Milaza ny Marina Foana ny Baiboly
Olona maro hatramin’izay no mino fa tena milaza ny marina ny Baiboly. An-tapitrisany koa izao no mampihatra an’izay voalaza ao. Mihevitra anefa ny olona sasany hoe tsy ilaina ny Baiboly na hoe angano fotsiny no ao. Ary ianao? Mino ve ianao hoe milaza ny marina ny Baiboly?
NAHOANA IANAO NO AFAKA MATOKY NY BAIBOLY?
Ahoana no hahitana fa tena azo itokisana ny Baiboly? Azo inoana fa hatoky ny namanao ianao, raha nilaza ny marina foana izy hatramin’izay. Hoatr’izany koa ny Baiboly. Nilaza ny marina foana izy io. Ireto misy porofo:
Nilaza ny marina ny mpanoratra azy
Nilaza ny marina ny mpanoratra ny Baiboly. Noresahiny na dia ny zavatra tsy nety nataony aza. Notantarain’i Jona mpaminany, ohatra, ilay izy tsy nankatò an’Andriamanitra. (Jona 1:1-3) Rehefa namarana ny bokiny aza izy, dia ny fomba nanitsian’Andriamanitra azy no noresahiny, fa tsy ny fomba nanitsiany ny tenany. Tsy tiany hifantoka amin’ny zavatra tsara vitany mantsy ny hafa. (Jona 4:1, 4, 10, 11) Hita hoe zava-dehibe tamin’ireo mpanoratra Baiboly ny milaza ny marina.
Azo ampiharina ny torohevitra ao anatiny
Manome torohevitra azo ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro ny Baiboly. Izao, ohatra, no lazainy mba hanampiana antsika hifandray tsara amin’ny hafa foana: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Hoy koa izy io: “Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny henjana kosa vao mainka mampahatezitra.” (Ohabolana 15:1) Hita hoe mbola azo ampiharina hatramin’izao ny torohevitry ny Baiboly.
Mifanaraka amin’ny tantara ny zavatra lazainy
Miresaka momba ny olona, toerana, na zava-nitranga sasany ny Baiboly. Voaporofo fa tena nisy izy ireny, rehefa jerena ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Eritrereto, ohatra, ity tsipiriany iray ity. Resahin’ny Baiboly fa nisy olona avy any Tyro nipetraka tany Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia, ary “nitondra trondro sy entana isan-karazany” izy ireo.—Nehemia 13:16.
Nanamarina an’izany ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Nahita entam-barotra avy any Tyro, ohatra, izy ireo tany Israely. Hita àry hoe nanao raharaham-barotra tamin’ny mponina tany Israely ny mponina tany Tyro. Nahitana taolana trondro avy tao amin’ny Ranomasina Mediterane koa tany Jerosalema. Mino ny mpikaroka fa trondro nentin’ny mpivarotra avy lavitra izy ireny. Rehefa nandinika an’ireo porofo ireo ny manam-pahaizana iray dia niaiky toy izao: ‘Tena marina ilay resahina ao amin’ny Nehemia 13:16 hoe nivarotra trondro tao Jerosalema ny olona avy any Tyro.’
Mifanaraka amin’ny siansa ny zavatra lazainy
Tsy boky momba ny siansa ny Baiboly. Ny zava-nitranga fahiny sy ny fivavahana amin’Andriamanitra no tena resahiny. Mifanaraka amin’ny siansa anefa izay resahin’ny Baiboly momba ny zavaboary. Diniho ity ohatra ity.
Nilaza ny Baiboly, tokony ho 3 500 taona lasa izay, fa mihantona “eo amin’ny tsy misy” ny tany. (Joba 26:7) Ny olona fahiny anefa nino hoe mitsingevana eo ambony rano ny tany, na mipetraka eo ambony sokatra goavam-be. Na 1 100 taona teo ho eo taorian’ny nanoratana ny bokin’i Joba aza, dia mbola nieritreritra ihany ny olona hoe tsy afaka ny hihevaheva eny amin’ny habakabaka ny tany. Tsy maintsy misy zavatra ipetrahany, hono, izy io. Tamin’ny 1687 vao hita hoe marina ny zavatra nolazain’ny Baiboly. Nanazava ilay mpahay siansa atao hoe Isaac Newton fa mihevaheva eny amin’ny habakabaka ny tany, noho ny hery misinton’ny tany sy ny hery mahatonga azy hihodidina amin’ny masoandro. Efa 3 000 taona mahery talohan’izay anefa ny Baiboly no nilaza fa mihantona eo amin’ny tsy misy ny tany!
Tanteraka ny faminaniana resahiny
Tanteraka amin’ny an-tsipiriany ny faminanian’ny Baiboly. Mba hanaporofoana an’izany, dia andao isika hijery ny faminanian’i Isaia momba ny nandravana an’i Babylona.
Faminaniana: Tamin’ny taona 732 T.K. tany ho any no voasoratra ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Isaia. Voalaza ao fa hisy hanafika i Babylona, ho resy, ary tsy hisy mponina intsony. (Isaia 13:17-20) Hoatran’ny tsy mampino izany. Tsy ela taorian’ny nanoratan’i Isaia an’io mantsy i Babylona no lasa renivohitry ny firenena matanjaka iray. Nolazain’i Isaia koa hoe Kyrosy no anaran’ilay mpitari-tafika handresy an’i Babylona. Noresahiny hoe hataon’i Kyrosy “ritra” ny renirano mba hahafahany hanafika an’ilay tanàna, ary tsy hihidy ny vavahady.—Isaia 44:27–45:1.
Ahoana no nahatanterahan’izy io? Nanafika an’i Babylona ny mpanjaka persianina atao hoe Kyrosy, 200 taona teo ho eo taorian’ny nanoratan’i Isaia an’ilay faminaniana. Voaro tsara ny tanànan’i Babylona, satria avo be ny mandany. Nanodidina azy io koa ny Reniranon’i Eofrata. Nasain’i Kyrosy nangady tatatra àry ny miaramilany, mba hivily tany anaty honahona ilay renirano. Niharìtra ilay renirano, ka afaka niampita azy io ny miaramilany. Nahagaga fa navelan’ny Babylonianina hisokatra ny vavahady nanamorona an’ilay renirano! Afaka niditra àry ny tafik’i Kyrosy, ka nandresy an’ilay tanàna.
Ary ahoana indray ilay hoe tsy hisy mponina intsony i Babylona? Mbola nisy nipetraka foana tany, nandritra ny taonjato maro taorian’ilay fanafihana. Tsy misy mipetraka intsony anefa izao any amin’ilay toerana (any akaikin’i Bagdad any Irak). Tanteraka tokoa ilay faminaniana. Tena azo itokisana àry izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy.