Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Febroary 2013

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Platon

Platon

Filozofa grika mpanompo sampy i Platon (427-347 Talohan’i Kristy [T.K.] tany ho any). Zanaka olona ambony sy manankarena izy, teraka tany Atena, ary nanao fianarana ambony. Nisy heriny be teo aminy ny fampianaran’i Socrate, filozofa nalaza, sy ny an’ny mpanara-dia an’i Pythagore, filozofa sady mpahay matematika.

NITETY ny faritr’i Mediterane i Platon ary nanao politika tao Syrakosa, tanàna grika any Sisila. Niverina tao Atena izy avy eo ary nanorina akademia, izay nolazaina fa ny oniversite voalohany tany Eoropa. Io no lasa foibe fanaovana fikarohana momba ny filozofia sy matematika.

NAHOANA IZANY NO TOKONY HO FANTATRAO?

Nanan-kery ny fampianaran’i Platon satria misy vokany eo amin’ny zavatra inoan’ny olona an-tapitrisany, anisan’izany ireo mitonona ho Kristianina. Maro no mihevitra fa avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoany. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ny fampianaran’i Platon ilay hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona.

“Iray amin’ny hevitra tena tian’i Platon ilay hoe tsy mety maty ny fanahy.”Ny Vatana sy Fanahy Araka ny Filozofia Fahiny

Nahaliana an’i Platon ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Hoy ny boky Ny Vatana sy Fanahy Araka ny Filozofia Fahiny (anglisy): “Iray amin’ny hevitra tena tian’i Platon ilay hoe tsy mety maty ny fanahy.” Tena nino izy fa “miaina [any ankoatra] ny fanahy rehefa maty ny vatana ary valian-tsoa izy io na sazina”, arakaraka izay nataon’ilay olona teto an-tany. *

AHOANA NO NIELEZAN’NY FAMPIANARAN’I PLATON?

Nanan-kery ny fampianaran’ilay Akademian’i Platon, nandritra  ireo 900 taona nisiany tamin’ny 387 T.K. ka hatramin’ny 529 A.K. (Aorian’i Kristy). Lasa nalaza tany amin’ny Fanjakana Grika sy Romanina ny hevitr’i Platon. Nanaiky ny fampianarany i Philon, filozofa jiosy avy any Aleksandria, sy ny mpitondra fivavahana maro milaza ho Kristianina. Lasa anisan’ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy sy ny Fivavahana Kristianina àry ny fampianaran’ny mpanompo sampy, toy ny fanahy tsy mety maty.

Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): ‘Azo lazaina hoe niainga tamin’ny fampianaran’ireo filozofa grika fahiny, indrindra fa i Platon, ny foto-pinoana kristianina rehetra. Ny filozofa kristianina sasany kosa azo antsoina hoe mpanara-dia an’i Platon mihitsy.’ Ampitahao ireto:

Izay nolazain’i Platon: ‘[Rehefa maty isika, satria] tsy maintsy hitranga izany, dia miainga ilay antsointsika hoe fanahy tsy mety maty ary mankeo amin’ireo andriamanitra hafa mba hatao ampamoaka. Sahy miatrika an’izany izay nanao ny tsara fa mihorohoro kosa izay nanao ratsy.’—Lalàn’i Platon, Boky Faha-7 (anglisy).

Izay lazain’ny Baiboly: Tsy mahatsiaro na inona na inona ny maty. Toy ny matory izy ary miandry ny hananganana azy. Diniho ireto andinin-teny ireto:

  • ‘Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy. Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.’—Mpitoriteny 9:5, 10.
  • “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.”—Jaona 5:28, 29.
  • “Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.”—Salamo 146:4.

Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly hoe misy zavatra mbola velona ao amin’ny olona rehefa maty ny vatany. Eritrereto àry hoe: ‘Mifanaraka amin’ny Baiboly sa mifanaraka amin’ny filozofian’i Platon ny zavatra inoanao?’

^ feh. 7 Tsy i Platon no voalohany nino hoe tsy mety maty ny fanahy, na dia izy aza no nampiely an’ilay finoana. Nino azy io, ohatra, ny mpanompo sampy tany Ejipta sy Babylona, fa ny fomba nilazany azy fotsiny no nisy isan-karazany.