Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Marina Momba ny Hoavy

Ny Marina Momba ny Hoavy

Efa nieritreritra ve ianao hoe hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy? Milaza ny Baiboly fa tsy ho ela dia hisy fiovana lehibe eto an-tany, ary hisy vokany amin’ny olona rehetra izany.

Natoron’i Jesosy antsika hoe ahoana no ‘amantarana fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 21:31) Anisan’ny noresahiny ny ady, horohoron-tany lehibe, mosary, ary areti-mandringana. Tsy izany ve no hitantsika amin’izao?​—Lioka 21:10-17.

Resahin’ny Baiboly fa miaina amin’ny “andro farany” isika, izany hoe efa kely sisa dia horinganina ny fitondram-panjakan’olombelona. Hita ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 fa ho ratsy toetra sy ho ratsy fitondran-tena ny olona amin’ny andro farany. Rehefa mamaky an’ireo andininy ireo ianao, tsy hitanao ve hoe hoatr’izany mihitsy ny olona amin’izao?

Hita avy amin’izany fa tsy ho ela dia hanao zavatra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka ho tsara be ny fiainana eto an-tany. (Lioka 21:36) Mampanantena zavatra tsara ho an’ny olombelona Andriamanitra. Inona ny sasany amin’izany?

FITONDRANA TENA TSARA

“Ary nomena fitondrana sy voninahitra ary fanjakana [i Jesosy], ka tokony hanompo azy daholo ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandrakizay fa tsy handalo fotsiny, ary ny fanjakany tsy ho rava.”​DANIELA 7:14.

Inona no dikan’izany? Fitondrana iray naorin’Andriamanitra no hitondra ny tany manontolo, ary ny Zanany no ho Mpanjakan’izy io. Ho tsara be ny fiainana amin’izay.

HO SALAMA DAHOLO NY OLONA

“Tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho.’”​ISAIA 33:24.

Inona no dikan’izany? Tsy harary mihitsy ianao sady tsy hanana kilema. Ho afaka hiaina mandrakizay koa ianao.

HIADANA NY OLONA

“Ataony tsy misy ady intsony eran-tany.”​SALAMO 46:9.

Inona no dikan’izany? Tsy hisy intsony ny ady sy ny fijaliana vokatry ny ady.

HO FENO OLO-MARINA NY TANY

“Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy ... Ny mpandefitra kosa no handova ny tany.”​SALAMO 37:10, 11.

Inona no dikan’izany? Tsy hisy intsony ny olon-dratsy, fa olona vonona hankatò an’Andriamanitra sisa no hiaina eto tany.

HO PARADISA NY TANY MANONTOLO

“Hanao trano ny olona ka hipetraka ao, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin’izany.”​ISAIA 65:21, 22.

Inona no dikan’izany? Ho tsara tarehy ny tany manontolo. Hotanterahin’Andriamanitra ilay angatahintsika amin’ny vavaka hoe: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”​—Matio 6:10.