Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! FEBROARY 2013

 MATOAN-DAHATSORATRA

Te Hanatsara Fiainana

Te Hanatsara Fiainana

Te Hanatsara Fiainana

KIVY i George fa tsy nahavelom-bady aman-janaka. Maro koa ny mpiara-monina narary ary ny sasany maty noana. Tsara kokoa anefa ny fiainana tao amin’ny firenena iray teo akaiky, ka nieritreritra izy hoe: ‘Ho any aho dia hitady asa ary hasaiko manaraka ahy ny vady aman-janako.’

Nieritreritra koa i Patricia, avy ao Nizeria, fa ho tsara ny fiainany raha mankany andafy. Tsy an’asa mantsy izy sady toa tsy nisy antenaina. Nanapa-kevitra izy sy ny olon-tiany fa ho any Alzeria, ary hiampita any Espaina. Tsy azony an-tsaina hoe ho mafy ny dia mamakivaky ny Efitr’i Sahara. Hoy i Patricia: “Bevohoka aho tamin’izay ary tiako ho sambatra ny zanako.”

Te ho any Eoropa koa i Rachel. Very asa mantsy izy tany Philippines ary nilaza ny fianakaviany fa mora ny mahita asa an-trano any andafy. Nindram-bola àry izy mba handehanana fiaramanidina ary nilaozany ny vadiny sy ny zanany vavy. Nanome toky izy hoe: “Tsy ho ela isika dia hihaona indray.”

Voalaza fa maherin’ny 200 tapitrisa ny olona nifindra monina, toa an-dry George sy Patricia ary Rachel, tato ho ato. Olana ara-bola no tena anton’izany, nefa eo koa ny ady, ny hetraketraky ny natiora, na ny fankahalan’ny mpiara-monina. Inona no olana atrehin’ny mpifindra monina? Mihatsara tokoa ve ny fiainan’izy ireo? Inona no manjo ny ankizy rehefa lasa mitady vola any an-tany hafa ny ray aman-dreniny? Mamaly izany ireo lahatsoratra manaraka.

 Hanao Ahoana ny Dia sy ny Fitadiavana Asa?

Tena sarotra ny dia. Izany no olana voalohany atrehin’ireo mifindra monina. Nandeha an-jatony kilaometatra i George, ilay voaresaka terỳ aloha, nefa tsy nanana sakafo firy. Hoy izy: “Tena mafy ilay dia.” Maro aza no tsy tody any amin’ny toerana tiany haleha akory.

Te ho any Espaina i Patricia ka nandeha kamiao tsy nisy tafo namakivaky ny Efitr’i Sahara. Hoy izy: “Naharitra herinandro ny dia hatreo Nizeria ka hatrany Alzeria, ary olona 25 izahay no nifanizina tao anaty kamiao. Nahita fatin’olona izahay teny an-dalana. Teo koa ireo nirenireny niandry izay hahafatesany fotsiny. Narian’ny mpamily teny an-dalana angamba ny mpandeha sasany.”

Tsy toa an’i George sy Patricia kosa i Rachel fa afaka nandeha fiaramanidina nankany Eoropa ary nahita asa an-trano. Tsy nampoiziny mihitsy anefa hoe halahelo be an’ilay zanany vavikely roa taona izy. Hoy izy: “Nalahelo be aho isaky nahita reny mikarakara ny zanany kely.”

Niady mafy i George mba ho zatra ny fiainany vaovao. Volana maromaro tatỳ aoriana izy vao afaka nandefa vola ho an’ny fianakaviany. Hoy izy: “Nanirery sy very hevitra aho ka matetika no nitomany rehefa alina.”

Tonga tao amin’ny sisin-tanin’i Maroc i Patricia, volana maromaro tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tao no teraka ny zanako vavy. Tsy maintsy niafinafina aho satria nisy olona naka an-keriny ny vehivavy mpifindra monina mba hataony mpivaro-tena. Nanam-bola ihany aho tamin’ny farany ka niampita an’ilay ranomasina mampidi-doza mba ho any Espaina. Tsizarizary ilay sambo ary tsy natao hitondrana mpandeha be dia be. Ny kiraronay no nampiasainay mba hamoahana ny rano tao an-tsambo. Lanaka aho rehefa tody teto Espaina ka tsy afaka namindra.”

Efa sarotra ny dia nefa tokony hoeritreretin’ireo te hifindra koa ny resaka fiteny sy kolontsaina. Eo koa ny fikarakarana taratasy mba hahafahana manorim-ponenana ara-dalàna. Ilaina izany mba hahazoana asa tsara, fonenana mahafa-po, fitsaboana, fahazoan-dalana hamily fiarakodia, kaonty any amin’ny banky, ary mba hahafahan’ny ankizy hianatra. Tsy izay ihany fa matetika no hararaotin’ny olona ireo mpifindra monina tsy manana taratasy ara-dalàna, ka ataony kely karama.

