Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita Zavatra Tsara Kokoa Izahay

Nahita Zavatra Tsara Kokoa Izahay

Nahita Zavatra Tsara Kokoa Izahay

NOTANTARAIN’I FRANCIS DEL ROSARIO DE PÁEZ

Niara-nanao fampisehoana tamin’ireo anadahiko aho tamin’ny 1988, tao amin’ny Madison Square Garden any New York. Nisy tarika hafa nihira koa tao, ary an’arivony no nijery anay. Mpandihy tao amin’ny tarikay aho, ary tena tian’ny olona izahay. Ny fanampian’i Dada hatramin’izahay mbola kely no tena nampahomby anay.

MPAHAY mozika i Dada, ka voamariny fa nanan-talenta tamin’ny mozika ireo zokiko fito lahy. Namidiny àry ny tranonay, mba hividianana zavamaneno sy fitaovana hafa ilaina hamoronan’izy ireo tarika. Mbola kely aho tamin’izany satria teraka tamin’ny 1966, taona vitsivitsy talohan’izay. Nipetraka tany Higüey, eto amin’ny Repoblika Dominikanina, ny fianakavianay tamin’izany.

Tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Higüey no nanao fampisehoana voalohany ireo anadahiko, tamin’ny 1978. Nifindra trano tany Saint-Domingue renivohitra izy ireo, tatỳ aoriana. Nanomboka nihira sy nitendry mozika merengey vaovao ry zareo, ka lasa nalaza be. * Los Hermanos Rosario (Ry Rosario Mirahalahy) no natao anaran’ilay tarika.

Te hiditra tao amin’ilay tarika aho, satria efa nofinofiko hatry ny ela ny ho mpandihy malaza. I Pepe anadahiko no lehiben’ilay tarika tamin’izany, ka nasainy nandihy aho tamin’ny lanonana iray. Hoy izy: “I Francis no zandrinay faravavy, ary tena mahay mandihy izy.” Nampitolagaga ny rehetra ny fandihiko. Nohararaotiko izany mba hilazana tamin’i Pepe, fa te ho mpandihy ao amin’ny tarik’izy ireo aho. Nanomboka nandihy tamin’ny fampisehoana rehetra nataon’ny Los Hermanos Rosario àry aho, tamin’izaho 16 taona.

Lasa nalaza ny tarikay

Mbola tsy nisy mpihira merengey nanana vehivavy mpandihy mihitsy talohan’izay, na dia efa nisy vehivavy niara-nihira tamin’izy ireo aza. Namorona dihy mirindra vaovao aho, mba hampifanarahana amin’ilay mozika merengey notendren’ny tarikay. Nantsoina hoe a lo Francis Rosario ny fomba fandihiko, nony fantatr’olona tsara.

Nanana hira merengey nitondra ny lohateny hoe “Cumandé” izahay. Nisy an’izao tao amin’ny tonony: “Y ahora todo el mundo como Francis Rosario” (Manaraka an’i Francis Rosario daholo izao e!). Nanahaka ny fomba fandihiko ny olona tamin’izay. Tsy nandihy izy ireo indraindray, fa nipetraka tamin’ny tany fotsiny mba hijery ahy. Tatỳ aoriana, dia ny sariko ihany no nampiasaina hampahafantarana fa hanao fampisehoana ny tarikay. Vao nahita izany ny olona, dia fantany fa hiakatra an-tsehatra ny Los Hermanos Rosario.

Lasa niampy mpitendry zavamaneno hafa ilay tarika, rehefa nanomboka nandihy niaraka tamin’izy ireo aho. Anisan’izany ry Páez telo mirahalahy. Mpitsoka trompetra ny iray tamin’izy ireo, dia i Roberto. Lasa vadiko izy tatỳ aoriana. Nihanalaza ny tarikay rehefa niampy an-dry Páez. Lasa nahazo fanasana be dia be hihira tao amin’ny tele tao Saint-Domingue sy tany an-tany hafa izahay.

