Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 45

Aza Avela Hiova Mihitsy ny Fitiavanao ny Mpiara-manompo!

Aza Avela Hiova Mihitsy ny Fitiavanao ny Mpiara-manompo!

“Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana [na fitiavana tsy miovaova], sy hifaneho famindram-po.”​—ZAK. 7:9.

HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

HO HITANAO ATO *

1-2. Nahoana no tsy tokony hiovaova ny fitiavantsika ny mpiara-manompo?

 MANANA antony tsara hanehoana fitiavana tsy miovaova isika. Inona avy izany? Mariho ange ny lazain’ny ohabolana ao amin’ny Baiboly e! Voalaza ao fa “hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny olona” izay maneho an’io toetra io. Resahina ao koa hoe “manao soa amin’ny tenany” ny olona hoatr’izany, ary “hahazo fiainana.” *Ohab. 3:3, 4; 11:17; 21:21.

2 Miresaka antony telo mandrisika antsika hampiseho fitiavana tsy miovaova ireo ohabolana ireo. Voalohany, lasa sarobidy amin’Andriamanitra isika rehefa maneho an’io toetra io. Faharoa, mahasoa antsika izany. Lasa mifandray tsara amin’ny namantsika foana, ohatra, isika. Ary fahatelo, manampy antsika hahazo fitahiana izany amin’ny hoavy, anisan’izany ny fiainana mandrakizay. Rehefa dinihina ireo antony ireo, dia hita hoe tena tokony hankatò an’ity tenin’i Jehovah ity isika: “Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy hifaneho famindram-po.”​—Zak. 7:9.

3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Iza no tokony hampisehoantsika fitiavana tsy miovaova? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny bokin’i Rota momba an’io toetra io? Ahoana no azontsika ampisehoana hoe tsy miovaova ny fitiavantsika ny mpiara-manompo? Inona no soa ho azontsika avy amin’izany? Hamaly an’ireo isika ato.

IZA NO TOKONY HAMPISEHOANTSIKA FITIAVANA TSY MIOVAOVA?

4. Ahoana no azontsika ampisehoana fitiavana tsy miovaova hoatran’ny ataon’i Jehovah? (Marka 10:29, 30)

4 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa izay tia sy manompo an’i Jehovah ihany no anehoany fitiavana tsy miovaova, izany hoe mifikitra sy miraiki-po amin’izy ireo foana izy. (Dan. 9:4) Tokony ‘hanahaka an’Andriamanitra isika, amin’ny maha zanaka malala antsika.’ (Efes. 5:1) Izany no mahatonga antsika ho te hampiseho fitiavana tsy miovaova amin’ny mpiara-manompo, izany hoe hifikitra sy hiraiki-po amin-dry zareo foana.​—Vakio ny Marka 10:29, 30.

5-6. Mitovy ve ny hoe tsy mivadika sy ny hoe mampiseho fitiavana tsy miovaova? Hazavao amin’ny ohatra.

5 Vao mainka isika hahay hampiseho fitiavana tsy miovaova amin’ny mpiara-manompo, rehefa mahazo tsara ny dikan’io teny io. Misy mieritreritra angamba fa mitovy ihany ny hoe manana fitiavana tsy miovaova sy ny hoe tsy mivadika. Marina ve izany?

 6 Andao hatao hoe niasa tao amin’ny orinasa iray nandritra ny taona maro ny lehilahy iray. Midika ve izany hoe tiany ilay mpampiasa azy? Tsy voatery. Mety ho mbola tsy nahita ny tompon’ilay orinasa mihitsy aza izy. Na ny fanapahan-kevitra sasany raisina ao am-piasana aza mety tsy ho tiany. Azo lazaina hoe tsy mivadika amin’ilay mpampiasa anefa izy, satria miasa ao foana. Faly fotsiny izy hoe manana asa sy mahazo karama. Hiasa ao foana izy mandra-pahatongan’ny fotoana hisotroany ronono, raha tsy hoe mahita asa tsara kokoa angaha.

7-8. a) Inona no mahatonga ny olona iray hampiseho fitiavana tsy miovaova? b) Nahoana isika no handinika ny bokin’i Rota?

