Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JOLAY 2014

 TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Irlandy

Fitsidihana An’i Irlandy

MIZARA ho firenena roa i Irlandy, dia i Irlandy Avaratra izay anisan’i Royaume-Uni, sy ny Repoblikan’i Irlandy izay lehibe kokoa.

Vato mainty na bazalta

Antsoina hoe “Nosy Emeraoda” i Irlandy. Avy be foana mantsy ny orana any, ka maitso mavana ilay toerana ary toy ny vatosoa rehefa tazanina. Ahitana renirano sy farihy tsara tarehy koa any, sady misy havoana sy tendrombohitra any amin’ny morontsiraka, ka mahafinaritra erỳ izay jerena.

Trano tafo bozaka

Tena niaritra ny mafy ny mponin’i Irlandy. Tamin’ny 1845 ka hatramin’ny 1851, ohatra, dia nisy aretina ny ovy nambolena tany ka lo daholo. Olona iray tapitrisa teo ho eo àry no matin’ny mosary sy aretina. Be dia be ny nahantra ka lasa nitsoa-ponenana nankany Aostralia, Grande-Bretagne, Kanada, ary Etazonia. Amerikanina 35 tapitrisa eo ho eo izao no fantatra hoe taranaka Irlandey.

Olona sariaka sy tia mandray vahiny ny Irlandey. Anisan’ny fialam-boly tena tian’izy ireo ny mitaingin-tsoavaly. Be mpankafy ny baolina, ka anisan’izany ny kitra, baolina lavalava, ary eo koa irony lalao mampiasa hazo fikapohana baolina irony, toy ny cricket. Ry zareo aza mbola manana karazana lalao baolina, izay sady raisina  tanana no dakana (antsoina hoe foot gaélique). Malaza any koa ilay lalao baolina atao hoe camogie, ka ny vehivavy no tena mpanao azy io.

Tia miresadresaka ny olona any Irlandy, sady tia mozika. Malaza eran-tany ny dihy mampiavaka ny Irlandey. Haingana be ny fihetsiky ny tongotr’ireo mpandihy, nefa miaraka tsara daholo. Ny tapany ambony kosa tsy mihetsika fa mahitsy be.

Mpanakanto irlandey

Efa 100 taona mahery izao no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Irlandy. Vavolombelona 6 000 mahery no mipetraka any, ary tena mazoto mampianatra Baiboly izy ireo.

Ireto avy ny karazana zavamaneno mampiavaka ny Irlandey (jereo ny sary, havia miankavanana): Harpa selta, sodina misy kitapon-drivotra, karazana lokanga, angorodao, sodina, ary amponga irlandey

FANTATRAO VE?

Misy faritra feno vato mainty na bazalta any amin’ny morontsiraka avaratr’i Irlandy Avaratra. Avy amin’ny ranoka volkano ireo vato ireo, saingy lasa toy ny hoe voatefy mahitsy sady lavalava rehefa nivaingana tao anaty ranomasina.