Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA FEBROARY 2014

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tena Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly?

Mihevitra angamba ianao fa tokony hiavaka amin’ny boky hafa ny Tenin’Andriamanitra. Hoatran’izany mihitsy ny Baiboly. An’arivony tapitrisa amin’izy io no efa natao pirinty amin’ny fiteny an-jatony. Afaka manova olona koa ny torohevitra feno fahendrena raketiny.—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13; 2 Timoty 3:16.

Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly satria marina tsara ny zavatra resahiny momba ny hoavy. Tsy misy olona mahavita an’izany. Diniho, ohatra, ny bokin’i Isaia. Nisy dika mitovy tamin’izy io hita tao amin’ny lava-bato iray tany akaikin’ny Ranomasina Maty. Zato taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no nahavitana azy io. Voalaza ao fa ho lasa tanàna aolo i Babylona. Tanteraka izany taona maro taorian’ny nanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany.—Vakio ny Isaia 13:19, 20; 2 Petera 1:20, 21.

Ahoana no nanoratana ny Baiboly?

Nosoratana nandritra ny 1 600 taona teo ho eo ny Baiboly. Olona 40 teo ho eo no nanoratra azy io, nefa tsy mifanohitra ny zavatra nosoratan’izy ireo fa mifandray amin’ny loha hevitra iray ihany. Ahoana no nahatonga an’izany? Nahazo ny tari-dalan’Andriamanitra izy ireo.—Vakio ny 2 Samoela 23:2.

Nampiasa anjely, na fahitana, na nofy Andriamanitra rehefa niresaka tamin’ireo mpanoratra Baiboly. Matetika koa no ataon’Andriamanitra ao an-tsain’ireo mpanoratra ny heviny, ary izy ireo no avelany hifidy izay fomba hamoahany an’ilay hafatra.—Vakio ny Apokalypsy 1:1; 21:3-5.

Fanampim-panazavana

Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

Nahoana ny Baiboly no afaka manampy anao hiatrika olana? Nahoana no azonao itokisana ny faminaniana ao?