Nanao fampisehoana tany Etazonia sy Kanada izahay tamin’ny 1988. Anisan’izany ilay tao amin’ny Madison Square Garden, notantaraiko terỳ aloha. Maro ny mpihira merengey malaza nandray anjara tao, fa izahay no tian’ny olona indrindra. Taorian’izay, dia ny tarikay foana no nangatahina hamarana ny fampisehoana nandraisanay anjara. Vao mainka nihabe mpitia ny fandihiko, ary nihamaro ny mpankafy anay. Lasa be mpividy koa ny raki-kiranay.

Nitety tany maro izahay, anisan’izany i Kolombia, Ekoatera, Panama, Porto Rico, Curaçao, Espaina, Alemaina sy ny hafa koa. Tsy ela dia anisan’ireo tarika nankafizin’ny olona indrindra teto Amerika Latinina izahay. Ny dihy, ny fiakarana an-tsehatra, ny fitafiana, ary ny makiazy, no lasa zava-dehibe indrindra tamiko.

Matetika aho no niteny toy izao, tamin’ny mbola mpitovo: “Raha misy lehilahy tia ahy nefa tsy tia mandihy, dia aleoko misaraka aminy toy izay tsy handihy intsony.” Niova anefa ny fiheverako izay tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainana.

Lasa liana tamin’ny fivavahana

Nanomboka niova aho, tamin’izahay nanao fampisehoana tany amin’ny Nosy Canaries, tamin’ny 1991. Vao nivady izahay sy Roberto tamin’izay. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Freddy rahalahiny, izay anisan’ilay tarikay. Nisy boky sy gazetin’izy ireo foana tany aminy.

Hitako tao amin’ny efitranon’i Freddy indray andro, ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, ka novakiko. Tena nahaliana ahy ilay toko hoe “Karazan-toerana Manao Ahoana moa ny Fiainan-tsi-hita na Afobe?” Nahasarika ny saiko ilay izy, satria nilaza i Neny fa hodorana any amin’ny afobe izay manao ratsy, ka natahotra ny ho lasa any aho.

Afa-jaza aho herinandro vitsivitsy taorian’izay, raha mbola tany amin’ny Nosy Canaries izahay. Nasaiko nangatahin’i Roberto tamin’i Freddy ilay boky hitako tany aminy, rehefa nentin-dry zareo tany amin’ny hopitaly aho. Tiako hovakina tany mantsy ilay boky. Tena nahafinaritra ahy ilay izy. Nianarako tao, ohatra, fa tsy mampianatra momba ny afobe ny Baiboly, ary tsy tao an-tsain’Andriamanitra akory ny hampijaly olona. (Jeremia 7:31) Gaga aho nahafantatra fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, araka ny lazain’ny Baiboly.—Mpitoriteny 9:5, 10.

Naniraka Vavolombelon’i Jehovah hitsidika anay i Freddy, rehefa niverina teto amin’ny Repoblika Dominikanina izahay. Nolazainy taminay fa mampanantena fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany ny Baiboly, ka liana koa ny vadiko. (Salamo 37:29; Lioka 23:43) Nangataka ny hampianarina Baiboly àry izahay.

Zavatra hafa indray no natao loha laharana

Nanomboka niova ny fiheverako ilay asa tena tiako, rehefa nitombo ny fahalalako ny Baiboly. Lasa namolavola ny fomba fisainako ny toro lalan’ny Baiboly. (Romanina 12:2) Nanontany tena aho hoe: ‘Tena tsy maintsy mandihy toy izao eo anoloan’ireo olona rehetra ireo ve aho? Tsy izao no iriko hatao.’ Nivavaka tamin’Andriamanitra aho hoe: “Mba ampio aho ho afaka amin’izao toe-javatra izao.” Noresahiko tamin’ny vadiko izany rehetra izany, ary niombon-kevitra tamiko izy. Hoy izy: “Mahareta kely, Malala a! Ianao no miala voalohany amin’ny tarika, ary hanaraka aho avy eo.”

