Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy Anao Hahita Fifaliana ny Baiboly

Manampy Anao Hahita Fifaliana ny Baiboly

Manampy Anao Hahita Fifaliana ny Baiboly

NA FALY ny olona iray na kivy, dia misy vokany eo amin’ny fahasalaman’ny sainy sy ny vatany izany. Miresaka an’izany ny Baiboly, na dia tsy boky momba ny fitsaboana aza. Hoy izy: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.” Izao koa no lazainy: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 17:22; 24:10) Mampihena ny herintsika sy ny herin-tsaintsika ny fahakiviana, ka mahatonga antsika tsy haniry hiova na hitady fanampiana.

Mety hisy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa ny fahakiviana. Rehefa mihevi-tena ho tsy misy ilana azy ny olona, dia matetika izy no mieritreritra fa tsy afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra mihitsy ary tsy hotahiny. Nihevitra, ohatra, i Simone, ilay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa “tsy hankasitraka ny olona toa azy mihitsy Andriamanitra.” Hitantsika ao amin’ny Baiboly anefa, fa tian’Andriamanitra ny olona miezaka hampifaly azy.

Tena miahy anao Andriamanitra

Milaza amintsika ny Baiboly, fa “akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” Tsy manao tsinontsinona “ny fo torotoro sy mangorakoraka” Andriamanitra, fa mampanantena kosa ny “hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.”—Salamo 34:18; 51:17; Isaia 57:15.

Indray mandeha dia hitan’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, fa nila nohazavaina tamin’ny mpianany, hoe mahita ny toetra tsaran’ny mpanompony Andriamanitra. Nanao fanoharana izy, ary noresahiny fa hitan’Andriamanitra ny fody rehefa latsaka amin’ny tany, na dia tsy miraharaha izany aza ny ankamaroan’ny olona. Nasongadiny koa fa fantatr’Andriamanitra ny tsipiriany madinika indrindra momba ny olombelona tsirairay, na dia ny isan’ny volon-dohan’izy ireo aza. Hoy izy teo am-pamaranana ilay fanoharana: “Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” (Matio 10:29-31) * Nohazavain’i Jesosy fa tena sarobidy eo imason’Andriamanitra ny olona manam-pinoana, na manao ahoana na manao ahoana fiheverany ny tenany. Nampahatsiahy mihitsy aza ny apostoly Petera hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Fomba fijery voalanjalanja

Ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra isika, mba hihevi-tena araka ny tokony ho izy. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, rehefa nahazo herin’ny fanahy masin’Andriamanitra: “Noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa naseho tamiko, dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina, araka ny fatram-pinoana nozarain’Andriamanitra taminy avy.”—Romanina 12:3.

Mazava ho azy fa tsy irintsika ny hihevi-tena ho zavatra loatra, ka hanjary hiavonavona. Tsy hihevi-tena ho tsy misy fotony koa anefa isika. Hiezaka kosa isika hahay handanjalanja, ka hitadidy ny toetra tsarantsika sy ny fetran’ny azontsika atao. Hoy ny vehivavy kristianina iray rehefa nanazava izany: “Tsy devoly aho, nefa koa tsy anjely. Manana toetra tsara sy toetra ratsy aho, hoatran’ny olon-drehetra ihany.”

Tsy mora anefa ny mahay mandanjalanja toy izany. Raha efa raiki-tampisaka ao amin’ny olona iray ny fiheveran-tena ho ambany, dia mila miezaka mafy angamba izy vao ho afaka amin’izany. Afaka manova ny toetrantsika sy ny fomba fijerintsika ny fiainana anefa isika, raha ampian’Andriamanitra. Izany indrindra no ampirisihin’ny Teniny, manao hoe: “[Esory] ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny sady mihasimba araka ny faniriany mamitaka, fa mba hohavaozina kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo, ka mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.”—Efesianina 4:22-24.

Afaka manova ny ‘hery mibaiko ny saintsika’ isika, izany hoe ny toe-tsaintsika, mba tsy hijery ny lafy ratsin-javatra foana, fa hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra. Niaiky i Lena, ilay tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa tsy maintsy nesoriny tao an-tsainy aloha ilay eritreritra hoe tsy misy olona tia azy na afaka manampy azy. Taorian’izay izy vao afaka nanova ny toe-tsainy. Inona no torohevitra tsara ao amin’ny Baiboly, nanampy an’i Lena sy Simone ary ny hafa?

Toro lalan’ny Baiboly mampitombo fifaliana

“Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Tena afaka manampy antsika hahita fifaliana ny vavaka. Hoy i Simone: “Mivavaka amin’i Jehovah aho isaky ny kivy, ary mangataka ny fanampiany. Mbola tsy nisy fotoana hoe tsy nanome ahy ny heriny izy, na tsy nitari-dalana ahy.” Rehefa nampirisika antsika hametraka ny entantsika amin’i Jehovah ny mpanao salamo, dia nampahatsiahy fa miahy antsika i Jehovah sady mihevitra antsika tsirairay ho mendrika ny fanampiany. Nalahelo ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny alin’ny Paska taona 33, satria nilaza izy fa kely sisa dia handeha. Nampirisika azy ireo izy tamin’izay mba hivavaka tamin’ny Ray, ary nilaza hoe: “Mangataha dia hahazo ianareo, mba ho feno ny fifalianareo.”—Jaona 16:23, 24.

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Nampianatra i Jesosy fa hahita fifaliana amin’ny fiainana isika raha tia manome. Hieritreritra izay ilain’ny hafa isika fa tsy hifantoka amin’ny tsy fahaizantsika, rehefa mampihatra io torohevitry ny Baiboly io. Mahatsiaro ho misy vidiny kokoa isika, rehefa manampy olona sy mahita azy ireo mankasitraka ny zavatra nataontsika taminy. Miaiky i Lena fa mahasoa azy ny fitoriana tsy tapaka ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Voalohany indrindra, dia mahatsiaro ho sambatra sy afa-po aho, araka ilay noresahin’i Jesosy. Faharoa, dia faly aho satria maro ny olona mandray tsara ny hafatra toriko.” Ho tanteraka amintsika ny Lioka 6:38, raha mahafoy tena hanampy olona isika. Izao no voalaza ao: “Aoka ianareo ho zatra hanome dia mba homena koa ianareo. ... Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo koa.”

“Ratsy avokoa ny andron’ny ory; fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.” (Ohabolana 15:15) Afaka misafidy izay hiheverany ny tenany sy izay hiheverany ny zavatra mahazo azy ny tsirairay. Ho ory isika raha mijery ny lafy ratsin’ny zava-drehetra. Ho ‘ravoravo’ kosa isika, raha mifidy ny hijery ny lafy tsaran-javatra, ka ho falifaly toy ny rehefa manatrika fanasana. Hoy i Simone: “Miezaka mijery ny lafy tsaran-javatra foana aho, raha mbola azo atao. Mazoto mianatra Baiboly samirery sy mitory foana aho, ary maharitra mivavaka. Miezaka miaraka amin’olona mijery ny lafy tsaran-javatra foana koa aho, ary miezaka manampy ny hafa.” Miteraka fifaliana izany toe-po izany, satria mampirisika ny Baiboly hoe: “Mifalia amin’i Jehovah, ary ravoravoa, hianareo olo-marina; ary mihobia, hianareo mahitsy fo rehetra.”—Salamo 32:11.

“Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17) Tsara ny mamboraka ny mahazo antsika amin’ny namana iray, na amin’olona atokisantsika sy afaka hanoro hevitra antsika. Hanampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika izany ary hahatonga antsika tsy hihevi-tena ho tsy misy vidiny, dieny mbola tsy kivy tanteraka isika. Mety hanampy antsika hanana fomba fijery voalanjalanja koa izany, ary hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra. Miaiky i Simone hoe: “Tena manampy anao ny miresaka. Mila resahinao amin’ny olona iray ny fihetseham-ponao. Ny firesahana an’ilay izy fotsiny matetika dia efa manamaivana.” Ho tsapanao amin’izay, fa marina izao voalazan’ny ohabolana izao: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.”—Ohabolana 12:25.

Inona no azonao atao?

Nandinika toro lalana mahasoa vitsivitsy ao amin’ny Baiboly isika teo, izay hanampy antsika tsy hihevi-tena ho tsy misy vidiny, fa hahita fifaliana. Mbola misy toro lalana maro azo ampiharina anefa ao amin’ny Baiboly. Raha toa ianao ka anisan’ny olona mihevi-tena ho tsy misy vidiny, dia mampirisika anao izahay mba hianatra bebe kokoa ny Baiboly. Miezaha hihevi-tena araka ny tokony ho izy, ary tadidio fa sarobidy amin’Andriamanitra ianao. Manantena izahay fa hahita fifaliana ianao amin’ny zavatra rehetra ataonao, rehefa tarihin’ny Tenin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Hazavaina amin’ny an-tsipiriany io andinin-teny io ao amin’ny pejy 22 sy 23.

[Sary, pejy 7]

Hahita fifaliana ianao raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly