Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

 TOKO 1

Iza Marina Andriamanitra?

Iza Marina Andriamanitra?

1, 2. Inona no anontaniantsika indraindray?

TENA be fanontaniana ny ankizy. Miezaka mamaly ianao nefa mbola manontany ihany izy hoe: ‘Fa maninona?’ Rehefa manazava indray ianao, dia mbola mahita zavatra hanontaniana ihany izy.

2 Tsy ny ankizy ihany no tia manontany fa ny olon-dehibe koa. Mety hanontany, ohatra, isika hoe: ‘Mankaiza kay ity lalana ity?’ Na hoe: ‘Amin’ny firy izao?’ Mety hisy fanontaniana lehibe kokoa noho izany anefa, ohatra hoe momba ny fiainana na ny hoavy. Rehefa tsy hitantsika ny valin’ireny fanontaniana ireny, dia mety tsy hiezaka hitady intsony isika.

3. Inona no eritreretin’ny olona sasany?

3 Mamaly an’ireny fanontaniana ireny ve ny Baiboly? Maro no manaiky an’izany. Mieritreritra anefa ny olona sasany hoe sarotra be ny zavatra lazain’ny Baiboly. Ny mpampianatra sy pasitera ary mompera ihany, hono, no mahay ny valin’ireny. Misy indray menatra hiteny hoe tsy mahay ny valiny. Ary ahoana ny hevitrao?

4, 5. Inona ny fanontaniana efa nampiasa saina anao? Nahoana ianao no tokony hitady ny valiny foana?

4 Efa nieritreritra angamba ianao hoe: Mba tena misy dikany ve ny fiainako? Raha maty aho dia mankaiza? Hoatran’ny ahoana izany Andriamanitra izany? Hoy ilay mpampianatra malaza atao hoe Jesosy: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava  foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.” (Matio 7:7) Aza manaiky mihitsy àry raha tsy hitanao ny valin’ny fanontanianao.

5 Tadiavo foana ny valiny fa ho hitanao ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 2:1-5) Tsy sarotra mantsy ilay izy. Ho sambatra koa ianao, raha manao an’izany, sady mba hanantena zavatra tsara be. Andao isika handinika fanontaniana mampiasa saina ny olona.

TSY MIRAHARAHA ANTSIKA VE ANDRIAMANITRA?

6. Nahoana no misy mieritreritra hoe tsy miraharaha antsika Andriamanitra?

6 Betsaka no mieritreritra hoe tsy miraharaha ny mahazo antsika Andriamanitra matoa hoatr’izao ny fiainana. Amin’izao, ohatra, dia miady ny firenena, mifankahala ny olona, ary be dia be ny mahantra. Maro koa no marary sy mijaly ary maty. Misy àry mieritreritra hoe: ‘Raha mijery an’izay mahazo antsika Andriamanitra, dia maninona no tsy sakanany ireny?’

7. a) Inona indraindray no lazain’ny mpitondra fivavahana? b) Nahoana isika no matoky fa tsy avy amin’Andriamanitra ny zavatra ratsy?

7 Ny mpitondra fivavahana koa indraindray no mahatonga ny olona hieritreritra hoe ratsy fanahy Andriamanitra. Rehefa misy zavatra ratsy dia lazainy fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Manome tsiny azy anefa izany. Milaza ny Baiboly fa tsy manao ratsy mihitsy Andriamanitra. Hoy ny Jakoba 1:13: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” Inona no  dikan’izany? Marina fa avelany hisy ny zava-dratsy, nefa tsy izy mihitsy no mahatonga an’izany.—Vakio ny Joba 34:10-12.

8, 9. Rariny ve raha Andriamanitra no omena tsiny rehefa manana olana isika? Hazavao amin’ny ohatra.

8 Eritrereto hoe misy tovolahy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny. Tia be azy ny dadany ary nitaiza azy tsara. Naditra anefa izy ary niala tao an-trano. Tsy nisakana azy ny dadany. Nijaly izy rehefa lasa tany, satria be dia be ny zavatra ratsy nataony. Ilay dadany ve no diso satria hoe tsy nisakana azy? Mazava ho azy fa tsia. (Lioka 15:11-13) Mitovy amin’io dadany io Andriamanitra. Rehefa mifidy ny hanao ratsy ny olona, dia tsy sakanany. Tsy izy mihitsy anefa no mahatonga ny zavatra ratsy hitranga. Tsy rariny àry raha izy no omena tsiny amin’izany.

9 Misy antony matoa mbola avelan’Andriamanitra hisy ny zavatra ratsy. Ho hitanao any amin’ny Toko faha-11 izany. Matokia anefa fa tia antsika Andriamanitra, ary tsy avy aminy ny olana mahazo antsika. Izy ihany aza no afaka mandamina an’izany.—Isaia 33:2.

