Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy Foana ve ny Tezitra?

Ratsy Foana ve ny Tezitra?

Ratsy Foana ve ny Tezitra?

IZAO no voalazan’ny Baiboly, ao amin’ny Mpitoriteny 7:9: “Ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” Asehon’io andinin-teny io fa tsy tokony ho mora misafoaka isika, fa hamela heloka, rehefa misy mampahatezitra antsika.

Te hilaza ve anefa io andinin-teny io fa tsy tokony ho tezitra mihitsy isika, na inona na inona mitranga ary na inona na inona ataon’ny olona amintsika? Tsy tokony handray fepetra ve isika, raha tena ratsy ny nataon’ilay olona, na ataony foana ilay izy? Tsy hiraharaha an’ilay izy fotsiny ve isika? Ary ahoana raha isika no nilaza na nanao zavatra nampahatezitra olona? Tokony havela amin’izao fotsiny ve izany, satria hoe tokony hamela heloka izy? Tena tsy mety izany.

I Jehovah Andriamanitra no modely tsara indrindra raha ny amin’ny fitiavana, famindram-po, famelan-keloka, ary fahari-po. Milaza anefa ny Baiboly fa imbetsaka izy no tezitra. Nosaziny ireo nanao fahotana lehibe. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

Fahotana nampahatezitra an’i Jehovah

Resahina ao amin’ny 1 Mpanjaka 15:30 ny fahotan’i Jeroboama, izay “nampanotany ny Isiraely tamin’izay nataony [ka] nampahatezitra an’i Jehovah.” Voalaza ao amin’ny 2 Tantara 28:25 koa fa nanao “fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamani-kafa” i Ahaza, mpanjakan’i Joda, “ka dia nahatezitra an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany.” Misy ohatra hafa ao amin’ny Mpitsara 2:11-14, manao hoe: “Nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, fa nanompo ireo Bala ... ka nampahatezitra an’i Jehovah. ... Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ny mpamabo ... izy.”

Nisy zavatra hafa koa nampahatezitra an’i Jehovah, ka tsy maintsy nandray fepetra hentitra izy. Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Eksodosy 22:17-19: “Aza velomina ny vehivavy manana ody. Izay rehetra mandry amin’ny biby dia hatao maty tokoa. Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’i Jehovah ihany, dia ho voaozona.”

Tsy hoe navelan’i Jehovah foana ny heloka lehibe nataon’ny Israely fahiny, rehefa nampahatezitra lava azy izy ireo. Navelan’i Jehovah ho ringana izy ireo, rehefa tsy tena nibebaka sady tsy niova. Nitranga izany tamin’ny 607 T.K., rehefa resin’ny Babylonianina ilay firenena manontolo, ary tatỳ aoriana rehefa notafihin’ny Romanina izy ireo tamin’ny taona 70 A.K.

Mampahatezitra an’i Jehovah tokoa ny zavatra ratsy ataon’ny olona sy lazainy. Haringany mihitsy aza izay manao fahotana lehibe, rehefa tsy mety mibebaka. Diso ve anefa izy, raha ny Mpitoriteny 7:9 no jerena? Tsy izany mihitsy. Rariny raha tezitra izy rehefa misy manao fahotana lehibe, ary tsy misy hokianina ny didim-pitsarany. Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.”—Deoteronomia 32:4.

Heloka lehibe

Nisy sazy mafy nampiharina tamin’izay nanisy ratsy olona, fony mbola nihatra ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely fahiny. Raha nisy mpangalatra namaky trano, ohatra, tamin’ny alina, ka tratran’ny tompon-trano ary matiny, dia tsy nivesatra trosan-dra ilay tompon-trano. Tsy nanan-tsiny izy, satria niaro tena tamin’ny mpanao heloka bevava. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-dra amin’izany.”—Eksodosy 22:1.

