Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Israely

Tsy mahazo mitory an’ireo mpitsabo intsony ny ankizy “manan-kilema, satria fotsiny hoe tokony ho hita talohan’ny nahaterahany ilay kilema”, hoy ny tatitra nataon’ny Haaretz.com. Afaka mangataka onitra anefa ny ray aman-dreny noho ny “vola fanampiny laniny itaizana zaza kilemaina sy mba hanomezana izay ilainy mandritra ny androm-piainany.”

Aostralia

Aostralianina 8 isaky ny 10 no manao tokantranomaso aloha vao misora-panambadiana.

Gresy

Hita tamin’ny antontan’isa navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana any Gresy fa niakatra 40 isan-jato ny isan’ny Grika namono tena nandritra ny dimy volana voalohany tamin’ny 2011, raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 2010. Tamin’ny fotoana nisian’ilay olana ara-bola farany izany.

Etazonia

Efa ho ny 40 isan-jaton’ny sakafo no verivery fotsiny manerana an’i Etazonia, hoy ny Filan-kevitra Miaro ny Harena Voajanahary. Tombanana ho 7 isan-jaton’ny vokatra, ohatra, no simba fotsiny eny an-tsaha, 17 isan-jaton’ny sakafo any amin’ny hotely no tsy misy mihinana, ary 25 isan-jaton’ny sakafo vidin’ny olona no ariany.

Madagasikara

Hita teto Madagasikara vao haingana ny tanalahy kely indrindra eran-tany. Mety hahatratra 29 milimetatra izy io, ary antonona eo amin’ny loha rantsana ny sasany. Atahorana ho lany tamingana anefa izy ireo satria simba ny fonenany.