10. Nahoana isika no matoky fa hanarina ny tsy mety rehetra ataon’ny olon-dratsy Andriamanitra?

10 Masina Andriamanitra. (Isaia 6:3) Tsara daholo ny zavatra ataony ka afaka matoky azy isika. Ny olona kosa manao ratsy indraindray. Mety hisy ihany manam-pahefana tsara fanahy, nefa na ireny aza tsy mahavita manarina ny tsy mety ataon’ny olon-dratsy. Andriamanitra ihany no manana hery hanaovana an’izany. Hofoanany mandrakizay ny zavatra ratsy rehetra.—Vakio ny Salamo 37:9-11.

 MALAHELO VE ANDRIAMANITRA REHEFA MAHITA OLONA MIJALY?

11. Inona no tsapan’Andriamanitra rehefa mahita anao mijaly?

11 Malahelo Andriamanitra rehefa mahita ny zavatra ratsy eran-tany sy ny olana mahazo anao. Milaza ny Baiboly fa “tia rariny” izy. (Salamo 37:28) Tsy tiany mihitsy àry ny mahita ny tsy rariny sy mahita olona mijaly. Nisy fotoana, ohatra, feno zava-dratsy teto an-tany dia “nalahelo ny fony.” (Genesisy 6:5, 6) Tsy miova mihitsy Andriamanitra. (Malakia 3:6) Milaza ny Baiboly fa tena miahy anao izy.—Vakio ny 1 Petera 5:7.

Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no Mpamorona an’izao rehetra izao ary be fitiavana izy

12, 13. a) Nahoana isika no manana toetra tsara? Manao ahoana isika rehefa mahita olona mijaly? b) Nahoana no azo antoka fa hanala ny fijaliana rehetra Andriamanitra?

12 Milaza koa ny Baiboly fa namorona antsika araka ny endriny Andriamanitra. (Genesisy 1:26) Midika izany fa nataony manana toetra tsara hoatran’ny azy isika. Raha malahelo ianao rehefa mahita olona mijaly, dia tadidio fa Andriamanitra mbola malahelo lavitra noho ianao! Ahoana no ahafantarantsika an’izany?

13 Ny fitiavana foana no mahatonga an’Andriamanitra hanao zavatra. Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Izany no mahatonga antsika hanana fitiavana ihany koa. Raha mahavita manafoana ny fijaliana sy ny tsy rariny eto an-tany, ohatra, ianao dia azo antoka fa hataonao izany, satria tianao ny olona. Andriamanitra anefa mahavita an’izany sady tena hanao an’izany satria tia antsika. Ho tanteraka daholo ny fampanantenany hitantsika tany am-piandohan’ity boky ity. Mila mahafantatra tsara kokoa azy anefa ianao raha te hatoky an’izany.

 TIAN’ANDRIAMANITRA HAHAFANTATRA AZY IANAO

Raha te hinamana amin’ny olona iray ianao dia lazainao aminy ny anaranao. Lazain’Andriamanitra amintsika ao amin’ny Baiboly ny anarany

14. Iza no anaran’Andriamanitra, ary nahoana isika no tokony hampiasa azy io?

14 Raha te hinamana amin’ny olona iray ianao, dia ny anaranao aloha no lazainao aminy. Ary Andriamanitra ve manana anarana? Be dia be ny mpivavaka miteny hoe Andriamanitra na Tompo no anarany. Tsy tena anarany anefa ireo. Iza, ohatra, no anaran’ny dadanao? “Dada” ihany ve? Manana ny tena anarany izy. Manana ny tena anarany koa Andriamanitra, dia hoe Jehovah. Hoy ny Salamo 83:18: “Ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Nampiasa ny anaran’Andriamanitra im-7 000 teo ho eo ny mpanoratra Baiboly. Hita amin’izany fa tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany sy hampiasa azy io ianao. Nolazainy taminao ny anarany mba ho lasa namany ianao.

15. Inona no dikan’ilay anarana hoe Jehovah?

15 Tena misy dikany ny anaran’Andriamanitra. Ilay hoe Jehovah dia midika fa afaka manatanteraka an’izay nampanantenainy sy izay tiany hatao izy. Tsy misy afaka  misakana azy amin’izany. I Jehovah ihany no mendrika an’io anarana io. *

16, 17. Inona no dikan’ny hoe a) “Mahery Indrindra”? b) “Mpanjakan’ny mandrakizay”? d) “Mpamorona”?

16 Hoy ny Apokalypsy 15:3: “Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry  Mpanjakan’ny mandrakizay.” Inona no dikan’ilay hoe “Mahery Indrindra”? Midika izany fa tsy misy mahery noho i Jehovah. Ilay hoe “Mpanjakan’ny mandrakizay” indray dia midika fa efa nisy foana izy hatramin’izay. Milaza ny Salamo 90:2 fa efa Andriamanitra izy hatramin’izay ka ho mandrakizay. Tena mahagaga izany!

