Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaraka ny Tari-dalan’Andriamanitra ve Ianao?

Manaraka ny Tari-dalan’Andriamanitra ve Ianao?

Manaraka ny Tari-dalan’Andriamanitra ve Ianao?

MBOLA tsy nahita zavatra hoatran’izany ny Israelita sy ny Ejipsianina, 3 500 taona lasa izay. Nisy andry rahona nihevaheva, niaraka tamin’ny Israelita, nandritra ny dian’izy ireo niala tany Ejipta. Lasa andry afo kosa ilay izy rehefa alina. Nampitolagaga! Avy aiza io “andry afo sady andry rahona” io? (Eks. 14:24) Inona no anton’izy io? Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba niheveran’ny Israelita azy io?

Hoy ny Eksodosy 13:21, 22: “Nandeha teo alohan’ny vahoaka i Jehovah, ka nitari-dalana azy tao anatin’ny andry rahona nandritra ny andro, sady nanazava azy tao anaty andry afo nandritra ny alina, mba handehanan’izy ireo andro aman’alina.” Avy amin’i Jehovah àry ilay andry afo sady andry rahona, ary nampiasainy mba hitarihana ny vahoakany, rehefa niala tao Ejipta izy ireo ka namakivaky ny tany efitra. Tsy maintsy vonona hanaraka azy io foana izy ireo. Rehefa nanenjika ny Israelita ny tafika ejipsianina ka nadiva hamely azy ireo, dia nifindra teo anelanelan’izy ireo sy ny Ejipsianina ilay rahona, ka voaro izy ireo. (Eks. 14:19, 20) Lavitra ny lalana nitarihan’ilay rahona ny Israelita, nefa tsy maintsy nanaraka azy io ny Israelita raha te ho tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina.

Nanome toky ny Israelita ny fisian’io andry rahona io hoe momba azy ireo i Jehovah. Nidika izy io hoe teo anivon’izy ireo i Jehovah. Tao anatin’ilay andry rahona koa no niresahan’i Jehovah tamin’ny Israelita indraindray. (Nom. 14:14; Sal. 99:7) Tamin’ny alalan’izy io no nanomezany porofo fa i Mosesy no notendreny hitarika ny Israelita. (Eks. 33:9) Mbola tamin’ny alalan’izy io ihany no nanaporofoana fa notendren’i Jehovah handimby an’i Mosesy i Josoa. Tamin’izay izy io no niseho farany. (Deot. 31:14, 15) Tsy maintsy niaiky àry ny Israelita hoe io andry rahona io no nampiasain’Andriamanitra hitarihana azy ireo, raha tian’izy ireo ny ho tody tany amin’ny Tany Nampanantenaina.

Hadinon’izy ireo ny dikan’ilay andry rahona

Talanjona ny Israelita, tamin’izy ireo vao nahita an’ilay andry rahona. Tsy natoky an’i Jehovah anefa izy ireo tatỳ aoriana, na dia nahita an’io zava-mahagaga io foana aza. Imbetsaka izy ireo no tsy nanaraka ny tari-dalany. Tsy natoky koa izy ireo hoe manana hery hamonjena azy ireo i Jehovah, rehefa nanenjika azy ireo ny Ejipsianina. I Mosesy aza nolazain’izy ireo hoe nitondra azy ireo tany an-tany efitra mba ho faty tany. (Eks. 14:10-12) Nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ary Jehovah koa izy ireo, taorian’ny nanafahana azy ireo teo amin’ny Ranomasina Mena. Nilaza izy ireo hoe tsy manan-kohanina sy tsy misy hosotroina. (Eks. 15:22-24; 16:1-3; 17:1-3, 7) Noteren’izy ireo hanao zanak’omby volamena i Arona, herinandro vitsivitsy taorian’izay. Mba eritrereto ange e! Hitan’izy ireo ny andry rahona terỳ amin’ny ilan’ny toby, izay manaporofo hoe teo i Jehovah, ilay nitarika azy ireo avy tany Ejipta. Nanompo sampy tsy manan’aina anefa izy ireo, tsy lavitra teo. Hoy izy ireo: “Io ny Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!” Tena “naniratsira” an’i Jehovah izy ireo!—Eks. 32:4; Neh. 9:18.

Tsy niraharaha ny tari-dalan’i Jehovah ny Israelita, matoa nikomy. Hitan’izy ireo ilay andry rahona, nefa hadinony ny dikan’izy io. Hadinony hoe io no fomba itarihan’i Jehovah azy ireo. “Nampahory an’Ilay Masin’ny Israely” ny nataon’izy ireo. Namindra fo anefa i Jehovah, ka nitari-dalana ny Israelita foana tamin’ny alalan’ilay andry rahona, mandra-pahatongan’izy ireo tany amin’ny Tany Nampanantenaina.—Sal. 78:40-42, 52-54; Neh. 9:19.

Fantaro ny fomba itarihan’Andriamanitra antsika

Omen’i Jehovah tari-dalana mazava tsara koa ny vahoakany ankehitriny. Tsy nasainy nitady samirery ny lalana nankany amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, ka tsy asainy mitady samirery ny lalana hahatongavana ao amin’ny tontolo vaovao koa isika. Nanendry an’i Jesosy Kristy izy mba ho Mpitarika ny fiangonana. (Mat. 23:10; Efes. 5:23) I Jesosy indray nanome fahefana sasany ho an’ny mpanompo mendri-pitokisana, izay tsy iza fa Kristianina tsy mivadika voahosotry ny fanahy. Io mpanompo io kosa no manendry an’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana.—Mat. 24:45-47; Tit. 1:5-9.

Ahoana no hahafantarantsika hoe iza io mpanompo io? Hoy i Jesosy: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina, izay hotendren’ny tompony hikarakara hatrany ny mpanompony hafa rehetra mba hanome sakafo ampy ho azy ireo, amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany, raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany!”—Lioka 12:42, 43.

“Mendri-pitokisana” ilay mpanompo. Midika izany fa tsy mivadika amin’i Jehovah sy Jesosy mihitsy izy io, tsy manary ny vahoakan’Andriamanitra, ary manaraka foana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. “Malina” koa io mpanompo io, ka mandinika tsara alohan’ny hanomezana tari-dalana momba an’ilay asa lehibe ataontsika, dia ny fitoriana ny ‘vaovao tsara’ sy ny ‘fanaovana mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Mat. 24:14; 28:19, 20) Mankatò koa ilay mpanompo, ka mizara sakafo ara-panahy mahasoa “amin’ny fotoana mety.” Hita hoe mankasitraka an’io mpanompo io i Jehovah, matoa mitahy ny vahoakany. Mitombo be, ohatra, izy ireo. Omeny tari-dalana koa izy ireo rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe; ampiany mba hahatakatra kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly; arovany mba tsy ho fongotry ny fahavalo; ary ampiany mba hanana fo tony sy saina milamina.—Isaia 54:17; Fil. 4:7.

Araho ny tari-dalan’Andriamanitra

Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka ny tari-dalan’Andriamanitra isika? Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo.” (Heb. 13:17) Tsy mora izany indraindray. Alao sary an-tsaina hoe Israelita ianao, ary niaina tamin’ny andron’i Mosesy. Eritrereto hoe mijanona ilay andry rahona, rehefa avy nandeha an-tongotra elaela ianareo. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Hafiriana re io no hijanona e? Iray andro, sa herinandro, sa amam-bolana mihitsy? Havoakako daholo àry ve ny entako?’ Izay zavatra tena ilaina ihany no avoakanao amin’ny voalohany. Voatery mikarokaroka ao anaty entana anefa ianao, isaky ny mila zavatra. Leo ianao amin’ny farany, ka manomboka mamaha ny entanao rehetra. Rehefa ho voavaha daholo anefa ny entanao, dia iny fa miainga ilay rahona. Tsy maintsy ahoronao daholo indray ny entana! Tsy mora izany. Na izany aza, dia tsy maintsy ‘miainga avy hatrany’ ianareo.—Nom. 9:17-22.

Ahoana àry no ataontsika rehefa omen’i Jehovah tari-dalana? Mampihatra an’ilay izy “avy hatrany” ve isika, sa izay efa mahazatra antsika ihany no ataontsika? Ampiharintsika ve, ohatra, ireo toromarika farany, anisan’izany ny toromarika momba ny fitarihana fampianarana Baiboly, fitoriana amin’ny olona miteny vahiny, fanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka, fiaraha-miasa amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, ary izay tokony hatao rehefa any amin’ny fivoriambe? Hita koa hoe mankasitraka ny tari-dalan’Andriamanitra isika, rehefa manaiky torohevitra. Tsy tokony hatoky tena isika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, fa hitady tari-dalana amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Hitady fiarovana amin’ny fandaminana isika, rehefa mahita olana eto amin’ity tontolo ity, toy ny ankizy mitady fiarovana amin’ny ray aman-dreniny rehefa misy mampijaly.

Marina fa tsy lavorary ireo mitarika eo anivon’ny fandaminana. Tsy lavorary koa i Mosesy. Teo foana anefa ilay andry rahona nampahatsiahy hoe voatendrin’i Jehovah izy sady nankasitrahany. Tsy ny Israelita tsirairay koa no nanapa-kevitra hoe rahoviana no hiainga. Tsy maintsy nanaraka “ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy” izy ireo. (Nom. 9:23) Azo inoana àry fa i Mosesy no nampahafantatra ny vahoaka rehefa tonga ny fotoana hiaingana.

Toy izany koa no ataon’ny mpanompo mendri-pitokisana, rehefa misy zavatra miova. Ampahafantariny antsika izany fiovana izany amin’ny alalan’ireo lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, ireo boky vaovao, ary ireo lahateny amin’ny fivoriambe. Misy toromarika koa ampitaina amin’ny alalan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany, sy ireo taratasy samihafa, ary amin’ny fiofanana ataon’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana.

Resy lahatra àry ve ianao hoe mampiasa ny fandaminany i Jehovah amin’izao andro farany izao, mba hitari-dalana antsika? Manampy antsika ny tari-dalana avy amin’ny fandaminana mba hiatrehana ny fiainana eto amin’ity tontolo ity, izay toy ny tany efitra mampidi-doza. Miray saina sy mifaneho fitiavana ary voaro isika, vokatr’izany.

Hoy i Josoa rehefa tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita: “Fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra.” (Jos. 23:14) Azo antoka koa fa ho tody soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Ary ianao? Mila manetry tena sy manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra ianao, raha te ho tonga any. Enga anie àry isika rehetra hanaiky ny fomba itarihan’i Jehovah antsika!

[Sary, pejy 5]

Mitari-dalana antsika ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny

Boky mivoaka amin’ny fivoriambe

Sekoly isan-karazany

Fampiofanana amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana