Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Tsy Ampy eo Amin’ireo Sary Ireo?

Vakio ny Ohabolana 18:10 sy 26:17. Jereo amin’izay ny sary. Inona no tsy ampy eo? Soraty eo ambany ny valin-teninao ary ampifandraiso ireo teboka mba hamenoana an’ireo sary. Lokoy ny sary avy eo.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

IARAHA-MIDINIKA:

Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo? Ampy ve ny mahalala ny anaran’Andriamanitra raha te ho tiany?

Vakio ny Salamo 91:2; Ohabolana 3:5, 6.

Nahoana no hendry ianao raha tsy midikiditra amin’ny fiainan’ny hafa?

Vakio ny Galatianina 6:5-7; 1 Tesalonianina 4:11; 1 Petera 4:15.

Vakio koa ny Ohabolana 26:18, 19. Tsy mampaninona ve ny manao vazivazy mampalahelo ny hafa?

Vakio ny Ohabolana 14:13; 15:21; Matio 7:12.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Iaraho mamaky ny Ohabolana 31:10-31. Asaina manao fihetsika mampiseho ny zavatra ataon’ny vady tsara ny iray aminareo ary tsy miteny. Miezaka mamantatra an’ilay zavatra ataony ny ambiny. Iaraho midinika hoe inona no asa azonareo ianarana mba ho olona tsara kokoa ianareo.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

KARATRA ARA-BAIBOLY 10 SOLOMONA

FANONTANIANA

A. Tsy harena na andro maro no nangatahin’i Solomona, fa inona?

B. Fenoy ny banga: Nahavita nilaza ohabolana ․․․․․ i Solomona ary nahatratra ․․․․․ ny hirany.

D. Iza no anarana hafa nomena an’i Solomona?

[Tabilao]

4026 Talohan’i Kristy Taona 1 98

(T.K.)

Noforonina Niaina tamin’ny Vita ny fanoratana

i Adama 1000 T.K. tany ho any ny Baiboly

[Sarintany]

Nanao dia 2 400 kilaometatra teo ho eo ny mpanjakavavin’i Sheba, mba hihaino ny fahendren’i Solomona

SHEBA

Jerosalema

SOLOMONA

MOMBA AZY

Faharoa amin’ny zanak’i Davida sy Batseba izy ary nanjaka 40 taona teo amin’ny Israely. Nanamboatra trano ngeza be hivavahana amin’i Jehovah izy. (1 Mpanjaka 5:2-5) Nasain’i Jehovah nanoratra ny Ohabolana sy ny Mpitoriteny ary ny Tononkiran’i Solomona izy. Vehivavy hafa firenena no vadiny ka notarihin’ireo mba tsy hivavaka amin’i Jehovah izy.—1 Mpanjaka 11:1-6.

VALINY

A. Fo mankatò.—1 Mpanjaka 3:5-14.

B. 3 000, 1 005.—1 Mpanjaka 4:29, 32.

D. Jedidia, midika hoe “Tian’i Jehovah.”—2 Samoela 12:24, 25.

Olona sy Tany

3. Chloe no anarako, sivy taona aho, ary mipetraka atỳ Kanada. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Kanada: 55 000 sa 88 000 sa 110 000?

4. Aiza amin’ireo teboka ireo no mampiseho ny atỳ aminay? Ataovy anaty boribory izany. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Kanada.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Raha te hanao pirinty an’ireo “Natao Hodinihin’ny Mpianakavy” ianao, dia mankanesa ao amin’ny www.jw.org

● Any amin’ny pejy 24 ny valin’ny “NATAO HODINIHIN’NY MPIANAKAVY”

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Tilikambo mafy.

2. Alika.

3. 110 000.

4. A.