Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 11

Nahoana Isika no Mijaly?

Nahoana Isika no Mijaly?

1, 2. Inona no eritreretin’ny olona maro?

RAVA ny tanàna iray fa nandalovan’ny tsunami. Nanao tifitra variraraka tao am-piangonana ny rangahy iray, ka be dia be no naratra sy maty. Matin’ny kansera ny vehivavy iray, ka lasa kamboty ny zanany dimy.

2 Rehefa mitranga ny loza hoatr’ireny, dia betsaka no mieritreritra hoe: ‘Fa maninona no be dia be no mijaly, sady ratsy toetra be ny olona?’ Efa nieritreritra hoatr’izany koa ve ianao?

3, 4. a) Inona no nanontanian’i Habakoka an’i Jehovah? b) Inona no navalin’i Jehovah azy?

3 Resahin’ny Baiboly fa efa nieritreritra an’izany koa ny olona sasany tena nino an’Andriamanitra. Hoy, ohatra, i Habakoka mpaminany tamin’i Jehovah: “Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako, ary nahoana no misy fifamaliana sy fifandirana?”—Habakoka 1:3.

4 Namaly an’i Habakoka i Jehovah ao amin’ny Habakoka 2:2, 3, ka nampanantena fa hanao zavatra. Tena tia antsika i Jehovah, satria milaza ny 1 Petera 5:7 fa “miahy” antsika izy. Raha tsy tia mahita olona mijaly isika, dia izy mbola tsy tia an’izany mihoatra noho isika. (Isaia 55:8, 9) Nahoana anefa no be dia be no mijaly? Andeha hojerentsika izany.

NAHOANA NO BE DIA BE NO MIJALY?

5. Inona no lazain’ny mpitondra fivavahana rehefa misy olona mijaly? Inona anefa no lazain’ny Baiboly?

5 Rehefa misy olona mijaly, dia matetika ny mpitory teny sy mompera ary pasitera no miteny hoe izany no sitrapon’Andriamanitra. Misy indray milaza fa tsy ho azontsika mihitsy hoe nahoana no mitranga ny zavatra sasany. Efa lahatra avy amin’Andriamanitra daholo, hono, ireny na dia ny zavatra ratsy aza. Ny hafa mampianatra fa alain’Andriamanitra any aminy ny olona matoa maty, na dia ny zazakely aza. Tsy marina anefa izany. Tsy manao ratsy mihitsy i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!”—Joba 34:10.

6. Nahoana ny olona maro no manome tsiny an’Andriamanitra isaky ny misy zavatra ratsy mitranga?

6 Be dia be no manome tsiny an’Andriamanitra isaky ny misy zavatra ratsy mitranga, satria heverin’izy ireo fa izy no mpitondra an’izao tontolo izao. Efa hitantsika tao amin’ny Toko faha-3 anefa fa i Satana Devoly no mpitondra an’izao tontolo izao.

7, 8. Nahoana no be dia be ny olona mijaly?

7 Milaza ny Baiboly fa “izao tontolo izao manontolo”, dia “eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Ratsy toetra sady tsy miantra mihitsy i Satana, ilay mpitondra an’izao tontolo izao. “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” izy. (Apokalypsy 12:9) Be dia be ny olona manahaka azy ka mandainga sy ratsy toetra ary tsy miantra. Anisan’ny mahatonga ny olona hijaly izany.

8 Misy antony hafa koa. Rehefa nanota i Adama sy Eva, dia lasa mpanota daholo ny taranany. Mpanota izy ireo ary te ho ambony noho ny namany. Matetika ny olona sy ny firenena no miady, ary betsaka no mampijaly kely, ka izany no mahatonga ny fijaliana. (Mpitoriteny 4:1; 8:9) Mety ho “azon-tsampona” koa ny olona “amin’ny fotoana tsy ampoizina”, ka lasa mijaly. (Mpitoriteny 9:11) Mety ho tratran’ny loza tampoka ny olona iray, raha sendra eny amin’ny toerana itrangan’ilay loza.

