, ary noderainy sy nampahereziny.—Vakio ny Rota 2:8, 9, 14.

28, 29. a) Inona no fantatry ny olona momba an’i Rota? b) Araka ny hevitrao, ahoana izany hoe mialoka amin’i Jehovah?

28 Nanontany i Rota hoe nahoana i Boaza no tsara fanahy taminy nefa izy tsy Israelita. Nilaza i Boaza fa henony daholo izay nataon’i Rota tamin’i Naomy. Azo antoka fa notantarain’i Naomy tamin’ireo vehivavy tao Betlehema ny zavatra tsara nataon’i Rota, ka ren’i Boaza izany. Fantatr’i Boaza koa fa lasa nanompo an’i Jehovah i Rota satria hoy i Boaza: “Hamaly soa ny nataonao anie i Jehovah, ary hahazo valisoa tonga lafatra avy amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely anie ianao! Teo ambany elany mantsy ianao no tonga nitady fialofana.”—Rota 2:12.

29 Tsy maintsy ho nampahery an’i Rota izany! Nanapa-kevitra ny hialoka teo ambany elatr’i Jehovah tokoa izy, toy ny voronkely mitampify eo amin’ny reniny. Nisaorany i Boaza satria nanome toky azy, ary nanohy ny asany indray izy mandra-paharivan’ny andro.—Rota 2:13, 17.

30, 31. Inona no ianarantsika avy amin’i Rota?

30 Tena modely ho an’izay rehetra miady mafy amin’ny fiainana i Rota. Nasehony fa nanam-pinoana izy. Tsy nanantena izy hoe tsy maintsy manampy azy ny olona, satria hoe maty vady izy. Nankasitraka an’izay rehetra nomena azy izy. Mafy ny asany sady nitaky fotoana be, nefa nataony mba hikarakarana ny olona tiany, ary tsy nahamenatra azy izany na dia asa ambany aza. Nankasitrahany sy nampihariny koa ny torohevitra azony momba ny asa. Ohatra hoe ahoana no hatao mba tsy hisy hanadala, ary iza no hiarahana rehefa miasa. Tsy vitan’izay fa notadidiny foana hoe i Jehovah Rainy no tena fialofany.

31 Tahafo àry i Rota, ka mazotoa miasa, manetre tena, mahaiza mankasitraka, ary aza avela hiova ny fitiavanao. Ho modely ho an’ny hafa ianao amin’izay. Ahoana anefa no nikarakaran’i Jehovah an’i Rota sy Naomy? Vakio àry ny tohiny.

^ feh. 17 Tsara homarihina fa nampiasa an’ilay anarana hoe Jehovah i Rota fa tsy niteny fotsiny hoe “Andriamanitra”, toy izay mety ho nataon’ny olona tsy Israelita. Milaza ny Baibolin’ny Mpanazava Teny (anglisy) fa hita hoe lasa nivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra i Rota, na dia olona hafa firenena aza.

^ feh. 23 Hafakely io lalàna io ary mbola tsy nahita toy izany mihitsy i Rota. Tsy nisy niraharaha mantsy ny olona maty vady tany amin’ireo firenena nanodidina ny Israely. Hoy ny boky iray: “Voatery niantehitra tamin’ny zanany lahy ny vehivavy maty vady. Raha tsy nanan-janakalahy izy dia tsy maintsy nivarotra ny tenany ho andevo, na nivaro-tena. Mety ho faty mihitsy aza izy.”