Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toetra Sarobidy Noho ny Diamondra

Toetra Sarobidy Noho ny Diamondra

Vatosoa sarobidy amin’ny olona ny diamondra. An-tapitrisany dolara mihitsy aza ny vidin’ny sasany. Misy zavatra sarobidy amin’Andriamanitra mihoatra noho ny diamondra sy ny vatosoa hafa anefa. Inona izany?

Mpitory tsy vita batisa i Haykanush sy ny vadiny, ary any Armenia izy ireo no mipetraka. Nahita pasipaoro teny akaikin’ny tranony i Haykanush indray mandeha, ary noresahiny tamin’ny vadiny izany. Nisy vola be sy karatra fandoavam-bola niaraka tamin’ilay izy.

Tsy nanam-bola izy mivady tamin’izay sady tokony handoa trosa. Nateriny tany amin’ilay adiresy tao amin’ilay pasipaoro anefa ilay zavatra hitany. Gaga be ilay lehilahy tompon’ilay izy sy ny fianakaviany. Nohazavain-dry Haykanush tamin’izy ireo hoe manao ny marina izy ireo satria izany no nianarany tao amin’ny Baiboly. Nanararaotra niresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy mivady, sady nanome boky ho an’izy mianakavy kely.

Nanome vola an’i Haykanush izy mianakavy satria te hamaly soa azy. Tsy nety nandray anefa izy. Nankany an-tranon’izy mivady ny vadin’ilay lehilahy, ny ampitson’iny. Nomeny peratra misy diamondra i Haykanush mba ho fankasitrahan-dry zareo azy. Tsy nanaiky izy raha tsy nandray an’ilay izy i Haykanush.

Maro no ho gaga raha maheno hoe nahavita nanao ny marina ry Haykanush. Ary i Jehovah? Ahoana no fiheverany ny zavatra nataon’izy ireo? Matiantoka ve izy ireo satria nanao ny marina?

TOETRA SAROBIDY NOHO NY HARENA

Tsy sarotra ny valin’ireo. Nahoana? Satria fantatry ny Kristianina fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny manahaka ny toetrany. Mbola sarobidy noho ny diamondra na ny volamena na zavatra hafa izany aminy. Hafa mihitsy ny zavatra sarobidy aminy, fa tsy mitovy amin’izay heverin’ny ankamaroan’ny olona ho sarobidy. (Isaia 55:8, 9) Eken’ny mpanompony koa fa tsy misy hoatran’ny hoe mahavita manahaka ny toetran’i Jehovah.

Milaza, ohatra, ny Ohabolana 3:13-15 hoe: “Sambatra ny olona mahita fahendrena, sy ny olona manana fahaiza-manavaka, fa ny tombony azo aminy dia tsara noho ny volafotsy, ary ny vokatra azo aminy dia tsara noho ny volamena. Sarobidy noho ny haran-dranomasina izy, ary tsy misy afaka mifampitaha aminy izay rehetra mahafinaritra anao.” Midika izany fa sarobidy amin’i Jehovah mihoatra noho ny harena ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka.

Ary ahoana ilay hoe manao ny marina?

Manao ny marina i Jehovah. “Tsy mahay mandainga” izy. (Tit. 1:2) Nasainy nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly hoe: “Mivavaha foana ho anay. Matoky mantsy izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.”​—Heb. 13:18.

Nilaza ny marina foana koa i Jesosy ka modely. Niteny taminy, ohatra, i Kaiafa Mpisoronabe hoe: “Mampianiana anao amin’Andriamanitra velona aho hilaza aminay raha ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra!” Notsorin’i Jesosy hoe izy no Mesia. Efa fantany anefa fa raha miteny an’izany izy, dia mety hampangain’ny Fitsarana Avo Jiosy ho manevateva an’Andriamanitra ary avy eo hovonoiny.​—Mat. 26:63-67.

Ary isika? Hanao ny marina foana ve isika, na dia fantatsika aza fa hahazo tombony isika raha tsy milaza ny marina rehetra na ovantsika kely ilay izy?

NAHOANA NO SAROTRA ILAY IZY?

Sarotra ny manao ny marina amin’izao andro farany izao, satria maro ny olona tia tena sy tia vola. (2 Tim. 3:2) Lasa tsy manao ny marina ny olona rehefa misy olana ara-toe-karena sy rehefa tsy mahita asa. Maro àry no mihevitra fa tsy mampaninona ny hoe fetsifetsy, na mangalatra, na manao zava-dratsy hafa. Be dia be no mieritreritra fa tsy ho vita izany hoe hanao ny marina izany raha te hahazo tombony. Nisy mihitsy aza Kristianina tsy nahay nanapa-kevitra, satria te hahazo ‘tombony amin’ny tsy marina.’ Lasa ratsy laza teo amin’ny fiangonana izy ireny.​—1 Tim. 3:8; Tit. 1:7.

