Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Antony sy ny Vokatry ny Adin-tsaina

Ny Antony sy ny Vokatry ny Adin-tsaina

Ny Antony sy ny Vokatry ny Adin-tsaina

INONA no mahatonga ny adin-tsaina? Miady saina ny olona rehefa manana olana, na manahy, na mitebiteby. Misy vokany ratsy eo amin’ny sainy sy ny vatany izany. Midika ve izany fa ratsy foana ny adin-tsaina? Tsia. Hoy ny Dr. Melissa Stöppler: “Mahasoa indraindray ny adin-tsaina sy tebiteby kely. Rehefa somary miady saina isika eo am-pamitana tetikasa na iraka, dia matetika no lasa mamita tsara izany sy miasa mafy kokoa.”

Rehefa manao ahoana àry ny adin-tsaina no ratsy? Hoy ihany i Stöppler: “Misy vokany ratsy ny adin-tsaina rehefa be loatra, na tsy hainao tsara ny miatrika azy.” Andeha isika hijery antony sasany tena mahatonga ny adin-tsaina.

Ny asa sy ny vola

Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany.” (Mpitoriteny 2:24) Toerana mahabe adin-tsaina anefa any am-piasana, ho an’ny olona maro.

Nanao tatitra ny Fikambanana Eoropeanina Misahana ny Filaminana sy Fahasalamana any Am-piasana, fa ireto matetika no antony sasany mahatonga ny mpiasa hiady saina: Tsy mifampiresaka tsara ny mpampiasa sy ny mpiasa, tsy dia afaka milaza ny heviny ny mpiasa rehefa misy fanapahan-kevitra raisina momba azy, ady amin’ny mpiara-miasa, matahotra sao ho voaroaka, ary karama kely. Reraka loatra àry ny ray aman-dreny sasany rehefa avy miasa, ka zara raha manan-kery hikarakarana ny fianakaviany. Mila karakaraina be anefa ny sasany. Tao anatin’ny herintaona, ohatra, dia tsy maintsy nikarakara mpianakavy marary na antitra, ny Amerikanina 50 tapitrisa teo ho eo. Mety hampiady saina be koa ny tsy fahampiam-bola ao an-tokantrano. Lasa sahirana ara-bola, ohatra, i Rita, manan-janaka roa, rehefa tratran’ny lozam-piarakodia i Leandro vadiny. Tsy afa-mandeha intsony mantsy izy, fa tsy maintsy mampiasa seza misy kodiarana. Nitsotra i Rita hoe: ‘Sady sorena ianao no kivy, rehefa tsy manam-bola ampy hisahanana ny lany rehetra ao an-trano.’

Ray na reny tokan-tena

Sahirana be koa ny ray na ny reny tokan-tena mikarakara ny zanany, ka lasa miady saina. Tsy maintsy mifoha maraina, ohatra, izy mba hikarakara sakafo. Tsy maintsy mampiakanjo ny ankizy izy avy eo, manatitra azy ireo mianatra, ary mandeha haingana mba tsy ho tara any am-piasana. Rehefa tonga any indray izy, dia tsy maintsy mamita izay asa asaina ataony. Mety ho reraka sy ho kivy tanteraka izy, noho izany. Tsy tapitra hatreo anefa ny fahasahiranany. Vao mirava izy, dia mandeha haingana indray maka ny zanany any am-pianarana, mikarakara ny sakafo hariva, ary manao ny raharaha hafa. Hoy i María, reny tokan-tena manan-janakavavy efatra efa zatovo: ‘Miady saina loatra aho, ka mila tsy ho zakako intsony indraindray.’

Miady saina koa ny ankizy

Hoy i Ronald Pitzer, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: “Miady saina be ny tanora maro.” Miova ny toe-batany sy ny fihetseham-pony amin’ny fotoanan’ny fahamaotiana, ka tsy maintsy mizatra amin’izany izy. Eo koa ny zava-tsarotra isan-karazany tsy maintsy atrehiny any am-pianarana. Hoy ny boky Adin-tsain’ny Ankizy (anglisy): “Be dia be ny zava-tsarotra mampiady saina” ny mpianatra, ao anatin’ny iray andro. Anisan’izany ny “lesona sy ny fanatanjahan-tena ary ny fifandraisana amin’ny mpiara-mianatra sy ny mpampianatra.”

Vao mainka miampy ny tebitebin’ny tanora any amin’ny faritra sasany, satria misy mahery setra ny mpiara-mianatra aminy. Tsy lazaina intsony ny tahotra ny fampihorohoroana sy loza hafa. Izao no nosoratan’ny ankizivavy iray: “Raha mamerimberina foana ny ray aman-dreny hoe lasa mampahatahotra ny fiainana, dia hatahotra tokoa izahay.”

Tokony hampahery ny zanany ny ray aman-dreny. Hoy anefa i Pitzer: ‘Mampalahelo fa tsy mahataitra ny ray aman-dreny, na tsy asiany lanjany, na tsy raharahainy ny ankizy sy ny zatovo, rehefa miezaka mamboraka ny ao am-pony lalina.’ Variana amin’ny disadisa eo amin’izy roa koa ny mpivady sasany, ka tsy mahavita mikarakara izay ilain-janany. Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Tito: “Niady foana ny ray aman-dreniko.” Nisaraka ny ray aman-dreniny tatỳ aoriana. Hoy ihany ny boky Adin-tsain’ny Ankizy: “Tsy ny fifamonoana na ny fifamaliana ihany no mampaharary ny fon’ny ankizy. Mampalahelo azy koa ny lolompo rehefa tsikariny, na dia mody saronana teny mamy aza.”

Voka-dratsin’ny adin-tsaina

Mety hanimba be ny fahasalamanao ny adin-tsaina raha mitohy, na tanora ianao na antitra, ary na ny asanao no mahatonga an’ilay izy na ny fianaranao. Rehefa miady saina mantsy ianao, dia midobodoboka be ny fonao, ary miakatra ny tosidranao. Mihabetsaka ny siramamy ao amin’ny ranao, ary mamokatra hormonina ny vatanao. Izao no fanazavana omen’ny mpanoratra iray momba ny fitsaboana: “Raha mitohy ny adin-tsaina, dia lasa miasa be foana na tsy miasa tsara intsony ireo taova miady amin’izany (atidoha, fo, havokavoka, lalan-dra, ary hozatra). Mety hanimba ny vatana na ny saina izany, rehefa mandeha ny fotoana.” Be dia be ny aretina mety hateraky ny adin-tsaina, ary tena mampanahy izany. Santionany fotsiny ireto: aretim-po, fahatapahan’ny lalan-dra, aretina vokatry ny tsy fahampian’ny hery fanefitra, kansera, aretin’ny hozatra sy ny taolana, ary diabeta.

Olona maro anefa no manao zavatra mampidi-doza mba hanamaivanana ny adin-tsainy, indrindra ny tanora. Tena mampanahy ny zavatra ataon’izy ireo. Nitaraina ny Dr. Bettie Youngs hoe: “Tena mahakivy ny mahita tanora miboboka toaka mba hialana amin’ny fijaliany. Misy koa midoroka zava-mahadomelina, mingitrika, maditra, maloto fitondran-tena, mila ady, mahery setra, na mandositra miala ao an-trano. Vao mainka anefa izy mahita olana saro-bahana kokoa noho ilay tiany hialana.”

Zava-misy ankehitriny ny adin-tsaina, ka tsy ho afaka tanteraka. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka anefa, fa betsaka ny zavatra azontsika atao, mba hanamaivanana azy io!

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Miady saina loatra aho, ka mila tsy ho zakako intsony indraindray”

[Sary, pejy 5]

Sahirana be matetika ny ray na reny tokan-tena

[Sary, pejy 6]

Mety hiady saina be koa ny mpianatra