17 I Jehovah irery no Mpamorona. Hoy ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” I Jehovah no namorona ny zava-drehetra. Izy, ohatra, no nanao ny anjely, kintana, voankazo, ary trondro.

 AZO ATAO NAMANA VE ANDRIAMANITRA?

18. Nahoana ny olona sasany no mieritreritra hoe tsy afaka ny ho naman’Andriamanitra mihitsy? Inona anefa no lazain’ny Baiboly?

18 Matahotra ny olona sasany rehefa mahalala ny toetran’i Jehovah. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Izy ve dia hiraharaha ahy? Izy aza mahery be, masina be, sady any lavitra be any!’ Tsy tian’Andriamanitra hieritreritra hoatr’izany mihitsy anefa ianao. Milaza ny Baiboly fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Tena te ho namanao izy ary mampanantena fa raha manatona azy ianao dia ‘hanatona anao izy.’—Jakoba 4:8.

19. a) Inona no tokony hataonao raha te ho naman’Andriamanitra ianao? b) Inona ny toetran’i Jehovah tianao indrindra?

19 Te ho naman’Andriamanitra ve ianao? Inona àry no tokony hataonao? Hoy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Mianara Baiboly foana dia hahalala an’i Jehovah sy Jesosy ianao. Efa nianaranao, ohatra, fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:16) Tsy izay ihany anefa. Milaza ny Baiboly fa “mamindra fo sy tsara fanahy” i Jehovah, ‘tsy mora tezitra sady tena tia fahamarinana.’ (Eksodosy 34:6) “Tsara toetra sy vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5) Manam-paharetana koa izy ary tsy mivadika. (2 Petera 3:9; Apokalypsy 15:4) Vao mainka ianao hahafantatra tsara ny toetrany raha mamaky Baiboly foana.

20, 21. Azo atao namana ve Andriamanitra na dia tsy hita maso aza? Hazavao.

20 Azo atao namana ve Andriamanitra na dia tsy  hita maso aza? (Jaona 1:18; 4:24; 1 Timoty 1:17) Eny, satria raha mamaky Baiboly ianao dia ho hitanao fa tena misy i Jehovah ary manana toetra tsara. (Salamo 27:4; Romanina 1:20) Vao mainka ianao ho tia azy sy ho lasa namany rehefa mianatra momba azy foana.

Tia ny zanany ny raim-pianakaviana fa ilay Raintsika any an-danitra mbola tia antsika kokoa

21 Ho tsapanao hoe tena Ray i Jehovah. (Matio 6:9) Tsy nisy isika raha tsy teo izy, ary tiany ho sambatra isika. Izany no tian’ny raim-pianakaviana ho an’ny zanany. (Salamo 36:9) Milaza ny Baiboly fa afaka ny ho naman’i Jehovah ianao. (Jakoba 2:23) Eritrereto ange izany e! I Jehovah, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, mihitsy no te ho lasa namanao!

22. Inona no tokony hataonao raha misy olona misakana anao tsy hianatra Baiboly?

22 Mety hisy olona hisakana anao tsy hianatra Baiboly intsony. Matahotra angamba izy sao hiova fivavahana ianao. Aza avela hisy hisakana anao tsy ho naman’i Jehovah anefa. Tsy hahita Namana hoatr’azy mihitsy ianao!

23, 24. a) Nahoana ianao no tokony hanontany foana? b) Inona no hojerentsika ao amin’ny toko manaraka?

23 Ahoana raha misy zavatra tsy azonao rehefa mianatra Baiboly ianao? Nilaza i Jesosy fa mila manetry tena hoatran’ny ankizikely isika. (Matio 18:2-4) Aza menatra àry fa manontania foana, hoatran’ny ataon’ny ankizikely. Tian’Andriamanitra hahita ny valin’ny fanontanianao ianao. Ianaro tsara àry ny Baiboly, dia ho azonao antoka hoe marina izay ianaranao.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:11.

24 Rehefa mianatra Baiboly ihany ianao vao tena hahalala an’i Jehovah. Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka hoe nahoana no miavaka ny Baiboly.

^ feh. 15 Tsy misy hoe Jehovah ve ao amin’ny Baibolinao? Te hahalala tsara ny dikan’io anarana io sy ny fanononana azy ve ianao? Jereo ny Fanamarihana 1.

Fanampim-panazavana

VAOVAO TSARA NATAO HO ANAO!

Manana Anarana ve Andriamanitra?

Antsoina hoe Mahery Indrindra, Mpamorona, ary Tompo Andriamanitra. Hita im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly anefa ny tena anarany.