Hijery ny anatiny

Nampitaina Mivantana Tamin’ny Alalan’ny Internet Ilay Fandaharana

Nampitaina Mivantana Tamin’ny Alalan’ny Internet Ilay Fandaharana

Olona 257294 tany amin’ny firenena 21 no nanatrika ny fivoriana faha-129 nataon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny asabotsy 5 Oktobra 2013. Ny sasany nanatrika mivantana, fa nisy kosa nanaraka an’ilay izy tamin’ny video nampitaina tamin’ny alalan’ny Internet. Naverina nalefa indray ilay video ny ampitson’iny, ka nisy Vavolombelona hafa koa nijery an’ilay izy. Nahatratra 1413676 ny isan’ny mpanatrika tany amin’ny firenena 31, raha atambatra. Iny no fivoriana be mpanatrika indrindra nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay. Mbola betsaka izany raha oharina amin’ny nanatrika an’ilay fandaharana manokana natao tany Meksika sy Amerika Afovoany, izay niisa 1327704, tamin’ny 28 Aprily 2013.

Efa tamin’ny 1920 tany ho any, ny Vavolombelon’i Jehovah no nandefa mivantana ny fivoriamben’izy ireo tamin’ny alalan’ny telefaonina sy radio, ka olona maro eran-tany no afaka nanaraka an’izany. Efa mandroso be izao ny Internet ka na ny olona any amin’ny toerana mitokana aza dia afaka mahita sy mandre izay zava-mitranga eo no ho eo, na tsy ela aorian’izay. Vavolombelon’i Jehovah mipetraka any Etazonia i William. Nisy fivoriambe nalamina tany Richmond, tamin’ny 1942. Afaka nanaraka ny fandaharana izy tamin’izay saingy tamin’ny alalan’ny telefaonina. Hoy izy rehefa nampitaha an’izany tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 2013: “Mandray soa kokoa ianao rehefa hitanao mihitsy ilay fandaharana. Tena mbola tsy nisy hoatran’iny mihitsy hatramin’izay.”

Vavolombelona avy any amin’ny sampana maromaro no niasa mafy mba hanomanana ny fandefasana an’ilay video. Niasa nandritra ny herintaona mahery izy ireo, ary nandany ora an’arivony maro. Tany Brooklyn, any Etazonia, no nandrindrana an’ilay fampitana mivantana. Niasa andro aman’alina ireo teknisianina tany, tamin’ny faran’ny herinandro nandefasana an’ilay video, satria samy hafa ny ora any amin’ireo tany 31. Hoy i Ryan, izay nanampy tamin’ny fanomanana ny fandefasana an’ilay video sady nanara-maso ilay izy: “Zara raha natory izahay nefa tsy nampaninona anay izany, satria fantatray hoe be dia be ny handray soa amin’ilay fandaharana.”

Ireo nanaraka an’ilay fandaharana tany Katherine, Faritany Avaratr’i Aostralia