7 Inona àry ny maha samy hafa ny hoe tsy mivadika noresahina teo amin’ny  fehintsoratra faha-6 sy ny hoe mampiseho fitiavana tsy miovaova? Ny antony mahatonga ny olona iray haneho an’ilay toetra. Inona, ohatra, no nahatonga ny mpanompon’Andriamanitra taloha hampiseho fitiavana tsy miovaova? Tsy hoe satria ry zareo tsy maintsy nanao an’izany, fa satria izy te hanao an’izany. Eritrereto i Davida. Nampiseho fitiavana tsy miovaova tamin’i Jonatana namany izy, na dia te hamono an’i Davida aza ny dadan’i Jonatana. Tsy nisy nanery azy hanao an’izany, fa izay mihitsy no sitraky ny fony. Mbola nampiseho fitiavana tsy miovaova tamin’i Mefiboseta zanak’i Jonatana ihany i Davida, na dia taona maro taorian’ny nahafatesan’i Jonatana aza.​—1 Sam. 20:9, 14, 15; 2 Sam. 4:4; 8:15; 9:1, 6, 7.

8 Hahafantatra bebe kokoa momba ny fitiavana tsy miovaova isika rehefa mandinika ny bokin’i Rota. Inona no ianarantsika avy amin’ny olona sasany voaresaka ao? Ary ahoana no azontsika ampiharana an’izany ao amin’ny fiangonana misy antsika? *

INONA NO AZO IANARANA AVY AMIN’NY BOKIN’I ROTA?

9. Fa maninona i Naomy no nieritreritra hoe niady taminy i Jehovah?

9 Resahina ao amin’ny bokin’i Rota ny tantaran’i Naomy sy Rota vinantovaviny. Resahina ao koa ny momba an’i Boaza, havan’ny vadin’i Naomy. Lehilahy natahotra an’Andriamanitra izy io. Nisy mosary tany Israely, dia nifindra tany Moaba i Naomy sy ny vadiny ary ny zanany roa lahy. Maty tany anefa ny vadin’i Naomy. Nanambady ny zanany avy eo, nefa mampalahelo fa samy maty koa izy roa lahy. (Rota 1:3-5; 2:1) Tena nampahory an’i Naomy ireo rehetra ireo ka nihakivy nihakivy foana izy. Novesaran’ny alahelo loatra izy, dia nieritreritra hoe niady taminy i Jehovah. Izao no nolazainy: “Mangidy amiko ny namelezan’i Jehovah ahy.” Niteny koa izy hoe: “Tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra. ... I Jehovah no efa nampietry ahy, ary ilay Mahery Indrindra no efa nahatonga loza tamiko.”​—Rota 1:13, 20, 21.

10. Tezitra tamin’ny tenin’i Naomy ve i Jehovah? Ahoana no nanampiany azy?

10 Tezitra tamin’ny teny tsy nety nolazain’i Naomy ve i Jehovah? Tsia! Tsy nanary an’io mpanompony rera-tsaina io izy fa nangoraka azy. Fantany hoe “mety hahatonga ny hendry hanao adaladala ny fampahoriana.” (Mpito. 7:7) Nila fanampiana anefa i Naomy mba hahitany fa teo anilany foana Andriamanitra. (1 Sam. 2:8) Nampiasa an’i Rota àry i Jehovah mba hampisehoana taminy hoe tsy miovaova ny fitiavany. Tsara fanahy i Rota sady vonona hanampy ny rafozany mba tsy ho kivy loatra sy hatoky hoe mbola tia azy i Jehovah. Inona no ianarantsika avy aminy?

11. Inona no mahatonga ny rahalahy sy anabavy maro hanampy ny olona kivy na malahelo?

11 Hiezaka hanampy an’izay kivy na malahelo isika, raha tsy miovaova ny fitiavantsika azy ireo. Nifikitra tamin’i Naomy i Rota. Misy rahalahy sy anabavy tsara fanahy manao hoatr’izany koa amin’izao. Vonona hifikitra amin’ny mpiara-manompo malahelo na kivy be ry zareo. Tiany ny mpiara-manompo, ka tena te hanao izay rehetra azo atao izy mba hanampiana azy ireo. (Ohab. 12:25; 24:10) Manaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly ireny rahalahy sy anabavy ireny, ka ‘manao teny mampahery ny kivy, manohana ny malemy, ary mahari-po amin’ny olona rehetra.’​—1 Tes. 5:14.