9. Mino ve ianao fa misy antony matoa mbola avelan’i Jehovah hijaly ny olona? Nahoana?

9 Tsy i Jehovah mihitsy no mahatonga ny olona hijaly. Tsy izy no tokony homena tsiny rehefa misy ady, na zava-dratsy, na mpampijaly kely. Tsy izy no mampisy ny horohoron-tany, rivo-doza, tondra-drano, na loza hafa. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Raha i Jehovah tokoa no mahery indrindra, maninona raha sakanany tsy hitranga ireny loza ireny?’ Fantatsika fa tena tia antsika Andriamanitra. (1 Jaona 4:8) Tsy maintsy misy antony àry matoa mbola avelany hijaly ny olona.

NAHOANA NO AVELAN’I JEHOVAH HIJALY ISIKA?

10. Inona no nolazain’i Satana momba an’i Jehovah?

10 Nofitahin’i Satana Devoly i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nolazainy fa tsy mahay mitondra Andriamanitra. Misy zavatra tsara tsy omeny an’i Adama sy Eva, hono. Izy, hono, no mahay mitondra kokoa noho i Jehovah, ary tsy mila an’Andriamanitra, hono, ny olona.—Genesisy 3:2-5; jereo ny Fanamarihana 27.

11. Inona ny fanontaniana mila valiana?

11 Tsy nankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva ary nivadika taminy. Nieritreritra izy ireo fa afaka manao izay tiany. Inona no nataon’i Jehovah mba hanaporofoana hoe diso izy ireo, fa izy ihany no tena mahalala an’izay mahasoa azy ireo?

12, 13. a) Nahoana no tsy tonga dia naringan’i Jehovah i Adama sy Eva? b) Nahoana i Jehovah no namela an’i Satana hitondra an’izao tontolo izao sady namela ny olona hanangana fanjakana?

12 Tsy tonga dia naringan’i Jehovah i Adama sy Eva fa navelany hiteraka. Navelany hifidy avy eo ny taranak’i Adama sy Eva hoe iza no tian’izy ireo ho mpitondra. Tian’i Jehovah ho feno olona lavorary eto an-tany, ary tsy maintsy ho tanteraka izany na inona na inona ataon’ny Devoly.—Genesisy 1:28; Isaia 55:10, 11.

13 Anjely an-tapitrisany koa no nahita an’i Satana nanendrikendrika an’i Jehovah. (Joba 38:7; Daniela 7:10) Navelan’i Jehovah handeha àry ny fotoana mba hahitan’ny rehetra hoe marina ny tenin’i Satana sa tsia. Navelany hanangana fanjakana koa ny olona ka i Satana no lehiben’izy ireo. Ho hita eo raha mety ihany ny fiainan’izy ireo rehefa tsy ampian’Andriamanitra.

14. Inona no voaporofo rehefa nandeha ny fotoana?

14 Nitondra ny fiainany tokoa ny olona nandritra ny an’arivony taona, nefa nisy foana ny olana. Hita mihitsy hoe mpandainga i Satana. Tena mila an’Andriamanitra ny olona. Marina ilay tenin’i Jeremia mpaminany hoe: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.”—Jeremia 10:23.

NAHOANA I JEHOVAH NO MIANDRY ELA BE?

15, 16. a) Nahoana i Jehovah no miandry ela be? b) Nahoana i Jehovah no tsy mandamina ny zava-dratsy nataon’i Satana?

15 Nahoana no miandry ela be hoatr’izao i Jehovah? Nahoana no avelany hitranga ny zavatra ratsy fa tsy sakanany? Elaela vao voaporofo hoe tsy mahay mitondra i Satana. Efa nanandrana fitondrana maro be ny olona fa tsy nisy nety. Nahavita nampandroso ny teknolojia ihany izy ireo, nefa vao mainka be dia be ny mahantra, olon-dratsy, miady, ary iharan’ny tsy rariny. Tsy ho sambatra mihitsy isika raha tsy Andriamanitra no mitondra antsika.

