Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

 TOKO 6

Mankaiza ny Olona Rehefa Maty?

Mankaiza ny Olona Rehefa Maty?

1-3. Inona no anontanian’ny olona rehefa misy maty, ary inona no lazain’ny fivavahana sasany?

MILAZA ny Baiboly fa “tsy hisy fahafatesana intsony.” (Apokalypsy 21:4) Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa afaka ny hiaina mandrakizay isika, noho ilay vidim-panavotana. Mbola maty anefa ny olona izao. (Mpitoriteny 9:5) Tiantsika ho fantatra àry hoe mankaiza ny olona rehefa maty.

2 Rehefa maty ny olona akaiky antsika vao tena mampiasa ny saintsika izany. Lasa saina isika hoe: ‘Lasa aiza àry izy? Mahita anay ve izy izao? Afaka manampy anay ve izy? Mbola hihaona ve izahay indray andro any?’

3 Samy hafa ny zavatra lazain’ny fivavahana. Ny sasany milaza hoe mankany an-danitra ianao raha tsara fanahy, fa dorana any amin’ny afobe kosa raha ratsy fanahy. Misy indray mampianatra hoe lasa fanahy, hono, ianao rehefa maty, ka tafaraka amin’ny havanao efa maty. Misy koa milaza hoe tsaraina ianao rehefa maty, dia avy eo teraka indray ka lasa olon-kafa na biby.

4. Inona no ampianarin’ny fivavahana maro?

4 Inona no itovizan’ireny fivavahana ireny? Samy mampianatra izy ireo hoe rehefa maty ny olona, dia ny vatany ihany no maty fa ny fanahiny mbola velona any ho any. Marina ve izany?

 MANKAIZA ISIKA REHEFA MATY?

5, 6. Manao ahoana ny olona rehefa maty?

5 I Jehovah no tena mahalala hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Nilaza izy fa rehefa maty ny olona dia lasa tsy misy intsony. Midika izany fa tsy mahatsiaro hoe faly na malahelo ny maty, sady tsy misy zavatra tadidiny intsony. * Tsy mahita na maheno izy, ary tsy afaka mieritreritra intsony.

6 Nilaza i Solomona Mpanjaka fa “tsy mahalala na inona na inona” ny maty. Tsy afaka mankahala na tia olona intsony ny maty, ary “tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.” (Vakio ny Mpitoriteny 9:5, 6, 10.) Milaza koa ny Salamo 146:4 fa rehefa maty ny olona, dia foana “ny eritreriny.”

INONA NO NOLAZAIN’I JESOSY?

Nataon’i Jehovah hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona

7. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny maty?

7 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, rehefa maty i Lazarosy: “Matory i Lazarosy namantsika.” Tsy hoe matory maka aina anefa no tiany holazaina. Nilaza mantsy izy avy eo hoe: “Maty i Lazarosy.” (Jaona 11:11-14) Nampitoviny tamin’ny olona matory àry ny maty. Tsy niteny izy hoe lasa any an-danitra i Lazarosy, na miaraka amin’ny havany efa maty. Tsy nilaza koa izy hoe mijaly any amin’ny afobe i Lazarosy, na hoe teraka indray ka lasa biby na olon-kafa. Toy ny matory be kosa i Lazarosy. Milaza koa ny andinin-teny hafa fa hoatran’ny olona matory ny maty. Rehefa nanangana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty, ohatra, i Jesosy dia nilaza hoe: “Tsy maty izy fa matory.” (Lioka 8:52, 53) Nilaza  koa i Davida fa “renoky ny torimasom-pahafatesana” ny maty.—Salamo 13:3.

8. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nataon’Andriamanitra ho faty isika?

8 Efa nataon’Andriamanitra ho faty mihitsy ve i Adama sy Eva? Tsia! Noforoniny hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo ary tsy tokony harary mihitsy. Te ho velona mandrakizay ny olona, satria efa izay no nanaovan’i Jehovah azy. (Mpitoriteny 3:11) Tsy tian’ny ray aman-dreny harary na ho faty ny zanany, ary hoatr’izany koa i Jehovah amintsika. Koa maninona àry isika no maty nefa nataony ho velona mandrakizay?

 NAHOANA NY OLONA NO MATY?

9. Sarotra ve ilay didy nomen’i Jehovah? Nahoana no rariny raha nandidy an’izany izy?

9 Hoy i Jehovah tamin’i Adama, tao amin’ny zaridainan’i Edena: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:9, 16, 17) Nazava be ilay didy ary tsy sarotra ny nankatò azy. Manana zo hiteny amin’i Adama sy Eva koa i Jehovah hoe izao no tsara ary izao no ratsy. Raha nankatò izy ireo, dia hita hoe nanaja ny fahefan’i Jehovah sady nankasitraka ny zavatra rehetra nomeny.

10, 11. a) Inona no nolazain’i Satana mba hamitahana an’i Adama sy Eva? b) Nahoana no tena diso izy mivady?

10 Nampalahelo anefa ny zavatra nataon’i Adama sy Eva. Hoy i Satana tamin’i Eva: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?” Dia hoy i Eva: “Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay. Fa hoy kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo afovoan’ny zaridaina: ‘Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.’”—Genesisy 3:1-3.

11 Hoy anefa i Satana: “Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:4-6) Tian’i Satana hieritreritra i Eva fa afaka manao izay tiany izy. Nandainga koa i Satana hoe tsy ho faty i Eva raha tsy mankatò. Nihinana  an’ilay voankazo àry i Eva, dia nomeny koa ny vadiny. Fantatr’izy mivady tsara fa tsy navelan’i Jehovah hihinana an’ilay voankazo izy ireo, nefa mbola nihinana ihany. Tena diso izy mivady satria nanao tsinontsinona an’ilay Rainy any an-danitra. Efa nazava be mantsy ilay didy sady tsy sarotra, nefa nanao fanahy iniana tsy nankatò izy ireo.

12. Nahoana no mankarary fo ny nataon’i Adama sy Eva?

12 Tena nandiso fanantenana an’i Jehovah i Adama sy Eva, satria tsy mba nanaja azy nefa izy no namorona azy ireo. Eritrereto hoe manan-janaka mianadahy ianao. Miezaka erỳ ianao mitaiza azy, nefa maditra izy ireo ary ilay zavatra tsy avelanao ataony mihitsy no ataony. Tsy harary ve ny fonao?

Avy tamin’ny vovoka i Adama ary niverina ho vovoka

13. Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah hoe “hiverina ho vovoka indray ianao”?

13 Tsy afaka niaina mandrakizay intsony i Adama sy Eva rehefa tsy nankatò. Hoy i Jehovah tamin’i Adama: “Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” (Vakio ny Genesisy 3:19.) Midika izany fa ho lasa vovoka indray i Adama, hoatran’ny tamin’izy mbola tsy noforonina. (Genesisy 2:7) Rehefa nanota i Adama dia maty ary lasa tsy nisy intsony.

14. Nahoana isika no maty?

14 Tahaka izay i Adama sy Eva mbola velona  raha nankatò an’Andriamanitra. Rehefa tsy nankatò anefa izy ireo dia lasa mpanota ary maty avy eo. Hoatran’ny aretina ratsy be nafindran’izy mivady tamintsika ny ota. Vao teraka isika dia efa mpanota, ka izany no mahatonga antsika ho faty. (Romanina 5:12) Tsy tian’Andriamanitra ho faty mihitsy anefa ny olona. Antsoin’ny Baiboly hoe “fahavalo” ny fahafatesana.—1 Korintianina 15:26.

SOA IHANY ISIKA FA MAHALALA NY MARINA!

15. Nahoana no tsara ny mahalala ny marina momba ny maty?

15 Tsy voafitaka isika rehefa mahalala hoe manao ahoana marina ny maty. Milaza ny Baiboly fa tsy mahatsapa marary na malahelo ny maty. Tsy afaka miresaka na manampy azy ireo isika, ary izy ireo koa tsy afaka manao an’izany amintsika. Tsy tokony hatahorantsika izy ireo satria tsy afaka mampijaly antsika. Maro anefa ny fivavahana mampianatra fa mbola velona any ho any ny maty. Afaka manampy ny maty, hono, isika raha manome vola ho an’ny mpitondra fivavahana. Tsy voafitak’izany isika rehefa mahalala ny marina.

16. Inona ny lainga ampianarina any amin’ny fivavahana maro?

16 Ataon’i Satana izay inoantsika fa mbola velona ny maty. Ny fivavahan-diso no ampiasainy. Misy, ohatra, mampianatra hoe rehefa maty ny olona dia mbola velona any ho any ny fanahiny. Izany koa ve no ampianarin’ny fivavahanareo, sa mitovy amin’izay lazain’ny Baiboly? Mandainga i Satana mba hahatonga ny olona tsy hifandray amin’i Jehovah.

17. Nahoana no manala baraka an’i Jehovah ilay hoe mandoro olona any amin’ny afobe izy?

17 Mahatsiravina ny zavatra ampianarin’ny fivavahana maro. Misy, ohatra, milaza fa dorana mandrakizay  any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Manala baraka an’i Jehovah izany. Tsy hampijaly olona hoatr’izany mihitsy izy! (Vakio ny 1 Jaona 4:8.) Ahoana ny hevitrao raha misy olona mandoro ny tanan’ny zanany amin’ny afo rehefa maditra izy? Ho tezitra amin’izany olona izany angamba ianao satria ratsy saina be izy. Izany mihitsy no tian’i Satana hataonao amin’i Jehovah.

18. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny maty?

18 Misy fivavahana milaza fa lasa fanahy ny olona rehefa maty. Tsy maintsy hajaina, hono, izy ireny na atahorana mihitsy aza sao dia mampijaly na tsy mitahy. Betsaka no mino an’izany lainga izany. Ny maty indray no atahorany sy ivavahany fa tsy i Jehovah. Efa fantatsika anefa fa tsy mahalala na inona na inona ny maty ka tsy tokony hatahorana. I Jehovah ihany no tokony hivavahana satria izy no Mpamorona, ary izy no tena Andriamanitra.—Apokalypsy 4:11.

19. Nahoana no mahafaly antsika ny mahalala ny marina?

19 Toy ny hoe olona afaka isika rehefa mahalala ny marina momba ny maty, satria tsy voafitak’ireny lainga ireny. Misy zavatra tsara be hataon’i Jehovah koa any aoriana any. Hazava amintsika izany zavatra hataony izany, satria efa fantatsika ny marina momba ny maty.

20. Inona no hojerentsika ao amin’ny toko manaraka?

20 Hoy i Joba, mpanompon’Andriamanitra: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?” (Joba 14:14) Mety ho velona tokoa ve ny maty? Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka hoe inona no lazain’Andriamanitra momba an’izany.

^ feh. 5 Misy mino fa manana fanahy ny olona, ary velona foana ilay izy na maty aza ilay olona. Jereo ny Fanamarihana 17 sy 18.

Fanampim-panazavana

Raha Manontany Momba ny Olona Maty ny Zanakao

Torohevitra efatra hanampy anao hamaly ny fanontaniany sy hanome toky azy raha sendra misy havana maty.