Bevohoka indray aho ka tsy nandihy matetika intsony. Afaka nivory imbetsaka kokoa tany amin’ny Efitrano Fanjakana àry izahay sy Roberto. Nampahery anay izany, ary nahatonga anay hiaiky fa tena mahasoa ny miara-mivory amin’ny vahoakan’i Jehovah. Tsapanay fa mila ny fampianarana sy fampaherezana avy amin’ny fivoriana kristianina izahay, raha te handroso ka hampihatra ny fahamarinana ara-baiboly. (Hebreo 10:24, 25) Nitady Efitrano Fanjakana sy nandeha nivory foana izahay sy Roberto, na dia rehefa niasa tany ivelan’ny Repoblika Dominikanina aza.

Niverina nandihy aho rehefa avy niteraka, nefa tsy nafana fo intsony. Hita be hoe niova aho, ka nanomboka nanakiana ahy ny mpanao gazety. Matetika aho no nisy nanontany hoe: “Fa maninona no tsy toy ny taloha intsony ny fandihinao?” Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba ho afaka tamin’izany zava-manahirana izany, ka tsy hahita olana amin’ireo anadahiko. Efa anisan’ny tompon’ilay tarika mantsy aho, ka tsy te hiady amin’izy ireo.

Niteny tamin’i Rafa aho rehefa bevohoka indray, fa tsy hiverina hiasa intsony aho satria mila fotoana bebe kokoa hikarakarana ny ankizy. Izy mantsy no lasa lehiben’ilay tarika, taorian’ny nahafatesan’i Pepe. Nilaza tamiko izy hoe: “Ataovy izay mety indrindra aminao.” Tsy nanohitra ny fianarako Baiboly ireo anadahiko, ary tena mahafaly ahy izany.

Fiainam-baovao anompoana an’i Jehovah

Niala tamin’ilay tarikay aho tamin’ny 1993, rehefa avy nandihy tao nandritra ny folo taona. Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho avy eo. Lasa mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra aho, ary natao batisa izahay sy Roberto tamin’ny 1994, rehefa avy niala tamin’ilay tarika izy. (Matio 24:14) Lasa Vavolombelona i Freddy sy Julio rahalahin’i Roberto, ary Manuel Pérez izay anisan’ilay tarika koa. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izy ireo hatramin’izao.

Tsy azon’ny olona maro hoe nahoana aho no tsy nandihy tao amin’ilay tarika intsony, na dia tena tiako aza ilay izy. Nisy nihevitra fa fiovana kely mandalo fotsiny izany. Nilaza, ohatra, ny mpiasan’ny tele malaza iray, teto amin’ny Repoblika Dominikanina, hoe: “Toy ny artista hafa rehetra, dia hiverina amin’ilay tarika izy, rehefa tapitra izany.” Tsy nitranga mihitsy anefa izany. Efa nanapa-kevitra aho fa hanokan-tena hanompo an’i Jehovah, araka izay fara heriko.

Telo izao ny zanakay: i Katty sy Roberto ary Obed. Miezaka mampianatra azy ireo izahay hoe ny fifandraisana amin’Andriamanitra no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana, fa tsy ny vola aman-karena. Noho ny zavatra niainanay, dia afaka mampitandrina azy ireo tsy ho voafitak’ity tontolo ity izahay, sady afaka manome azy ireo tari-dalana tsara ilainy eo amin’ny fiainana. Tena mahasoa anay ny fianaram-pianakavianay isan-kerinandro. Mampiray anay izy io, na dia mihamisara-bazana aza ny fianakaviana eo amin’ity tontolo ity.

Ampianay ny zanakay mba hino fa tena misy i Jehovah sady azony itokisana. (Ohabolana 3:5, 6; Hebreo 11:27) Nasehonay azy ireo koa, fa ilaina ny manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’izany. Mandroso tsara izy ireo, ka mampihatra ny fahamarinana ara-baiboly. Valisoa sarobidy ho anay izany. Roa taona izao no naha mpisava lalana mpanampy ahy. Izany no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitory ao aminy, izay manokana 50 ora na mihoatra isam-bolana, hiresahana amin’ny hafa ny finoany miorina amin’ny Baiboly. Efa aman-taonany koa no anti-panahy teo anivon’ny fiangonana kristianina ny vadiko.

