Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Rehefa mihalehibe ny zanakao, ahoana no anampianao azy hahita hoe ilaina ny mankatò? Mandra-pahalehibeny, ahoana no anampianao azy hanana ny fahaizana ilainy? Mariho izay nolazain’ny ray aman-dreny sasany any amin’ny tany samihafa.

FANAOVANA RAHARAHA SY FIFANDRAISANA AMIN’NY HAFA

“Mianatra mihaino ny ankizy rehefa miara-misakafo izahay mianakavy ka miresaka an’izay nataonay. Rehefa hitan’izy ireo hoe mihaino tsara izahay mivady, dia lasa mifanaja izy ireo sady mahatsapa hoe manana ny hajany.”—Richard, Grande-Bretagne.

“Tiako erỳ ny mahita hoe mifanaja ny zanakay sady tsy mila anay rehefa mandamina ny olana eo amin-dry zareo. Sahy miresaka amin’ny olon-dehibe koa izy ireo.”—John, Afrika Atsimo.

“Tsy lavorary aho ka manao zavatra mampalahelo ny zanako, indraindray. Tena mila miala tsiny aho rehefa mitranga izany.”—Janelle, Aostralia.

“Zarinay hanao raharaha ao an-trano ny zanakay. Lasa milamina tsara ny fiainana ao an-trano sady mba afa-po amin’izay ataony ny ankizy rehefa ampianarina hanao zavatra ho an’ny hafa.”—Clive, Aostralia.

“Mila ampianarina hifampiahy sy hifanaja ary hifamela heloka ry zareo na dia tsy mora aza izany.”—Yuko, Japon.

FAHADIOVANA SY FAHASALAMANA

“Nampianarinay handro irery ny zanakay tamin’ny mbola kely, ka mba hitiavany an’izany dia savony miendrika sariolona sy ranon-tsavony fanasana loha ao amin’ny fitoerany misy sarisary ary spaonjy miendrika biby no nampiasainay.”—Edgar, Meksika.

“Nasiako savony sy rano foana teo amin’ny toerana talaky maso, tamin’izahay nipetraka tany amin’ny toerana tsy nisy raobine. Amin’izay izahay afaka manasa tanana foana raha vao miditra ny trano.”—Endurance, Nizeria.

“Omenay sakafo mahasalama ny zanakay isan’andro, ary hazavainay hoe nahoana no ilaina ny sakafo voalanjalanja. Asaiko manampy ahy hikarakara sakafo ny ankizy satria te hahalala an’izay zavatra afangaro ao. Lasa mifampiresaka koa izahay rehefa miara-mahandro.”—Sandra, Grande-Bretagne.

“Tena ilaina ny fanatanjahan-tena ka miezaka ho modely ho an’ny zanakay izahay. Faly ny ankizy rehefa miaraka mihazakaza izahay, na milomano, na manao tenisy na baskety, na mitaingina bisikileta. Hitan’izy ireo fa sady mahasoa no mahafinaritra ny manao spaoro.”—Keren, Aostralia.

“Tena ilain’ny ankizy ny miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Tsy misy mahasolo an’izany na vola na fanomezana na fanaovana dia. Maraina ihany aho no miasa satria amin’iny ny ankizy no mianatra. Afaka miaraka amin’izy ireo kosa aho amin’ny tolakandro.”—Romina, Italia.

FIFEHEZANA

“Hitanay hoe tsy misy fomba iray tena tsara hifehezana ny ankizy, fa arakaraka ny toe-javatra ihany. Resaka tsy an-kifonofono indraindray no ilaina, na tsy avela manao zavatra sasany tiany izy.”—Ogbiti, Nizeria.

“Tianay ho azo antoka hoe azon’ny ankizy ny toromarika omenay azy ka asainay averiny tenenina. Ampiharinay ilay izy avy eo. Raha tiana hampihatra an’izay reny ny ankizy dia tokony hosazina rehefa tsy mankatò.”—Clive, Aostralia.

“Hitako hoe tsara kokoa raha miondrika aho mba hitovitovy halava amin’ny zanako, rehefa mibedy azy. Mifanitsy tsara ny masonay amin’izay, ka mihaino ahy tsara izy. Hitan’izy ireo koa amin’izay ny endriko, ka azony tsara izay tiako hotenenina.”—Jennifer, Aostralia.

“Miezaka izahay mba tsy hiteny amin’ny zanakay hoe tsy mihaino mihitsy izy, na dia toa tsy mihaino tokoa aza izy. Tsy bedesinay eo imason’ny iray tam-po aminy koa ry zareo. Bitsibitsihinay izy na mitokana kely izahay rehefa hiresaka.”—Rudi, Mozambika.

