Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANADINADINANA | MASSIMO TISTARELLI

Miresaka ny Finoany Ilay Mpanao Robot

Miresaka ny Finoany Ilay Mpanao Robot

Mpahay siansa ao amin’ny Oniversiten’i Sassari any Italia i Massimo Tistarelli, ary anisan’ny mpampanonta ny telo amin’ireo gazetiboky iraisam-pirenena momba ny siansa. Nandray anjara tamin’ny fanoratana gazety ara-tsiansa zato mahery koa izy. Nodinihiny hoe ahoana no ahaizan’ny olona manavaka ny endriky ny olom-pantany sy ahafahany manao zavatra tsotra toy ny mitanty baolina. Nanao robot afaka mahita toy ny olona izy, avy eo. Nanontany azy momba ny finoany sy ny asany ny Mifohaza!

Inona ny fivavahanao taloha?

Katolika i Dada sy Neny fa tsy mpiditra am-piangonana. Nahaliana ahy ilay finoana hoe tsy misy Andriamanitra, tamin’izaho mbola tovolahy. Nekeko ilay fampianarana hoe vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ny fiainana. Tsy nino aho hoe nisy ny Mpamorona, nefa tsapako fa tsy maintsy misy hery ambony noho ny olombelona. Tiako ho fantatra izany ka nandalina ny fampianaran’ny Bodisma sy Hindoisma ary Taoisma aho, fa tsy afa-po.

Inona no nitiavanao siansa?

Mbola kely aho dia efa liana tamin’ny resaka milina. Matetika no nosaratsarahiko ny kilalaoko ary natambatro indray. Niasa tao amin’ny fifandraisan-davitra i Dada ka nanontaniako azy daholo izay tiako ho fantatra momba ny radio sy telefaonina.

Inona avy no nianaranao?

Nianatra momba ny elektronika tao amin’ny Oniversiten’i Gênes aho. Nikaroka momba ny fanamboarana robot koa aho mba hahazoako diplaoma ambony. Nandalina ny fomba fiasan’ny mason’olombelona aho ary nanamboatra robot mahay maka tahaka an’izany.

Nahoana no nahaliana anao ny fomba fiasan’ny maso?

Be pitsiny ilay izy fa tsy io maso hitantsika io fotsiny. Misy taova mamakafaka ny zavatra jerentsika mihitsy aza ao. Diniho, ohatra, izay mitranga rehefa mitanty baolina ianao. Alefan’ny family any amin’ny temimaso ny sarin’ilay baolina, rehefa mihazakazaka misambotra azy ianao. Arakaraka ny fihetsehan’ilay baolina sy ny masonao no fihetsehan’ilay sary ao amin’ny temimaso. Tsy miala amin’ilay baolina ny masonao, amin’ny ankapobeny. Tsy mihetsika àry ny sarin’ilay baolina ao amin’ny temimaso, fa ny manodidina azy no toy ny hoe mihetsika.

Misy mikajy ny hafainganam-pandehan’ilay baolina sy ny lalana alehany koa ao amin’ny maso. Ny temimaso aloha no manombana ny fihetsehan’ilay baolina mitaha amin’ny manodidina azy. Ampitain’ny hozatra fitatijery any amin’ny atidoha ny fanazavana avy ao amin’ny temimaso, avy eo. Mamakafaka an’izany ny atidoha ary mibaiko anao hitanty an’ilay baolina. Be pitsiny izany rehetra izany ka tena mahatalanjona.

Inona no nahatonga anao hino fa misy ny Mpamorona?

Nanao fikarohana nandritra ny volana vitsivitsy tao amin’ny Oniversiten’i Trinity, any Irlandy, aho, tamin’ny 1990. Niresaka momba ny hoavin’ny zanakay mianadahy izahay sy Barbara vadiko rehefa nody. Nanapa-kevitra izahay fa hitsidika ny zokiko vavy, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nomen’ilay zokiko ahy ilay boky hoe Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana?, izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiaiky ahy ny fikarohana lalina nataon’ireo namoaka azy io. Tsapako hoe ninonino foana aho nanaiky ny evolisiona fa tsy nitady porofo. Nihevitra, ohatra, aho fa mitombina ny evolisiona rehefa jerena ny firaketan’ny fôsily. Hay tsy marina izany. Arakaraka ny nandalinako ny evolisiona no nahitako fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ilay izy fa resa-be fotsiny.

Nieritreritra aho hoe ny zavatra noforonin’iza tokoa moa no alaiko tahaka rehefa manao robot aho

Nieritreritra aho hoe ny zavatra noforonin’iza tokoa moa no alaiko tahaka rehefa manao robot aho. Mbola tsy nahavita robot mahay misambotra baolina hoatran’ny olona aho. Azo baikoina hisambotra baolina ny robot iray, fa amin’ny toe-javatra voafaritra tsara ihany. Tsy afaka manao an’izany izy raha vao miova ilay toe-javatra. Be lavitra noho ny an’ny milina ny zavatra azontsika ianarana, nefa na ny milina aza nisy nanamboatra. Takatro avy tamin’izany fa tsy maintsy nisy namorona isika.

Nahoana ianao no lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Tia mandalina izy ireo rehefa mianatra, ary anisan’ny nahasarika anay sy Barbara izany. Nampiaiky ahy ny fikarohana ataon’ireo mpanoratra ny boky sy gazetiny. Mahaliana ny olona toa ahy ny resaka fikarohana satria tia mamantatra tsipirian-javatra aho. Lasa tena tiako, ohatra, ny nandinika an’ireo faminaniana maro ao amin’ny Baiboly. Nanjary resy lahatra aho hoe avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Natao batisa izahay sy Barbara tamin’ny 1992 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Nanozongozona ny finoanao ve ny fianarana ny siansa?

Nanatanjaka ny finoako aza izany. Diniho, ohatra, ny fahaizan’ny olona manavaka ny endriky ny olom-pantany. Mahavita an’izany ny zazakely, ora vitsy aorian’ny ahaterahany. Tonga dia haintsika koa ny manavaka ny olom-pantatsika ao anaty vahoaka. Mety ho voamaritsika hatramin’ny fihetseham-pony aza. Mety tsy ho fantatsika akory hoe fanazavana be dia be miampitampita ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy no mahatonga izany.

Miaiky tanteraka aho fa fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny maso. Te hisaotra azy sy hiresaka momba azy amin’ny hafa aho noho ireo fanomezany, anisan’izany ny Baiboly. Hitako hoe rariny raha omem-boninahitra izy noho ireo zavatra nataony.