Raha nisy nametaveta ny vehivavy iray, dia rariny raha tezitra mafy tamin’ilay nahavita izany izy, satria fahotana lehibe izany amin’Andriamanitra. Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa tsy maintsy novonoina ho faty ny lehilahy nametaveta vehivavy, satria “tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy” izy. (Deoteronomia 22:25, 26) Marina fa tsy mihatra amintsika intsony io Lalàna io. Hitantsika avy amin’izany anefa fa tena maharikoriko an’i Jehovah ny fametavetana.

Heloka lehibe koa izany amin’izao andro izao, ary tena mafy ny sazy mihatra amin’izay tratra manao izany. Raha misy olona novetavetaina, dia manana zo hitory any amin’ny polisy izy. Ho afaka hanasazy an’ilay mpanao ratsy ny manam-pahefana amin’izay. Ary raha zaza tsy ampy taona kosa no novetavetaina, dia afaka mitory ny ray aman-dreniny.

Fahadisoana madinidinika

Tsy ny heloka rehetra anefa no ilaina hanaovana tatitra any amin’ny manam-pahefana. Tsy tokony ho mora tohina loatra àry isika amin’ny fahadisoana kely ataon’ny olona amintsika, fa tokony hamela heloka. Impiry isika no tokony hamela heloka? Nanontany an’i Jesosy ny apostoly Petera hoe: “Tompoko, raha manota amiko impiry ny rahalahiko no havelako ny helony? Hatramin’ny impito ve?” Namaly i Jesosy hoe: “Tsy hilaza aminao aho hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.”—Matio 18:21, 22.

Mila manatsara foana ny toetrantsika anefa isika, mba tsy hampahatezitra loatra ny olona. Ahoana, ohatra, no fomba ifandraisantsika amin’izy ireo? Mivantambantana sy tsy mahalala fomba ary manafintohina ve isika indraindray? Mampahatezitra izany. Tsy isika indray àry no handeha hanome tsiny an’ilay olona raha tezitra izy, na koa hieritreritra fa tokony hamela antsika izy. Mila miaiky isika fa nampahatezitra azy ny nataontsika. Tena ilaina ny mifehy ny tenantsika sy ny vavantsika mba tsy hampahatezitra olona. Tsy hanafintohina olona matetika loatra isika amin’izay. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18) Tena manatsara zavatra ny fialan-tsiny, rehefa mampahatezitra olona isika, na dia tsy fanahy iniana aza.

Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa tokony “hiezaka hitady izay mampisy fihavanana sy izay ifampaherezana” isika. (Romanina 14:19) Ho tanteraka ity ohabolana ity, raha tsara fanahy isika sady mihevitra izay holazaintsika sy hataontsika: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11) Tena hahafinaritra ny olona tokoa izany! Na ny olona tsy azo ifanarahana aza dia mety hiova, raha feno halemem-panahy sy voahevitra tsara ny tenintsika. “Ny vava malefaka [mantsy] mahatapa-taolana.”—Ohabolana 25:15.

Manoro hevitra antsika àry ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kolosianina 4:6) Ny hoe “mamy sira” dia midika hoe atao mahafinaritra ny teny lazaina, mba tsy hampahatezitra olona. Miezaka ny Kristianina mba hampifanaraka ny ataony sy ny teniny amin’ilay torohevitry ny Baiboly hoe: ‘Aoka ianareo hitady fihavanana sy hitandro azy io.’—1 Petera 3:11.

Ny tiana holazaina ao amin’ny Mpitoriteny 7:9 àry, dia hoe tsy tokony ho tezitra isika rehefa misy manao fahadisoana madinidinika. Mety ho vokatry ny tsy fahalavorariana ireny, na mety ho fanahy iniana koa aza, nefa tsy fahotana lehibe. Rehefa misy manao heloka lehibe kosa anefa, dia rariny raha tezitra sy mandray fepetra ilay olona iharan’izany.—Matio 18:15-17.

[Sary, pejy 14]

Navelan’i Jehovah horinganin’ny Romanina tamin’ny taona 70 ireo Israelita tsy nety nibebaka

[Sary, pejy 15]

“Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena”