Hijery ny anatiny

Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

“Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra”

Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

Olona 1413676 tany amin’ny firenena 31 no nanatrika ny fivoriana faha-129 nataon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 5 sy 6 Oktobra 2013. Ny sasany nanatrika mivantana an’ilay izy tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Jersey City, any Etazonia. Nisy kosa nanaraka an’ilay izy tamin’ny video nampitaina tamin’ny alalan’ny Internet.

I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpanolotra fandaharana. Tsindrin-daona erỳ ny rehetra satria nilaza izy hoe mandritra an’io fivoriana io dia hisy fanontaniana lehibe ara-baiboly hovaliana, hisy fahamarinana hohazavaina kokoa, ary hisy sakafo ara-panahy homena “amin’ny fotoana mety.”—Matio 24:45; Ohabolana 4:18.

“Fampirantiana Manome Voninahitra An’i Jehovah.”

Misy toerana fampirantiana vaovao mitondra ny lohateny hoe “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra” ao amin’ny foibe any Brooklyn, Etazonia, ary nanazava ny mombamomba azy io i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Asongadina ao fa tokony hiseho ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina ny anaran’Andriamanitra. Hita ao ny Baiboly tranainy maro sy dika mitovy amin’ny rakitry ny ela sasany ary pejin’ny Baiboly efa tamin’ny taona 500-1500 tany ho any.

Anisan’ny zavatra miavaka aseho ao ireo pejy maromaro avy amin’ny Baiboly nadikan’i William Tyndale tamin’ny taonjato faha-16. Izy no voalohany nandika ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny anglisy. Misongadina ao koa ilay pejy avy amin’ny Baibolin’i Reina Valera amin’ny teny espaniola, izay navoaka tamin’ny 1602. Hita ao amin’ny andininy rehetra tokony hahitana azy ny anaran’Andriamanitra hoe “Iehova”, ao amin’io Baiboly io. Misy Baiboly hafa koa aseho ao, dia ny Baiboly Lehibe (natao pirinty tamin’ny 1549), ny Baibolin’i Elias Hutter izay ahitana andininy miseho amin’ny fiteny 12 (fanontana 1599, antsoina koa hoe Polyglotte de Nuremberg), ary ny Baibolin’i Genève (natao pirinty tamin’ny 1603). Samy ahitana ny anaran’Andriamanitra ireo Baiboly ireo.

Nanasa ny rehetra ho tonga hijery an’ilay fampirantiana ny Rahalahy Sanderson. Hoy izy: “Mivavaka mafy izahay hoe ... enga anie io fampirantiana io ka hanampy ny olona tso-po ho tia an’ireo zavatra roa tena tiantsika rehetra, dia ny Baiboly Tenin’Andriamanitra, sy ilay anarana hoe Jehovah, na firy taona ilay olona na firy taona, ary na inona na inona fianarana vitany.”

Andinin-teny ho An’ny Taona 2014.

Nampahafantatra ny andinin-teny ho an’ny taona 2014 ny Rahalahy Pierce, rehefa avy namintina ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nalaina tao amin’ny Matio 6:10 ilay izy, manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Azo atao andinin-teny ho an’ny taona foana io ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa tena mety ho an’ity taona ity. Feno 100 taona amin’ity taona 2014 ity mantsy ny niorenan’ilay Fanjakana tany an-danitra.

“Fanomezana Sarobidy avy Amin’i Jehovah.”

Nijery video momba ny tantaran’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny mpanatrika, taorian’izay. Baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary hitan’ny olona sasany hoe anisan’ny fandikan-teny tsara indrindra. Namoaka ny boky voalohany tamin’izy io i Nathan Knorr, tamin’ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra, tamin’ny 1950. Nanoro hevitra ny mpanatrika izy tamin’izay, ary mbola azo ampiharina hatramin’izao ilay izy: Vakio hatramin’ny farany io Baiboly io, ianaro, ary ampio ny olon-kafa hianatra azy io satria hanampy azy ireo hiantso ny anaran’i Jehovah izany.

“Jery Todika ny Lasa.”

I Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao an’io anjara io. Nisy horonan-tsary nalefa tamin’izay, ka efatra tamin’ireo mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia no nadinadinina tao. Samy nahita ny namoahana an’ireo boky enina tamin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao voalohany, teo anelanelan’ny 1950 sy 1960, izy ireo.

Mbola tsaroan’i Eunice Timm ny nampiasana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tany am-pivoriana. Tiany erỳ ireo fomba fanaovana fikarohana tao, anisan’izany ny fanondroana andininy hafa. Nilaza anefa izy hoe nanahirana ny nitondra an’ireo boky enina tany am-pivoriana, ka izay nilainy ihany no nentiny. Nitondra an’ilay Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques fanao am-paosy koa izy, sao nisy andinin-teny hafa tsy nampoiziny novakina tany.

Nisy vokany teo amin’ny lafiny hafa amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah koa ilay Baiboly vaovao. Nitantara, ohatra, i Fred Rusk fa talohan’ny 1950, dia nampiasa teny tranainy be avy amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ireo nisolo tena ny fianakavian’ny Betela rehefa nivavaka. Vao nivoaka kelikely anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, dia tsy nampiasa teny tranainy intsony izy ireo fa nampiasa teny fampiasa andavanandro.

I John Wischuk indray nilaza fa tsy ny hatsaran’ilay Baiboly ihany no nampiaiky azy. Gaga koa izy nahita fa tena nanetry tena ireo anisan’ilay Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao. Hoy izy: “Tsy tian’izy ireo ho fantatr’olona ny anarany, na mbola velona izy na rehefa maty. Tiany hoe i Jehovah no homem-boninahitra.” Hoy koa i Charles Molohan: “Nanampy anay hatoky ny fahamarinana tamin’ny fonay manontolo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sady nanatanjaka ny finoanay, ka lasa afaka nanampy olon-kafa mba hanana finoana matanjaka koa izahay.” Niombon-kevitra taminy daholo ireo telo hafa.

“Miteny Amin’ny Fitenintsika avy, Momba ny Asa Lehibe Nataon’Andriamanitra Izy Ireo.”

(Asan’ny Apostoly 2:11) I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao an’io lahateny io, ary navoaka tamin’io ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy nohavaozina. Nomena Baiboly iray avy ny mpanatrika rehefa nifarana ilay lahateny, ary tsy diso anjara ny ankamaroan’ireo mpanatrika nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny video.

Nilaza ny Rahalahy Jackson fa efa 60 taona mahery izay no lasa hatramin’ny nivoahan’ny boky voalohany tamin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Niova ny teny anglisy tao anatin’izany fotoana izany. Tsy niova kosa ny tanjontsika amin’ny fandikana Baiboly, dia ny handika ny Tenin’Andriamanitra ara-bakiteny raha mbola azo atao, nefa tsy hanova ny heviny.

Vao mainka nampirisika ny handikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny maro ny Filan-kevi-pitantanana, nanomboka tamin’ny 2005. Misy amin’ny fiteny 121 àry izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, raha tamin’ny fiteny 52 izany talohan’izay. Efa natomboka koa izao ny fandikana azy io ho amin’ny fiteny 45 fanampiny. Nanontany ny hevitry ny teny sasany ao ny mpandika teny rehefa nandika an’io Baiboly io. Fanontaniana 52000 mahery no voaray sy novaliana. Hita tamin’ireny fanontaniana ireny hoe tokony hohavaozina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy.

Naka ohatra tao amin’ny 1 Samoela 14:11 ny Rahalahy Jackson. Mety hanana heviny ratsy ilay teny nampiasaina tao mba hilazana fa niseho teo anatrehan’ny tobin’ny Filistinina i Jonatana sy ilay mpitondra ny fiadiany. Novana teny hafa mazava tsara àry ilay izy, ao amin’ilay Baiboly nohavaozina. Nadika ara-bakiteny koa ny Mika 2:6 tao amin’ilay Baiboly taloha, ary izao no vakiny: “Aza avelanareo vahoaka hisy teny ho latsaka. Navelan’izy ireo hilatsaka ny teny.” Novana ho toy izao ilay izy: “‘Aza mitory intsony!’, hoy ny fitorin’izy ireo.”

Nanendry komity iray hiandraikitra ny fanavaozana an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy ny Filan-kevi-pitantanana, dimy taona lasa izay, ary nody ventiny ny rano nantsakaina. Tsara tarehy ilay Baiboly nohavaozina sady mora vakina, ary mateza na dia hampiasaina be aza. Nampahafantarin’ny Rahalahy Jackson fa ho vita tsy ho ela koa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy soratra lehibe sy ilay karazany fanao am-paosy.

“Manazava ny Tenin’ny Fahamarinana Amin’ny Fomba Marina Tsara.”

Nalaina tao amin’ny 2 Timoty 2:15 io loha hevitra io, ary novelabelarin’i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Ilay hoe “manazava ... amin’ny fomba marina tsara” ao amin’io andininy io dia midika ara-bakiteny hoe “manapaka mahitsy.” Mila ampiasaina amin’ny fomba mahitsy, izany hoe amin’ny fomba marina tsara, àry ny “sabatry ny fanahy.” (Efesianina 6:17) Nasehon’ny Rahalahy Lett hoe manampy antsika hahavita an’izany ireo lafiny mampiavaka an’ilay Baiboly vaovao.

  1. Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra”: Eo am-piandohan’ilay Baiboly no ahitana an’io fizarana io, ary misy andinin-teny maro mamaly fanontaniana 20 momba ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.

  2. Fanazavana Fanampiny A: Resahina ao ny mampiavaka an’ilay Baiboly nohavaozina, ohatra hoe ny nanovana ny fomba fanoratra sy ny voambolana ampiasaina. Resahina ao koa ny momba ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra.

  3. Fizarana Fanampiny B: Miloko izy io ary misy fizarana 15. Ahitana sarintany sy kisary ilay izy, ary tena ilaina rehefa mianatra samirery sy mampianatra.

  4. “Topy Maso”: Misy an’io eo am-piandohan’ny boky tsirairay ao amin’ilay Baiboly. Mamintina an’ilay boky izy io, ary manampy ny mpamaky hahita haingana an’izay toko tiany hojerena. Io no solon’ireo lohateny ambony pejy tao amin’ilay Baiboly taloha.

  5. Fanazavana Teny”: Misy famaritana fohy an’ireo teny an-jatony ampiasaina ao amin’ny Baiboly.

  6. “Fanondroana Teny ato Amin’ny Baiboly”: Nanesorana be dia be izy io. Izay teny sy andinin-teny tena fampiasa rehefa mitory sy mampianatra ihany sisa no ao.

  7. Fanondroana andininy hafa: Hita eo afovoan’ny pejy izy io ary nahena koa ny isany. Izay tena ilaina amin’ny fanompoana ihany sisa no eo.

  8. Fanamarihana ambany pejy: Hita ao ny fomba hafa mety ho azo andikana an’ilay teny, na ny dikan-teny ara-bakiteny, na ny fanazavana hafa mifandray amin’ilay andininy.

JW Library.

Nohazavain’i John Ekrann, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, ny momba an’io programa vaovao io, izay azo ampiasaina amin’ny fitaovana elektronika toy ny tablette sy smartphone. Ahafahana mijery ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny anglisy io programa io, sady ahafahana mijery fandikan-tenin’ny Baiboly dimy hafa. Tamin’ny 7 Oktobra 2013 izy io no nivoaka, ary azo alaina maimaim-poana.

“Ahoana no Nandikana ny Tenin’Andriamanitra mba Hampivoaka ny Tena Heviny?”

Nanazava bebe kokoa ny fomba fiasan’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nanaraka ny 1 Korintianina 14:8, 9 izy ireo mba ho azo antoka hoe mora azo ilay Baiboly havoaka. Tsy manao dikan-teny ara-bakiteny izy ireo rehefa hitany hoe mety handiso ny hevitr’ilay teny izany.