16 Tsy mandamina ny zava-dratsy vokatry ny ataon’i Satana anefa i Jehovah. Raha manao an’izany izy dia hoatran’ny hoe manohana an’i Satana, nefa tsy hanao an’izany mihitsy izy. Raha sakanany daholo koa ny zava-dratsy tokony hitranga, dia hieritreritra ny olona hoe mahavita mitondra irery ny fiainany tokoa izy ireo. Lainga anefa izany ary tsy hiray tsikombakomba amin’izany mihitsy i Jehovah.—Hebreo 6:18.

17, 18. Inona avy no hataon’i Jehovah, amin’ny hoavy, mba handaminana ny zavatra ratsy nataon’i Satana?

17 Vitan’i Jehovah ny manarina ny tsy mety rehetra nataon’i Satana sy ireo olona tsy nankatò azy. Tsy misy zavatra tsy vitany mantsy. Izy no mahalala hoe rahoviana no ho voaporofo tsara fa mpandainga i Satana. Hataony paradisa indray ny tany avy eo. Hatsangany koa izay rehetra “any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29) Tsy harary na ho faty intsony ny olona. Hesorin’i Jesosy ny zavatra ratsy rehetra nataon’i Satana. Hasain’i Jehovah “handrava ny asan’ny Devoly” koa i Jesosy. (1 Jaona 3:8) Soa ihany fa niandry i Jehovah. Raha tsy izany mantsy isika tsy nahalala azy, sady tsy afaka nifidy azy ho mpitondra antsika. (Vakio ny 2 Petera 3:9, 10.) Mbola mijaly isika izao nefa manampy antsika hiaritra izy.—Jaona 4:23; vakio ny 1 Korintianina 10:13.

18 Tsy manery antsika hanompo azy i Jehovah. Nataony afaka mifidy izay tiantsika hatao isika. Handeha hojerentsika ny momba an’izany.

INONA NO HOFIDINAO?

19. Inona no mampiavaka antsika olombelona? Faly ve ianao fa afaka manao safidy, ary nahoana?

19 Tsy nataon’i Jehovah toy ny biby isika fa afaka mifidy izay tiantsika hatao. Ny biby mantsy izay voajanahary aminy ihany no ataony. (Ohabolana 30:24-28) Isika kosa afaka mifidy izay tiantsika hatao eo amin’ny fiainana, ka afaka mifidy ny hampifaly an’i Jehovah na tsia. Tsy hoatran’ny fitaovana koa isika ka hoe izay ampanaovina azy ihany no ataony. Tian’i Jehovah hankafy fiainana kosa isika ka avelany hifidy ny toetra tiantsika hananana, ny olona tiantsika ho namana, ary ny zavatra tiantsika hatao.

20, 21. Inona ny safidy tsara tokony hataonao?

20 Tian’i Jehovah ho tia azy isika. (Matio 22:37, 38) Raintsika mantsy izy. Faly ny raim-pianakaviana rehefa miteny aminy ny zanany hoe tia azy, indrindra raha vokatry ny fony izany fa tsy noterena. Avelan’i Jehovah hifidy koa isika na hanompo azy na tsia. Nifidy ny tsy hankatò azy i Adama sy Eva ary Satana. Ary ianao? Inona no hofidinao?

21 Manompoa an’i Jehovah. Olona an-tapitrisany no mifidy ny hampifaly an’Andriamanitra ka manohitra an’i Satana. (Ohabolana 27:11) Inona no azonao atao dieny izao, raha te ho ao amin’ny tontolo vaovao ianao ka tsy hijaly intsony? Hovaliana ao amin’ny toko manaraka izany.