Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! FEBROARY 2013

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Ny Mahantra

Ny Mahantra

Miahy ny mahantra ve Andriamanitra?

‘Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola. Fa hoy [Andriamanitra]: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”’Hebreo 13:5.

AHOANA NO ANAOVANY IZANY?

Tena miahy ny mpanompony sahirana i Jehovah Andriamanitra. Misy fomba maro anaovany izany. Eo, ohatra, ny fanampiana omen’ny Kristianina namantsika. * Hoy ny Jakoba 1:27: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany.”

Nifanampy ny Kristianina voalohany. Voalaza mialoha, ohatra, fa hisy mosary tany amin’ny faritr’i Jodia. Tapa-kevitra ny ‘handefa fanampiana ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia’ ny Kristianina tao Antiokia any Syria, rehefa nandre izany. (Asan’ny Apostoly 11:28-30) Nahazo izay tena nilainy àry ireo Kristianina sahirana. Hita tamin’ny fanomezana an-tsitrapo nataon’ny Kristianina tao Antiokia fa tena tiany ny Kristianina namany.—1 Jaona 3:18.

 Inona no azon’ireo mahantra atao?

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”Isaia 48:17, 18.

MANAMPY ANTSIKA ANDRIAMANITRA

Olona an-tapitrisany no mahatsapa fa azo ampiharina sy tena mahasoa ny tari-dalana feno fahendrena ao amin’ny Baiboly. Hoy ny Ohabolana 2:6, 7: “I Jehovah no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka. Hitahiry fahendrena ho an’ny olo-mahitsy izy.” Mandray soa izay mikaroka sy mampihatra an’izany fahendrena izany.

Tsy manimba tena na lany vola, ohatra, izy ireo satria tsy midoroka zava-mahadomelina na mamo lava na ny toy izany. (2 Korintianina 7:1) Mora mahita asa koa izy ireo ary heverina ho mpiasa tsara kokoa, satria manao ny marina sy miasa tsara ary mendri-pitokisana. Hoy ny Efesianina 4:28: ‘Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.’

Tena manampy ny mahantra ve ny fahendrena ao amin’ny Baiboly?

“Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon’ny asany ho marina.”Matio 11:19, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

DINIHO IRETO TANTARA IRETO

Mpiasa an-tselika i Wilson, any Ghana, ary efa ho vita ilay asany. Nanasa ny fiaran’ny mpampiasa azy izy tamin’ilay andro farany niasany, ary nahita vola tao amin’ny fasiana entana. Nasain’ny mpiandraikitra ny asany notazoniny ilay vola. Tsy te hangalatra anefa i Wilson satria Vavolombelon’i Jehovah, ka naveriny tamin’ny tompony ilay vola. Tsy nesorina tamin’ilay asa àry i Wilson fa nomena asa raikitra, ary nahazo fisondrotana tatỳ aoriana.

I Géraldine indray mipetraka any Eoropa. Tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny mpampiasa azy ka noroahiny izy. Nilaza tamin’ilay mpampiasa anefa ny reniny fa diso izy nanao izany. Hoy ilay reniny: “Tsy hahita mpiasa tsara kokoa noho ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, raha mpiasa mendri-pitokisana sy miasa tsara no tadiavinao.” Nanao fikarohana momba ny Vavolombelona àry ilay mpampiasa, ary notazoniny indray i Géraldine.

Nisy fotoana tena sahirana i Sarah, reny tokan-tena any Afrika Atsimo. Hitany fa mifankatia tokoa ny Kristianina satria ireo mpiara-mivavaka aminy no nanome izay nilainy teo amin’ny resaka sakafo sy fitaterana. Hoy ny zanany tatỳ aoriana: “Manana ray aman-dreny maro izahay eo anivon’ny fiangonana.”

Ohatra vitsivitsy monja ireo, ary manamarina an’ity voalazan’ny Ohabolana 1:33 ity: “Fa izay mihaino [an’i Jehovah] kosa tsy hanana ahiahy.” Tena marina mihitsy izany!

^ feh. 5 Manampy ny mahantra ny fanjakana any amin’ny tany sasany. Ny havan’ilay olona anefa aloha no tokony hikarakara azy, raha tsy manampy ny fanjakana.—1 Timoty 5:3, 4, 16.