Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JOLAY 2014

 FANADINADINANA | WENLONG HE

Miresaka ny Finoany Ilay Mpahay Fizika

Miresaka ny Finoany Ilay Mpahay Fizika

NIANATRA fizika tany Suzhou, any Chine i Wenlong He. Niasa tamina gazety iraisam-pirenena momba ny teknolojia izy, ary efa namoaka lahatsoratra be dia be momba ny siansa. Mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Strathclyde, any Ekosy, izy izao. Nino ny evolisiona (na fiovana miandalana) izy tamin’ny mbola tanora, nefa niaiky tatỳ aoriana hoe nisy namorona izao rehetra izao. Nanontany azy momba ny zavatra inoany ny Mifohaza!

Nanao ahoana ny fiainanao tamin’ny mbola kely?

Teraka tamin’ny 1963 aho, ary lehibe tany amin’ny tanàna iray, any atsimon’ny Reniranon’i Yangzi Jiang, any Chine. Toerana mafana sy be orana izy io, ka mahavokatra be. Matetika àry izy io no antsoina hoe tanin’ny vary sy trondro. Nieritreritra foana aho tamin’ny mbola kely hoe: ‘Fa nahoana ny tany no mamokatra sakafo matsiro be dia be? Tongatonga ho azy ve izany? Inona no nisy voalohany: Ny akoho sa ny atody?’ Tsy mino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona any Chine, ary nampianarina momba ny evolisiona izahay tany an-tsekoly.

Mba lazao anay ny momba ny fianakavianao.

Tsy nino an’Andriamanitra ny ray aman-dreniko. Namboly sy niompy i Neny, fa i Dada kosa nanana orinasa kely mpanao trano. Dimy mirahalahy izahay, ary izaho no zokiny indrindra. Mbola kely anefa ny zandriko roa dia maty. Nalahelo be aho ka nieritreritra hoe: ‘Fa maninona ny olona no maty? Ary mbola ho hitako ihany ve ireny zandriko ireny?’

Nahoana ianao no nianatra siansa?

Satria be dia be ny zavatra nanitikitika ny saiko momba ny natiora. Nieritreritra koa aho hoe mety ho voavalin’ny siansa ireo fanontaniana nanahiran-tsaina ahy hatramin’ny mbola kely.

Inona ny fikarohana ataonao?

Te handalina ny firafitry ny ataoma aho. Misy zavatra bitika kely be dia be mitondra herinaratra ao anatin’ny ataoma. Tadiaviko izay fomba hampandeha haingana be azy ireny, mba hitovitovy amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana. Mitady fomba koa aho izao mba hahazoana taratra  mahery be, nefa tsy mahafaty. Mety hanamboarana fitaovana azo amidy ny fikarohana ataoko, nefa manampy koa mba hahafantarana hoe ahoana no nisian’izao rehetra izao.

Nahoana ianao no lasa liana tamin’ny Baiboly?

Nisy mpivady Vavolombelon’i Jehovah nitory tao aminay tamin’ny 1998. Nilaza izy ireo fa afaka mamaly ny fanontaniako ny Baiboly. Nihaino teo koa i Huabi vadiko, izay mpikaroka toa ahy. Mbola tsy nahita Baiboly mihitsy izahay, ka gaga satria hay tena azo ampiharina ny torohevitra ao. Hitanay hoe mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy mivady, ary mahasoa azy izany. Tsotra ny fiainany nefa sambatra izy ireo. Mbola nampisalasala ahy tamin’izany ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra. Nieritreritra àry aho hoe tena misy ve ny Mpamorona. Mandinika ny zavaboary no tena asako, ka tapa-kevitra aho fa hitady porofo hoe nisy namorona tokoa ve izao rehetra izao.

Mandinika ny zavaboary no tena asako, ka tapa-kevitra aho fa hitady porofo hoe nisy namorona tokoa ve izao rehetra izao

Ka inona avy no nodinihinao?

Voalohany aloha, nodinihiko ilay lalàna fizika hoe raha misy zavatra maromaro eo, dia tsy hilamina ho azy eo izy ireo, ary tsy hoe hilamina tsara foana, raha tsy misy zavatra hafa manampy azy avy any ivelany. Hitako anefa fa mirindra sy milamina tsara izao rehetra izao sy ny fiainana eto an-tany. Tsy tongatonga ho azy izany amiko, fa tsy maintsy nisy zavatra hafa avy any ivelany nahatonga an’ilay izy. Koa inona moa izany fa tsy ny Mpamorona? Ankoatra izay koa, dia hoatran’ny efa namboarina mihitsy ny tany mba ho azo iainana.

Afaka manome ohatra ve ianao?

Ny tara-pahazavan’ny masoandro no mahavelona ny zavamananaina eto an-tany. Mamakivaky ny habakabaka ilay izy ary mizara ho taratra maromaro samy manana ny onjany. Ilay taratra mahafaty atao hoe gamma no manana onja fohy indrindra. Ny taratra X no manarakaraka, avy eo ny taratra ultraviolet na UV, aorian’izay ny hazavana hita maso, ny taratra infra-rouge, ny taratra micro-ondes, ary ny onjam-peo no lava indrindra. Mahagaga fa sakanan’ny atmosfera ny ankamaroan’ireo taratra manimba, fa avelany ho tonga etỳ an-tany kosa ny taratra ilain’ny zavaboary.

Nahoana izany no tena nahaliana anao?

Nampieritreritra ahy izay lazain’ny Baiboly momba ny namoronana ny hazavana. “Niteny Andriamanitra hoe: ‘Aoka hisy mazava.’ Dia nisy mazava.” * Mahaliana fa kely fotsiny amin’ny hazavan’ny masoandro no hita maso, nefa tena ilaina izany mba hahavelona ny zavamananaina. Izy io no manampy ny zavamaniry hamokatra sakafo, sady mahatonga ny masontsika hahita. Mahavariana anefa hoe misy taratra sasany sakanan’ny atmosfera, fa misy kosa tsy sakanany. Tsy kisendrasendra izany, indrindra rehefa dinihina hoe kely fotsiny ny taratra UV tonga etỳ an-tany.

Azonao hazavaina kokoa ve izany?

Tena ilaina ny taratra UV sasany. Rehefa mahazo kely amin’izy io ny hoditra, dia afaka mamokatra vitaminina D. Mahasalama ny taolana izany, sady miaro amin’ny kansera sy ny aretina hafa. Tsy tokony ho be loatra anefa ilay izy, satria mahavoan’ny katarakta sy kanseran’ny hoditra. Raha mbola tsy simba ny tontolo iainana, dia taratra UV kely fotsiny no avelan’ny atmosfera ho tonga etỳ an-tany, ary izay ihany koa no ilain’ny zavamananaina. Manaporofo izany amiko fa nisy nanamboatra ny tany mba ho azo iainana.

Resy lahatra tsikelikely izahay sy Huabi fa tena misy ny Mpamorona, ary izy no nampanoratra ny Baiboly. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izahay tamin’ny 2005. Izahay indray izao no mampianatra Baiboly olon-kafa.