Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANONTANY NY MPAMAKY

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Tsindry Hazo Lena?

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Tsindry Hazo Lena?

Misy tantaran’olona niharan’ny tsindry hazo lena, na fampahoriana, ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany i Nabota. * I Ahaba no mpanjakan’ny Israely tamin’ny taonjato fahafolo T.K. Navelan’i Ahaba hovonoin’i Jezebela vadiny i Nabota sy ny zanany lahy, mba hakana ny tanimboalobony. (1 Mpanjaka 21:1-16; 2 Mpanjaka 9:26) Nahoana no navelan’Andriamanitra hitranga ny fanamparam-pahefana toy izany?

‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’—Titosy 1:2

Andeha isika hijery antony iray lehibe: Tsy mahay mandainga Andriamanitra. (Titosy 1:2) Inona no ifandraisan’izany amin’ny tsindry hazo lena? Tany am-piandohana Andriamanitra no efa nampitandrina ny olombelona fa ho faty izy ireo raha mikomy aminy. Tanteraka izany satria tsy nisaraka tamin’ny tantaran’ny olombelona ny fahafatesana, hatramin’ilay fikomiana tany Edena. Fampahoriana aza no nahafaty ny olona voalohany, satria novonoin’i Kaina i Abela.—Genesisy 2:16, 17; 4:8.

Izao no amintinan’ny Baiboly ny tantaran’ny olombelona: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” (Mpitoriteny 8:9) Izany tokoa ve no nitranga? Efa nampitandrina ny firenen’Israely i Jehovah hoe hampahory azy ireo ny mpanjakany, ka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy ireo. (1 Samoela 8:11-18) Na i Solomona mpanjaka hendry aza nitaky hetra mihoa-pampana tamin’ny vahoakany. (1 Mpanjaka 11:43; 12:3, 4) Mbola nampahory kokoa ny mpanjaka ratsy fanahy toa an’i Ahaba. Diniho àry izao: Raha nisakana an’izany rehetra izany tsy hitranga Andriamanitra, tsy ho toy ny hoe mpandainga ve izy?

“Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9

Nilaza koa i Satana hoe fitiavan-tena fotsiny no anompoan’ny olona an’Andriamanitra. (Joba 1:9, 10; 2:4) Raha narovan’Andriamanitra daholo ny mpanompony mba tsy hiharan’ny fampahoriana, tsy hanamarina ny tenin’i Satana ve izany? Raha narovany tamin’ny fampahoriana ny olon-drehetra, tsy ho hoatran’ny mitombina indray ve ny lainga iray hafa naelin’i Satana? Maro mantsy amin’izay no hieritreritra hoe afaka mahomby ny olombelona na tsy miantehitra amin’Andriamanitra aza. Ny mifanohitra amin’izany anefa no lazain’ny Baiboly. (Jeremia 10:23) Mila ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Amin’izay vao tsy hisy intsony ny tsy rariny.

Tsy manao na inona na inona àry ve Andriamanitra eo anatrehan’ny fampahoriana? Tsia. Ireto misy zavatra roa ataony: Voalohany, aharihariny ny tena marina momba ny fampahoriana. Resahin’ny Baiboly, ohatra, ny tetika rehetra nampiasain’i Jezebela mba hamelezana an’i Nabota. Resahiny koa hoe avy amin’ny mpitondra mahery, izay te hanafina ny maha izy azy, ireny asa ratsy ireny. (Jaona 14:30; 2 Korintianina 11:14) Aharihariny hoe i Satana Devoly izy io. Milaza amintsika ny tena marina momba ny faharatsiana sy ny fampahoriana sy izay tena mahatonga izany Andriamanitra, mba hanampiana antsika tsy ho lasa ratsy fanahy. Tiany hiaina mandrakizay mantsy isika.

Faharoa, mampanantena Andriamanitra fa tsy hisy intsony ny fampahoriana. Nilaza izy fa hosaziny ny mpanao ratsy rehetra. (Salamo 52:1-5) Afaka matoky an’izany isika satria naharihariny ny faharatsian’i Ahaba sy Jezebela, ary nosaziny izy ireo sy ny olon-kafa nanao toa azy. Mampanantena koa Andriamanitra fa haveriny amin’ny laoniny ny fiainan’ireo niharan’ny tsindry hazo lena. * Ho afaka hiaina ao amin’ny paradisa i Nabota sy ny zanany lahy, ary tsy hisy intsony ny tsy rariny amin’izay.—Salamo 37:34.

^ feh. 3 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”, ato amin’ity gazety ity.

^ feh. 8 Jereo ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.