Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandaitra ny Fitorian’ny Tanora

Mandaitra ny Fitorian’ny Tanora

Mandaitra ny Fitorian’ny Tanora

Maro ny tanora Vavolombelon’i Jehovah sahy miresaka momba ny finoany, any am-pianarana sy rehefa mitory miaraka amin’ny fiangonany. Tena mahita vokatra izy ireo amin’izany. Diniho ireto ohatra ireto. *

Hoy i Kristina: “Tamin’izaho tao amin’ny kilasy faha-3, dia nanome anay karine kely hanoratanay ny zavatra nataonay isan’andro ny madamanay. Nilaza izy fa hamaky an’ilay izy ary hanisy fanamarihana ao anatiny. Nosoratako tao ny momba ny famelabelarana hataoko ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Nahagaga an’ilay madama izany, ka nasaiko ho any amin’ny Efitrano Fanjakana izy mba hihaino ahy. Tsy izy irery anefa no tonga, fa niaraka taminy koa ilay mpampianatra anay tamin’ny kilasy voalohany. Rehefa tany am-pianarana, dia notantarainy tamin’ny iray kilasy fa tena nahafinaritra azy ilay famelabelarana nataoko. Faly be mihitsy aho. Tsy vitan’izay anefa, fa herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, dia afaka nitantara izany zava-nitranga izany aho, teny amin’ny fivoriamben’ny faritry ny Vavolombelon’i Jehovah. Teo koa ilay madama tamin’izay. Nitsidika azy izahay sy ilay mpisava lalana namako izay, tatỳ aoriana, ary nanome azy an’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tonga nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra mihitsy aza izy!”

Enin-taona i Sydnee, ary sahy sy mahay mitory amin’ny mpiara-mianatra aminy momba ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’izany ny momba ny maty, sy ny fahefan’i Jesosy raha oharina amin’ny an’Andriamanitra. Hoy ny reniny: “Mpitory kely be zotom-po izy iny sady tsy mba matahotahotra.” Nalahelo i Sydnee rehefa nifarana ny taona voalohany nianarany. Hoy izy: “Malahelo an’ireo mpiara-mianatra amiko aho. Ahoana izao no hianaran’izy ireo momba an’i Jehovah?” Nahita hevitra izy. Notolorany fanomezana tsirairay avy ny ankizy iray kilasy taminy, tamin’ny faran’ny taom-pianarana. Ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, no tao anatin’ilay izy. Nizara boky 26 i Sydnee, ary nilazany ny ankizy hoe azon’izy ireo sokafana ilay fanomezana, rehefa tonga any an-tranony miaraka amin’ny ray aman-dreniny izy ireo. Mitory amin’ny mpiara-mianatra aminy foana i Sydnee, ka lasa faritany fitoriany mihitsy ny sekoliny. Nitelefaonina azy ireo mihitsy aza izy, mba hahafantarana raha nahafinaritra azy ireo ilay boky. Nilaza ny ankizivavy iray fa mamaky an’ilay boky izy sy ny reniny, isan’alina.

Tamin’i Ellen 15 taona, dia nomeny gazety Mifohaza! maromaro ny mpampianatra azy. Hoy izy: “Tena tian’ilay ramose mpampianatra tantara ilay izy, ary efa ho roa taona izy izao no namaky ny Mifohaza! Vao haingana koa izy no nomeko ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nilaza izy fa tena tia be an’ilay boky ny zanany roa vavy. Nomeko azy koa àry ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Nanoratra izy tatỳ aoriana hoe: ‘Misaotra indrindra tamin’ireo boky nomenao. Tena variana tanteraka amin’ilay izy aho, ary toy izany koa izy mirahavavy. Mahafaly ny mahita tanora matotra sy mifantoka amin’ny fivavahana toa anao. Manana finoana miavaka ianao, ary tsy misy fanomezana azo ampitahaina amin’izany. Be lavitra noho ny zavatra azoko ampianarina anao ny nampianarinao ahy!’ ” Hoy ihany i Ellen: “Hitako avy tamin’iny zavatra niainako iny fa tena mankasitraka ny fahamarinana ara-baiboly ny olona, rehefa miezaka manambara izany aminy isika.”

Enin-taona i Daniel tamin’izy nampianatra Baiboly voalohany. Hoy izy: “Niaraka tamin’i Neny aho, rehefa nampianatra Baiboly izy. Tiako anefa raha izaho mihitsy no nampianatra olona.” Nankany amin-dRamatoa Ratcliff àry i Daniel. Efa nomeny boky ara-baiboly io vehivavy zokiolona io taloha. Hoy izy taminy: “Tiako haseho anao ny boky tiako indrindra, mitondra ny lohateny hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Afaka tonga atỳ isan-kerinandro ve aho mba hamaky azy io aminao?” Nanaiky ilay ramatoa. Hoy i Laura, renin’i Daniel: “Ny androtr’iny ihany dia nanomboka nampianatra an’i Rtoa Ratcliff izahay mianaka. Nifandimby namaky ny fehintsoratra izy sy Daniel, ary nasain’i Daniel novakiny ny andinin-teny sasany amin’ny faran’ilay tantara. Ny fanazavan’i Daniel ihany no tena nahaliana azy, na dia teo aza aho!” Nianatra an’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany i Daniel sy Rtoa Ratcliff, tatỳ aoriana. Efa lehibebe sy nahay namaky teny i Natalie anabavin’i Daniel tamin’izay, ka nanatrika an’ilay fianarana koa. Nametraka fanontaniana maro be ilay ramatoa, ary tena sarotra ny sasany. Nahita andinin-teny hamaliana ny fanontaniany anefa i Daniel sy Natalie, rehefa nampiasa ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly sy ny fanondroana teny any amin’ny faran’ny Baiboly. Katolika hatramin’izay niainany Rtoa Ratcliff, nefa faly be izy noho ny zavatra nianarany. Hoy izy indray mandeha, taorian’ny fianarany: “Tahaka izay aho taloha be dia efa nianatra Baiboly!” Mampalahelo fa maty vao haingana Rtoa Ratcliff, teo amin’ny faha-91 taonany. Na izany aza, dia nahatonga azy hahafantatra tsara ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly ny fianarany. Anisan’izany ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny paradisa eto an-tany. Folo taona izao i Daniel ary olona roa no ampianariny Baiboly. Valo taona kosa i Natalie ary mampianatra Baiboly ankizivavy kely mitovy taona aminy.

Mampifaly ny ray aman-dreniny kristianina, ny tanora toa an’i Kristina, Sydnee, Ellen, Daniel, ary Natalie. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia mampifaly ny fon’i Jehovah izy ireo. Tsy hohadinoiny ny fitiavana nasehon’ireny tanora ireny ho an’ny anarany.—Ohabolana 27:11; Hebreo 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo no voaresaka ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Sary, pejy 18]

Kristina (ambony) sy Sydnee

[Sary, pejy 19]

Daniel sy Natalie

[Sary, pejy 19]

Ellen