Mila dinihina koa hoe tena azo ianteherana ve ny vola. Hoy ny Baiboly: “Aza mandrera-tena mikatsaka harena, ary aza mandany ron-doha amin’izany intsony. Navelanao hitopy any amin’ny harena ve ny masonao, nefa tsinontsinona ireny? Fa maniry elatra toy ny an’ny voromahery tokoa ireny.” (Ohabolana 23:4, 5) Tadidio fa tsy voavidim-bola ny zavatra tena  ilaina, toy ny fitiavana sy filaminan-tsaina. Tiantsika koa raha tafaray ny ankohonantsika. Tena mampalahelo fa ny fitiavam-bola no zava-dehibe kokoa amin’ny olona sasany, ka lasa ambanin-javatra ny fitiavany ny vady aman-janany.—2 Timoty 3:1-3.

Mila an’Andriamanitra koa isika olombelona. (Matio 5:3) Miezaka manatanteraka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy àry ny ray aman-dreny hendry, ka mampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny fitsipiny.—Efesianina 6:4.

 Zava-dehibe Kokoa Noho ny Vola

Mety tsy hitovy ny zava-mitranga amin’ny mpifindra monina, nefa mitovitovy ihany ny vokany, araka ny tantaran’i George sy Rachel ary Patricia, ilay voaresaka tany aloha. Mijaly ny fianakaviana rehefa lasa ny ray na ny reny na ny vady. Mety ho an-taonany vao ho tafaray indray ny mpianakavy. Afaka efa-taona, ohatra, i George vao tafaray tamin’ny ankohonany indray.

Efa ho dimy taona i Rachel vao tafaverina tany Philippines mba haka an’ilay zanany vavy. Tonga tany Espaina niaraka tamin’ny zanany vavikely koa i Patricia. Hoy izy: “Izy ihany no mba havako, ka niezaka nikarakara azy tsara aho.”

Mijanona any amin’ilay tany nifindrany ihany ny mpifindra monina maro, na dia manirery sy tsy manam-bola ary misaraka ela amin’ny fianakaviany aza. Tena lany vola sy hery mantsy izy mba hifindrana, ka na tsy mandeha tsara aza ny fiainany, dia tsy sahy mody izy fa menatra sy tsy te ho afa-baraka.

I Allan kosa nanana herim-po hodiana tany Philippines. Nahita asa tany Espaina izy, fa nody rehefa afaka herintaona sy tapany. Hoy izy: “Nalahelo be an’ilay vadiko sy ny zanakay vavikely aho. Nanapa-kevitra aho fa tsy hiasa any andafy intsony raha tsy miaraka izahay mianakavy. Izany no nataonay tatỳ aoriana. Mbola zava-dehibe lavitra noho ny vola ny fianakaviana.”

Hitan’i Patricia koa fa misy zavatra hafa lehibe kokoa noho ny vola. Nanana Baiboly “Testamenta Vaovao” na Soratra Grika Kristianina izy rehefa tonga tany Espaina. Hoy izy: “Nataoko toy ny hoe mpiaro ahy ilay boky. Nihaona tamin’ny vehivavy iray Vavolombelon’i Jehovah aho avy eo. Tsy tiako ny niresaka tamin’izy ireny, ka nototofako fanontaniana ilay Vavolombelona mba hampisehoana fa diso ny zavatra inoany. Gaga anefa aho fa vitany ny niaro ny finoany sy namaly ny fanontaniako tamin’ny alalan’ny Baiboly.”

Lasa fantatr’i Patricia fa tsy miankina amin’ny toerana ipetrahana na ny vola ny tena fahasambarana dieny izao sy amin’ny hoavy, fa miankina amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany momba antsika. (Jaona 17:3) Nianarany koa fa i Jehovah no anaran’ilay tena Andriamanitra. (Salamo 83:18) Hitany tao amin’ny Baiboly fa hanafoana ny fahantrana rehetra Andriamanitra, amin’ny alalan’ilay Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy. (Daniela 7:13, 14) Hoy ny Salamo 72:12, 14: “[Hovonjen’i Jesosy] ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”

Nahoana àry raha manokana fotoana handinihana ny Baiboly? Hanampy anao io bokim-pahendrena avy amin’Andriamanitra io ka ho fantatrao izay tokony hatao laharam-pahamehana. Ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara koa ianao, ho faly foana na misy fitsapana aza, ary tsy hanary toky.—Ohabolana 2:6-9, 20, 21.