Manampy rahalahy na anabavy kivy ianao rehefa mihaino azy (Fehintsoratra 12)

12. Inona matetika no fomba tsara indrindra anampiana rahalahy na anabavy kivy?

12 Mila olona hihaino azy ny rahalahy na anabavy kivy, ary omena toky hoe tiana izy. Izany matetika no fomba tsara indrindra anampiana azy. Hitan’i Jehovah ny ezaka ataonao mba hampaherezana an’ireny ondriny sarobidy ireny, ary mankasitraka an’izany izy. (Sal. 41:1) Milaza mantsy ny Ohabolana 19:17 hoe: “Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.”

Miverina any Moaba i Orpa, fa i Rota kosa mifikitra amin’i Naomy. Izao no lazain’i Rota amin’i Naomy: “Izay alehanao no halehako” (Fehintsoratra 13)

13. Inona no tsy mampitovy an’i Rota sy Orpa? Ahoana no nampisehoan’i Rota hoe tsy niovaova ny fitiavany an’i Naomy? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

13 Vao mainka ho azontsika ny atao hoe fitiavana tsy miovaova, rehefa dinihintsika izay nitranga tamin’i Naomy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Rehefa henon’i Naomy hoe “nitsinjo ny olony sy nanome azy hanina i Jehovah”, dia nody tany an-tanindrazany izy. (Rota 1:6) Samy nanaraka azy ny vinantovaviny tamin’ny voalohany. Rehefa teny an-dalana anefa izy telo mianaka, dia nampirisihin’i Naomy hiverina any Moaba ry zareo. Intelo mihitsy izy no nanao an’izany. Inona no nitranga? “Nanoroka ny rafozambaviny i Orpa” dia lasa, “fa i Rota kosa nifikitra taminy.” (Rota 1:7-14) Nanaraka ny tenin’i Naomy i Orpa ka nifidy ny hiverin-dalana. Izay mantsy no nasaina nataony. I Rota anefa nanao mihoatra an’izany. Afaka nifidy ny hiverin-dalana koa izy, nefa naleony nijanona nanampy an’i Naomy satria tsy niova mihitsy ny fitiavany azy. (Rota 1:16, 17) Nifidy ny hifikitra tamin’i Naomy izy na dia tsy voatery hanao an’izany aza. Izay mihitsy mantsy no tiany hatao. Hita amin’ny fanapahan-kevitr’i Rota hoe tsy niovaova ny fitiavany. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

14. a) Inona no safidy ataon’ny rahalahy sy anabavy maro? b) Araka ny Hebreo 13:16, inona ny sorona ankasitrahan’Andriamanitra?

14 Hanao mihoatra an’izay tokony hatao isika, raha tsy miovaova ny fitiavantsika. Betsaka ny rahalahy sy anabavy mifidy ny hampiseho fitiavana tsy miovaova amin’ny mpiara-manompo, na dia tsy fantany akory aza ry zareo. Efa hoatr’izany foana hatramin’izay ka hatramin’izao. Rehefa henony, ohatra, hoe nisy loza nitranga dia tonga dia fantariny hoe ahoana no azony anampiana. Rehefa misy manana olana ara-bola koa ao amin’ny fiangonana, dia jereny haingana izay ilain’ilay olona ary tonga izy dia manampy. Manao mihoatra an’izay tokony hatao mihitsy ry zareo. Hoatr’izany koa no nataon’ny Kristianina tany Makedonia tamin’ny taonjato voalohany. Nahafoy ny fotoanany sy ny fananany ry zareo, ary nanome “mihoatra noho izay zakany mihitsy aza” mba hanampiana ny mpiara-manompo sahirana. (2 Kor. 8:3) Faly be i Jehovah rehefa mahita hoe mampiseho fitiavana tsy miovaova hoatr’izany ny mpanompony.​—Vakio ny Hebreo 13:16.

AHOANA NO HAMPISEHOANTSIKA HOE TSY MIOVAOVA NY FITIAVANTSIKA?

15-16. Inona no manaporofo fa nikiry nanampy an’i Naomy i Rota?

15 Betsaka no azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Rota sy Naomy. Andao isika handinika sasany amin’izany.

16 Manàna fikirizana. Tsy nanaiky i Naomy tamin’ny voalohany rehefa nilaza taminy i Rota hoe hiaraka aminy ho any Joda. Tsy kivy anefa i Rota. Inona no vokany? ‘Tsy niteny intsony i Naomy rehefa hitany fa nisisika hiaraka taminy ihany izy.’​—Rota 1:15-18.

17. Inona no hanampy antsika hikiry foana?

17 Fampiharana: Mila manam-paharetana isika rehefa manampy olona kivy be. Tokony hiezaka hanampy azy foana isika. Mety tsy hanaiky hampiana, ohatra, ny anabavy iray amin’ny voalohany na dia mila an’izany aza. * Raha tsy miovaova anefa ny fitiavantsika azy, dia hiezaka mafy hifikitra aminy isika. (Gal. 6:2) Manantena isika fa hanaiky hinamana amintsika izy rehefa mandeha ny fotoana, ka havelany hampahery sy hanampy azy tsy hamoy fo isika.

18. Inona no nataon’i Naomy ka mety hoe nandratra ny fon’i Rota?

18 Aza mandray am-po. Nihaona tamin’ny mpiray tanàna taminy taloha i Naomy rehefa tonga tany Betlehema izy sy i Rota. Niteny tamin-dry zareo i Naomy hoe: “Nanam-be aho fony niala teto, nefa nampody ahy tanam-polo i Jehovah.” (Rota 1:21) Efa nanao izay rehetra azony natao i Rota mba hanampiana an’i Naomy. Niara-nitomany taminy izy, nampionona azy, ary niara-dalana taminy nandritra ny andro maro. Ahoana anefa no notenenin’i Naomy? Hoe ‘nampody azy tanam-polo i Jehovah’! Hoatran’ny te hilaza izy hoe tsy nisy dikany taminy ny fanampian’i Rota, nefa i Rota nijoro teo akaiky teo mihitsy. Mba ahoana izao ny fihetseham-pon’i Rota naheno an’izany? Tsy maintsy nandratra ny fony izany! Mbola nifikitra tamin’i Naomy ihany anefa izy.

19. Inona no hanampy antsika hifikitra amin’ny olona iray kivy be?

19 Fampiharana: Ahoana raha efa miezaka mafy ianao manampy anabavy iray kivy be, nefa mbola manao teny mandratra ny fonao izy? Aza mandray am-po an’izay lazainy. Miezaha kosa hifikitra amin’ny anabavinao, ary mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao hahita hevitra hampaherezana azy.​—Ohab. 17:17.

Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Boaza? (Fehintsoratra 20-21)

20. Inona no nanampy an’i Rota mba hahazo hery hanampiana an’i Naomy foana?

20 Ampaherezo izay hitanao hoe mila an’izany. Naneho fitiavana tsy miovaova tamin’i Naomy i Rota, nefa na izy koa aza lasa nila fampaherezana. Nampiasa an’i Boaza àry i Jehovah mba hampahery azy. Hoy i Boaza: “Hamaly soa ny nataonao anie i Jehovah, ary hahazo valisoa tonga lafatra avy amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely anie ianao! Teo ambany elany mantsy ianao no tonga nitady fialofana.” Tena nanohina ny fon’i Rota ireo tenin’i Boaza ireo, ka namaly izy hoe: “Nampaherezinao aho ary nomenao toky ny mpanompovavinao.” (Rota 2:12, 13) Tonga tamin’ny fotoana nilan’i Rota azy ny fampaherezan’i Boaza. Lasa nahazo hery izy ka nahavita nanohy nanampy an’i Naomy.

21. Araka ny Isaia 32:1, 2, inona no ataon’ny anti-panahy be fitiavana?

21 Fampiharana: Mila fampaherezana koa indraindray ny olona mampiseho fitiavana tsy miovaova. Afaka manome an’izany ny anti-panahy. I Boaza izao nidera an’i Rota rehefa nahamarika hoe tsara fanahy tamin’i Naomy izy. Miezaka mandinika koa ny anti-panahy, dia midera an’izay rahalahy na anabavy hitany hoe mampiseho fitiavana sy manampy ny hafa. Mahazo hery ny mpiara-manompo rehefa omena teny fiderana amin’ny fotoana tena ilany azy, ka afaka manohy manampy ny hafa.​—Vakio ny Isaia 32:1, 2.

INONA NO SOA AZON’IZAY MAMPISEHO FITIAVANA TSY MIOVAOVA?

22-23. Inona no mampiseho hoe niova i Naomy, ary inona no nampiova azy? (Salamo 136:23, 26)

22 Nomen’i Boaza sakafo be dia be i Rota sy Naomy tatỳ aoriana. (Rota 2:14-18) Inona no vokatr’izany tamin’i Naomy? Hoy izy: “Hitahy azy anie i Jehovah, izay tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny velona sy ny maty!” (Rota 2:20a) Niova be ny toe-tsain’i Naomy! Lasa falifaly izy, ka nilaza hoe “tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana” i Jehovah. Talohan’izay anefa izy kivy be dia niteny hoe: “I Jehovah no efa nampietry ahy.” Fa inona no nampiova azy?

23 Tonga saina i Naomy tamin’ny farany hoe tsy nanary azy mihitsy i Jehovah. Nampiasa an’i Rota i Jehovah mba hanampiana azy nandritra an’ilay diany niverina tany Joda. (Rota 1:16) Tonga saina koa izy hoe mbola i Jehovah no nandrisika an’i Boaza halala-tanana tamin’izy mianaka. Anisan’ny “mpanavotra” an-dry zareo mantsy i Boaza. * (Rota 2:19, 20b) Nieritreritra angamba i Naomy hoe: ‘Fantatro izao fa teo akaikiko foana i Jehovah. Hay izy tsy nahafoy ahy mihitsy hatramin’izay!’ (Vakio ny Salamo 136:23, 26.) Azo antoka fa nankasitraka ny nataon’i Rota sy Boaza i Naomy, satria nikiry nanampy azy ry zareo. Tsy maintsy hoe faly be izy telo mianaka, rehefa tsy kivy intsony i Naomy fa nahazo hery hanompoana an’i Jehovah indray.

24. Nahoana no tsy tokony hiovaova mihitsy ny fitiavantsika ny mpiara-manompo?

24 Inona àry no nianarantsika avy amin’ny bokin’i Rota? Raha tsy miovaova ny fitiavantsika, dia tsy ho mora hilavo lefona isika rehefa manampy mpiara-manompo kivy na malahelo. Vonona hanao sorona kosa isika mba hanampiana azy. Hitantsika koa hoe mila midera ny mpiara-manompo mampiseho fitiavana tsy miovaova ny anti-panahy, rehefa mahita hoe mila ampaherezina izy ireny. Tena faly isika rehefa mahazo hery hanompoana an’i Jehovah indray ny namantsika. (Asa. 20:35) Inona anefa no tena mahatonga antsika hampiseho fitiavana tsy miovaova? Te hanahaka an’i Jehovah sy te hampifaly azy isika. Tsy miovaova mihitsy mantsy ny fitiavany!​—Eks. 34:6; Sal. 33:22.

HIRA 130 Andao Hifamela

^ feh. 5 Tsy tian’i Jehovah hiovaova ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Vao mainka isika hahazo ny dikan’ny hoe fitiavana tsy miovaova, rehefa mandinika ny fomba nampisehoan’ny mpanompon’Andriamanitra taloha an’io toetra io. Ny ohatr’i Rota sy Naomy ary Boaza no horesahintsika ato.

^ feh. 1 Azo adika koa hoe “fitiavana tsy miovaova” ilay teny hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana” na “hatsaram-panahy”, ao amin’ny andinin-teny rehetra hodinihintsika ato.

^ feh. 8 Ampirisihinay ianao hamaky ny Rota toko 1 sy 2 mba hazava kokoa aminao ny hevitra resahina ato.

^ feh. 17 Ny anabavy mila fanampiana no resahina ato, satria ny ohatr’i Naomy no dinihintsika. Mihatra amin’ny rahalahy koa anefa ny hevitra velabelarina ato.

^ feh. 23 Fa maninona i Boaza no antsoina hoe mpanavotra? Mamaly an’izany ilay lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo: ‘Vehivavy Tsara Tokoa’ i Rota”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2012.