“Mora manaraka efa sy tia maka tahaka ny hafa ny ankizy. Ilainay àry ny miaro azy ireo amin’ny fitaoman-dratsin’ny mpiara-mianatra aminy sy ny fampitam-baovao ary ny manodidina azy. Ampianay hanana fitsipika tsara momba ny fitondran-tena koa izy ireo, mba hahafahany mandà zava-dratsy.”—Grégoire, Repoblika Demokratikan’i Congo.

“Tokony ho hentitra sy hahay handanjalanja ary tsy hiovaova hevitra ianao rehefa manafay. Tsy maintsy atao azon’ny ankizy hoe inona no vokany rehefa manao zavatra tsy mety izy, ary tokony ho fantany hoe manatanteraka an’izay lazainao ianao.”—Owen, Angletera.

[Teny notsongaina, pejy 14]

“Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21

[Efajoro/Sary, pejy 15]

MOMBAMOMBA NY FIANAKAVIANA IRAY

Tokan-tena Nefa Mahomby

Resadresaka amin’i Lucinda Forster

Inona no tena mafy aminao noho ianao tokan-tena?

Efa sarotra aloha ny hoe reny. Vao mainka sarotra anefa ny mandamina fotoana sy mitsitsy hery rehefa tokan-tena. Mila ampianarina ny fitsipika momba ny tsara sy ratsy ny ankizy, nefa ilaina koa ny miaraka aminy miala voly sy mifaly. Matetika aho no tsy maka aina mba hahavitako raharaha.

Inona no hataonao mba hifampiresahana tsara amin’ny zanakao foana?

Matahotahotra sy tezitra ny ankizy, rehefa misaraka ny ray aman-dreniny. Hitako hoe tena ilaina ny mifampijery sy manao teny malefaka, rehefa misy olana. Andrasako ho tonitony izahay vao milaza ny hevitro aho, ary tsy itariko be ilay olana. Anontaniako ny hevitr’izy ireo, henoiko tsara izay lazainy, ary asehoko fa tena mihevitra ny fihetseham-pony aho. Manara-maso ny fianaran’izy ireo aho ary midera azy amin’izay ataony. Miara-misakafo foana izahay ary ataonay mahafinaritra izany. Ilazako foana izy ireo hoe tiako be.

Ahoana no ifehezanao azy ireo?

Mila fitsipika mazava tsara ny ankizy ary tsy tokony hovaovana izany. Miezaka ho tsara fanahy aho nefa hentitra. Tsy maintsy mampisaintsaina ny zanako aho ary manazava aminy ny maharatsy ny zavatra iray nataony. Ezahiko fantarina aloha ny antony nanaovany zavatra iray, izay aho vao manafay azy. Miala tsiny aminy aho raha nanao zavatra tsy nety, ohatra hoe diso ny fandraisako ny zava-nitranga iray.

Ahoana no anampianao ny zanakao hanaja ny hafa?

Ampahatsiahiviko azy ireo ilay tenin’i Jesosy hoe izay tianao hataon’ny olona aminao no tokony hataonao aminy. (Lioka 6:31) Ampirisihiko koa ry zareo mba hiezaka handamina ny olana eo aminy. Nasehoko azy fa tokony halemy fanahy sy ho tsara fanahy foana izy ireo rehefa miteny, na tezitra aza.

Inona no fialam-bolinareo?

Tsy voatery hanam-bola hanaovana vakansy foana izahay. Jerenay amin’ny gazety àry izay zavatra azo atao nefa tsy lafo loatra. Mitsangantsangana izahay na mankany amin’ny toerana fambolena zavamaniry. Mamboly zava-maitso eo an-jaridaina izahay ary faly erỳ maka azy ireny hatao sakafo. Tena ilaina ny miala voly, na dia hoe mankeny amin’ny zaridainam-panjakana fotsiny aza.

Inona no zavatra mahafaly anao sy ny valisoa noraisinao?

Tsy mora ny fiainanay noho izaho mitaiza irery ny zanako. Nampifanakaiky kokoa anay anefa izany ary nampianatra anay hankasitraka ny fitahiana azonay. Tiako ny mahita ny zanako mihalehibe sy samy manana ny maha izy azy. Tia miaraka amiko ry zareo izao ary tiako ny miaraka amin-dry zareo. Fantany rehefa falifaly aho na malahelohelo, ka fihinin’izy ireo aho indraindray mba hampaherezana ahy. Tena faly aho mahita an-dry zareo mampiseho ny fitiavany ahy. Tsapanay koa fa tia sy mikarakara anay ilay Mpamorona ary manampy anay amin’ny sarotra. Mampahery ahy ny Baiboly ka miezaka ny ho reny tsara foana aho.—Isaia 41:13.

[Sary]

Lucinda miaraka amin’i Brie sy Shae zanany