Manahaka an’i Jesosy anefa ny ankamaroan’ny Kristianina. Tsy misy harena na zavatra hafa sarobidy aminy mihoatra noho ny hoe manahaka ny toetran’i Jehovah. Tsy mifraody àry ny tanora kristianina, na dia te hahazo naoty tsara aza. (Ohab. 20:23) Marina fa tsy voatery hahazo valisoa hoatran’i Haykanush foana isika raha manao ny marina. Mampifaly an’i Jehovah anefa isika raha manao an’izany, sady hadio ny eritreritsika. Misy valisoa tsara lavitra noho izany ve?

Manaporofo an’izany ny tantaran’i Gagik. Hoy izy: “Tale tao amin’ny orinasa lehibe iray aho tamin’izaho mbola tsy Kristianina. Tsy te handoa hetra ny tompon’ilay izy, dia ampahany kely tamin’ny tombony azony ihany no nanaovany tatitra. Nasaina ‘nifanaraka’ tamin’ny mpitaky hetra aho dia nanome azy tsolotra, amin’izay tsy raharahainy ny hosoka nataonay. Lasa nalaza ratsy aho. Tsy nety nanao an’izany intsony aho rehefa nianatra ny fahamarinana, na dia tsara karama aza ilay asa. Naleoko nanao asa tena. Nosoratako ho ara-dalàna ny orinasako tamin’izaho vao nanokatra an’ilay izy, sady naloako daholo ny hetra.”​—2 Kor. 8:21.

Hoy ihany i Gagik: “Efa ho ny antsasaky ny karamako taloha sisa ny vola azoko, dia tsy mora tamiko ny namelona ny vady aman-janako. Sambatra kokoa anefa aho, satria madio eo imason’i Jehovah ny eritreritro. Modely ho an’ny zanako roa lahy koa aho, sady lasa nahafeno fepetra hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Lasa fantatry ny mpiasan’ny birao fandoavan-ketra sy ny olona mifampiraharaha amiko hoe manao ny marina foana aho.”

TENA MANAMPY I JEHOVAH

Tian’i Jehovah ny olona manahaka ny toetrany, anisan’izany ny hoe manao ny marina. Mandravaka ny fampianarany izany. (Tit. 2:10) Nanome toky izy fa hanampy antsika. Nasainy nanoratra toy izao i Davida Mpanjaka: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.”​—Sal. 37:25.

Manaporofo an’izany ny tantaran’i Rota. Tsy nivadika mihitsy izy. Tsy nandao an’i Naomy rafozany izy, na dia efa antitra aza izy io. Nifindra tany Israely izy, ka nanompo an’ilay tena Andriamanitra. (Rota 1:16, 17) Nanao ny marina izy sady niasa mafy nitsimpona salohim-bary. Milaza mantsy ny Lalàna fa afaka nanao an’izany izy. Tsy nahafoy an’i Rota sy Naomy i Jehovah, ary tsy nahafoy an’i Davida koa tatỳ aoriana. (Rota 2:2-18) Nofidin’i Jehovah mba ho razamben’i Davida Mpanjaka koa i Rota, ary nataony razamben’ny Mesia mihitsy aza.​—Rota 4:13-17; Mat. 1:5, 16.

Sarotra be amin’ny mpanompon’i Jehovah sasany indraindray ny mahazo vola ampy mba hahazoana an’izay tena ilainy. Miasa mafy sy mazoto anefa izy ireo, fa tsy mitady fomba tsotsotra hahazoana vola amin’ny tsy marina. Hita amin’izany hoe sarobidy amin’izy ireo mihoatra noho ny vola sy harena ny toetra tsara, anisan’izany ny fanaovana ny marina.​—Ohab. 12:24; Efes. 4:28.

Manahaka an’i Rota ny mpanompon’i Jehovah eran-tany, ka asehony fa mino izy ireo hoe afaka manampy azy i Jehovah. Matoky tanteraka izy ireo fa hanatanteraka an’ity fampanantenany ity i Jehovah: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” (Heb. 13:5) Afaka manampy ny olona manao ny marina foana i Jehovah rehefa sahirana izy ireo. Efa imbetsaka izy no nanao an’izany ary mbola hanao an’izany foana. Mitana ny teniny izy ka manome an’izay tena ilain’ny mpanompony.​—Mat. 6:33.

Tena faly ny olona raha manana diamondra sy zava-tsarobidy hafa. Ilay Raintsika any an-danitra kosa tena faly rehefa manao ny marina isika na miezaka hanahaka ny toetrany. Sarobidy noho ny vatosoa izany aminy!

Raha manao ny marina isika, dia hadio ny eritreritsika sady ho sahy hitory isika