Salamo 99:1-9

  • Mpanjaka masina i Jehovah

    • Eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny kerobima (1)

    • Andriamanitra mamela heloka sy manasazy (8)

99  Lasa Mpanjaka i Jehovah.+ Aoka hangovitra ireo firenena. Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny* kerobima+ izy. Aoka hihovotrovotra ny tany.  2  Tena miavaka i Jehovah ao Ziona,Ary ambony noho ny firenena rehetra izy.+  3  Aoka izy ireo hidera ny anaranao be voninahitra,+Fa mendrika hatahorana sy masina izy io.  4  Mpanjaka mahery izy sady tia rariny.+ Nataonao mafy orina ny fahitsiana. Nampihatra ny rariny sy ny hitsiny+ tamin’i Jakoba ianao.  5  Asandrato i Jehovah Andriamanitsika,+ ary miankohofa* eo amin’ny fitoeran-tongony;+Masina izy.+  6  Anisan’ny mpisorony i Mosesy sy Arona,+Ary anisan’ny niantso ny anarany i Samoela.+ Niantso an’i Jehovah izy ireo,Dia namaly azy ireo izy.+  7  Niresaka tamin’izy ireo tao anatin’ny andry rahona+ izy. Narahin’izy ireo ny fampahatsiahivana sy ny didy nomeny+ azy.  8  Namaly azy ireo ianao, Jehovah Andriamanitray ô!+ Andriamanitra namela ny helok’izy ireo ianao,+Nefa koa nanasazy* azy ireo noho ny ratsy nataony.+  9  Asandrato i Jehovah Andriamanitsika,+Ary miankohofa* eo anoloan’ny tendrombohiny masina,+Fa masina i Jehovah Andriamanitsika.+

Fanamarihana

Na mety hoe “eo anelanelan’ny.”
Na: “manompoa.”
Abt: “namaly.”
Na: “manompoa.”