Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fivavahana

Fivavahana

Nahoana no be dia be izao ny fivavahana?

“Ataonareo tsinontsinona ny didin’Andriamanitra fa ny fomban-drazana no ifikiranareo.”—Marka 7:8.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Efa voajanahary amin’ny olona ny hoe te hivavaka. (Matio 5:3) Izany no nahatonga azy ireo hamorona fivavahana be dia be. Hevitr’olombelona anefa no tena arahiny, fa tsy ny hevitr’Andriamanitra.

Nisy fivavahana hoatr’izany mihitsy tamin’ny taonjato voalohany. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy ireo: “Mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara. Koa satria tsy nahalala ny fahamarinan’Andriamanitra izy fa nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra.” (Romanina 10:2, 3) Be dia be koa ankehitriny ny fivavahana ‘mampianatra didin’olombelona.’—Marka 7:7.

 Tsy maintsy mivavaka any amin’ny fiangonana iray ve ianao?

‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.’ —Hebreo 10:24, 25.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

‘Aza mahafoy ny fiarahantsika mivory’, hoy ny Hebreo 10:25. Tian’Andriamanitra hiara-mivavaka àry ny mpanompony. Samy manao izay tiany ve anefa izy ireo? Samy manana ny heviny ve, ohatra, ny tsirairay momba an’Andriamanitra sy ny fitsipiny? Tsy izany mihitsy. Milaza ny 1 Korintianina 1:10 fa raha te hankasitrahan’Andriamanitra ny mpivavaka, dia tokony ‘hifanaraka tsara izy rehetra amin’izay lazainy, ary tsy hisy fisaratsarahana eo aminy, fa ho tafaray tsara izy ireo ka hiray saina sy hiray hevitra.’ Tokony ho fiangonana voalamina tsara izy ireo, any amin’izay misy azy, ary ‘ho tia ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana’ eran-tany. (1 Petera 2:17; 1 Korintianina 11:16) Mila alamina tsara àry ny fanompoana an’Andriamanitra, sady mila miray saina izay mivavaka aminy, raha te hampifaly azy.

Ahoana no amantarana ny fivavahana marina?

“Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” —Jaona 13:35.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Izao no fanoharana resahin’ny Baiboly momba ny tena mpivavaka: “Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny. Mioty voaloboka na aviavy eny amin’ny tsilo ve ny olona?” (Matio 7:16) Tsy voatery ho mpahay zavamaniry ianao vao hahalala hoe voaloboka ity sa tsilo. Toy izany koa fa tsy voatery ho manam-pahaizana be momba ny fivavahana ianao, vao hahafantatra hoe marina ity sa diso. Inona àry ny voa izay vokarin’ny fivavahana marina, izany hoe ny amantarana azy?

  • Ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no ampianarin’ny fivavahana marina, fa tsy hevitr’olombelona.—Jaona 4:24; 17:17.

  • Mampianatra momba an’Andriamanitra ny fivavahana marina, ohatra hoe Jehovah no anarany.—Jaona 17:3, 6.

  • Manohana ny Fanjakan’Andriamanitra fa tsy ny fanjakan’olombelona ny fivavahana marina. Io ihany mantsy no afaka mamaha ny olana rehetra eto an-tany.—Matio 10:7; 24:14.

  • Mampirisika ny olona hifankatia fa tsy ho tia tena ny fivavahana marina. (Jaona 13:35) Mampianatra antsika koa izy io, mba hanaja ny olona rehetra, hampiasa ny fotoana sy fananana mba hanampiana ny hafa, ary tsy hiditra amin’ny adin’ireo firenena.—Mika 4:1-4.

  • Tsy fombafomba fotsiny ny fivavahana marina, fa tena iainana isan’andro mihitsy. Mampihatra ny zavatra toriny ny tena mpivavaka.—Romanina 2:21; 1 Jaona 3:18.

Miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mamoaka an’ity gazety ity, mba hanome voninahitra an’Andriamanitra foana ny fiteniny sy ny fitondran-tenany. Maninona raha mba mijery ny fivorian’izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana iray, dia ho hitanao mihitsy izany?