Toy izao, ohatra, ny Genesisy 31:20 raha adika ara-bakiteny: “Nangalatra ny fon’i Labana i Jakoba.” Tsy mitovy amin’ilay dikany amin’ny teny anglisy anefa ny hevitr’io fomba fiteny io amin’ny teny hebreo. Nadika toy izao àry ilay izy ao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy nohavaozina: “Nofitahin’i Jakoba i Labana.” Raha adika ara-bakiteny koa ny 1 Korintianina 7:39, dia hoatran’ny te hilaza hoe afaka manambady lehilahy hafa ny vehivavy iray raha “matory” ny vadiny. Nadika hoe “matory ao amin’ny fahafatesana” àry ilay izy, ao amin’ilay Baiboly anglisy nohavaozina, satria torimasom-pahafatesana indraindray no tondroin’ilay teny hoe “torimaso” ao amin’ny Baiboly.

Hoy ny Rahalahy Morris: “Teny fampiasan’ny olon-tsotra andavanandro no nanoratana ny Baiboly, teny fampiasan’ny tantsaha sy ny mpiandry ondry ary ny mpanarato. Raha voadika tsara àry ny Baiboly, dia tokony ho azon’ny olona tso-po rehetra.”

“‘Teny Mahafinaritra’ sy ‘Tenim-pahamarinana Tsy Misy Diso’ no Nampiasaina.”

I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namelabelatra an’io loha hevitra io, izay nalaina tao amin’ny Mpitoriteny 12:10. Nitandrina tsara ireo mpanoratra Baiboly rehefa nanoratra ny hevitr’Andriamanitra. Toy izany koa no nataon’ilay Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao voalohany. Mbola izany ihany no narahina rehefa nohavaozina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Natao izay hanoratana “tenim-pahamarinana tsy misy diso”, ary natao mazava araka izay azo atao ny hafatr’Andriamanitra.

Hoy ny Rahalahy Splane: “Betsaka ny teny anglisy manana heviny maromaro.” Misy hoe “firafitry ny teny mahasalama”, ohatra, ao amin’ny 2 Timoty 1:13 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy taloha. Misy heviny maromaro ilay teny anglisy nadika hoe “firafitra”, anisan’izany ny hoe “sarisary kanto.” Nisy nieritreritra àry hoe ny hakanton’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly no tiana holazaina amin’ilay izy. “Modely natao halain-tahaka” anefa no dikany mifanitsy amin’ilay teny tany am-boalohany. Noho izany, dia nadika hoe “modelin’ny teny mahasoa” izy io, ao amin’ilay Baiboly nohavaozina.

Nilaza ny Rahalahy Splane fa nila novana ny teny sasany satria miova ny hevitry ny teny anglisy. Anisan’izany ilay teny nampiasaina mba hilazana ny fomba namonoana an’i Jesosy, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy taloha. Matetika izy io no midika hoe trobarana amin’ny tsato-kazo marani-doha ny vatan’ilay olona ary atsatoka amin’ny tany ilay hazo avy eo. Tsy notrobarana tamin’ny hazo fijaliana anefa i Jesosy, ka teny hafa midika hoe “nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo” no ampiasaina ao amin’ilay Baiboly nohavaozina.—Matio 27:22, 23, 31.

Hoy ny Rahalahy Splane teo am-pamaranana: “Mivavaka izahay mba ho akaikikaiky kokoa an’i Jehovah foana ianao rehefa mamaky sy mianatra ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Ary enga anie ka ho Rainao sy Andriamanitrao ary Namanao foana izy.”

Teny Famaranana.

Nilaza ny Rahalahy Pierce fa ilay Baiboly nohavaozina dia azo oharina amin’ny sakafo tsara indrindra amin’ilay “fanasambe misy hanim-pito loha” ataon’i Jehovah. (Isaia 25:6) Nasainy avy eo ny mpanatrika mba hanao ny hira faha-114 ao amin’ilay fihirana hoe Mihirà ho An’i Jehovah. Nety tsara izany satria ny lohatenin’io hira io dia hoe: “Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra.”