Mbola mahafinaritra ahy ny fandihy merengey. Mampalahelo anefa fa hafa be amin’ny taloha, ny maro amin’ireo merengey be mpitia ankehitriny. Tsy dia nahitana fihetsika tsy mendrika loatra izy ireny taloha. Tsy maintsy mifantina tsara anefa isika izao, raha mitady mozika merengey mety amin’ny Kristianina.

Tsy misy tsara noho ny manompo an’i Jehovah

Maro ny zavatra atolotr’ity tontolo ity, nefa tsy maintsy dinihina tsara izay ao ambadik’izy ireny. Marina izany raha ny tontolon’ny mozika no resahina. Toa manintona sy tsy mampidi-doza izy ireny, nefa tsy izany no tena izy. Maro amin’ny olona tafiditra amin’izy ireny no mampiasa zava-mahadomelina sy maloto fitondran-tena. Rehefa manao fampisehoana ianao, dia lasa mifanerasera amin’olona maty eritreritra sy tsy mitady afa-tsy ny hanaram-po amin’ity fiainana ity.—1 Korintianina 15:33.

Miaiky izahay izao fa tsy misy tsara noho ny manompo an’i Jehovah. Indray mandeha, rehefa avy nanao fampisehoana goavana iray izahay, ka nody tao amin’ny hotely fatoriana, dia tsapako fa tsy nisy heviny ny fiainako. Takatro anefa izao ny antony: Tsy nifandray tamin’Andriamanitra izahay, nefa tena ilaina izany.—Matio 5:3.

Ny hampifaly ny Mpamorona izao no imasoanay eo amin’ny fiainana, ka miezaka mafy izahay mitory sy mampianatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. (Matio 24:14; Asan’ny Apostoly 20:35) Sambatra sy afa-po izahay mianakavy manao izany. Velom-pankasitrahana izahay satria anisan’ny vahoakan’Andriamanitra, ka manana tena namana, dia ireo anadahy sy rahavavinay ao amin’ny finoana. Manana fanantenana kanto koa izahay, dia ny hiara-miaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.—Marka 10:29, 30; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.

Nahazoanay vola be ireo fampisehoana nataonay. Nahita harena ara-panahy anefa izahay rehefa nahalala an’i Jehovah Andriamanitra, ary tsy misy harena sarobidy noho izany. Tena sambatra izahay afaka manompo Andriamanitra falifaly sy manana fikasana, sady manasa anay hitoky aminy! (Salamo 37:3) Tena miaiky izahay fa nahita zavatra tsara lavitra noho ny laza sy harena. Mivavaka izahay mba hanampian’i Jehovah anay mianakavy hanao ny sitrapony mandrakizay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Karazana mozika fandihizana ny merengey. Taloha dia mpanakanto vitsivitsy no niara-nihira azy io, ka zavamaneno maromaro no nampiasainy. Anisan’izany ny angorodao, ny karazana amponga kely atao hoe tambora, ary ny guiro (zavamaneno vita amin’ny metaly). Nisy tarika lehibe kokoa niforona tatỳ aoriana (orquestas no iantsoana azy any amin’ny Repoblika Dominikanina). Maro izao ny mpihira merengey mampiasa zavamaneno elektronika, saksaofaonina, trompetra, ary karazan’amponga atao hoe conga sy zavamaneno hafa.

[Sary, pejy 21]

Miaraka amin’olon-kafa tao amin’ilay tarika, tamin’izaho vao niditra tao

[Sary, pejy 21]

Fampisehoana tany New York, 1990 tany ho any

[Sary, pejy 23]

Eo anoloan’ny Efitrano Fanjakana

[Sary, pejy 23]

Sary kely: Mandritra ny fianaram-pianakaviana