Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

Fanamarihana

Fanamarihana

1 JEHOVAH

Jehovah no anaran’Andriamanitra. Midika izy io hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Andriamanitra mahery indrindra i Jehovah, ary izy no namorona ny zavatra rehetra. Vitany foana izay tiany hatao, na inona izany na inona.

Litera efatra no nanoratana ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny hebreo, ary azo adika hoe YHWH na JHVH. Miverina im-7 000 latsaka kely io anarana io, ao amin’ny soratra hebreo nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Tsy mitovy ny fanoratana sy fanononana an’ilay anarana hoe Jehovah, arakaraka ny fiteny.

Toko 1, feh. 15

2 “AVY AMIN’NY HERIN’NY FANAHY MASIN’ANDRIAMANITRA” NY BAIBOLY

Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly fa olona no nasainy nanoratra azy. Hoatran’ny hoe misy rangahy efa antitra te hanoratra taratasy, dia ny zanany no asainy manoratra saingy izay tian’ilay rangahy no soratana. Toy izany koa fa ny hevitr’Andriamanitra no ao amin’ny Baiboly. Nomen’Andriamanitra ny fanahy masina ny olona nanoratra azy, ka fantany izay tokony hosoratana. Nisy, ohatra, nahita fahitana na nataon’Andriamanitra nanonofy.

Toko 2, feh. 5

3 TORO LALANA

Tsy didy mivantana ny toro lalana, fa hevitra marina foana izay manampy antsika hanapa-kevitra. Toro lalana, ohatra, ilay hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Midika izany fa misy vokany eo amintsika ny namantsika. Toro lalana koa ilay hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no  hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Midika izany fa tsy maintsy mizaka ny vokatry ny ataontsika isika.

Toko 2, feh. 12

4 FAMINANIANA

Izay teny rehetra ampitain’ny irak’Andriamanitra dia faminaniana daholo. Anisan’izany ny didy, torohevitra, didim-pitsarana, na izay kasainy hatao. Mety ho zavatra hitranga amin’ny hoavy koa ilay izy. Be dia be ny faminaniana ao amin’ny Baiboly efa tanteraka.

Toko 2, feh. 13

5 FAMINANIANA MOMBA NY MESIA

Tanteraka tamin’i Jesosy daholo ireo faminaniana momba ny Mesia. Jereo ilay efajoro hoe “Faminaniana Momba ny Mesia.”

Toko 2, feh. 17, f.a.p.

6 IZAY HATAON’I JEHOVAH AMIN’NY TANY

Tian’i Jehovah hatao paradisa ny tany mba hipetrahan’ny olona tia azy. Mbola izany foana no tiany hatao. Tsy ho ela dia hesoriny ny zavatra ratsy rehetra, ary hataony miaina mandrakizay ny mpanompony.

Toko 3, feh. 1

7 SATANA DEVOLY

I Satana no anjely voalohany nivadika tamin’Andriamanitra. Antsoina hoe Satana izy, izany hoe “Mpanohitra”, satria manohitra an’i Jehovah. Antsoina hoe Devoly koa izy, izany hoe “Mpanendrikendrika”, satria milaza zavatra tsy marina momba an’Andriamanitra sady mamitaka olona.

Toko 3, feh. 4

  8 ANJELY

Efa ela be talohan’ny namoronana ny tany no noforonin’i Jehovah ny anjely, ary zato tapitrisa mahery no isany. (Daniela 7:10) Natao hipetraka any an-danitra izy ireo. Manana ny anarany izy ireny ary samy manana ny toetrany. Tsy manaiky hivavahan’ny olona ny anjely tsy mivadika. Tsy mitovy daholo ny anjely fa misy ambony kokoa. Samihafa koa ny andraikiny. Misy, ohatra, manompo eo anoloan’ny seza fiandrianan’i Jehovah, na irahina hampita ny hafatr’i Jehovah, na miaro sy mitarika ny vahoakany etỳ an-tany, na manatanteraka ny didy avoakan’i Jehovah, na manampy amin’ny asa fitoriana. (Salamo 34:7; Apokalypsy 14:6; 22:8, 9) Hiady hiaraka amin’i Jesosy izy ireo amin’ilay ady Hara-magedona.—Apokalypsy 16:14, 16; 19:14, 15.

Toko 3, feh. 5; toko 10, feh. 1

9 OTA

Ota daholo izay zavatra rehetra tsy tian’i Jehovah, na efa nataontsika izany, na mbola vao ao an-tsaina sy ao am-pontsika. Rehefa manota isika dia lasa tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra. Nomeny lalàna sy toro lalana àry isika mba hanampy antsika tsy hanao fanahy iniana hanota. Lavorary ny zavatra rehetra noforonin’i Jehovah. Nanota anefa i Adama sy Eva rehefa nifidy ny tsy hankatò an’i Jehovah ka tsy lavorary intsony. Lasa antitra izy ireo ary maty. Mpanota koa isika satria taranak’i Adama, ka mihantitra sy maty.

Toko 3, feh. 7; toko 5, feh. 3

10 HARA-MAGEDONA

Ady ataon’Andriamanitra izy io. Haringany ny tontolon’i Satana ary hofoanany ny ratsy rehetra.

Toko 3, feh. 13; toko 8, feh. 18

 11 FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Fitondrana naorin’i Jehovah any an-danitra izy io, ary i Jesosy Kristy no Mpanjaka. Hampiasa an’io Fanjakana io i Jehovah mba hanala ny ratsy rehetra. Hitondra ny tany manontolo ilay Fanjakana.

Toko 3, feh. 14

12 JESOSY KRISTY

Noforonin’Andriamanitra talohan’ny zavatra rehetra izy. Nirahin’i Jehovah tetỳ an-tany izy mba ho faty ho an’ny olona. Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy taorian’izay. Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy izao.

Toko 4, feh. 2

13 IREO 70 HERINANDRO

Efa nilaza ny Baiboly fa amin’ny faran’ilay fe-potoana antsoina hoe 69 herinandro no ho tonga ny Mesia. Nanomboka tamin’ny taona 455 T.K. io fe-potoana io ary tapitra tamin’ny taona 29 A.K. *

Ahoana no ahazoantsika an’ilay taona 29? Tonga tany Jerosalema i Nehemia tamin’ny taona 455 T.K. ary nanomboka nanorina an’ilay tanàna indray. Nanomboka teo àry ireo 69 herinandro. (Daniela 9:25; Nehemia 2:1, 5-8) Fantatsika fa fito andro ny “herinandro” iray. Tsy fito andro ara-bakiteny anefa ny herinandro ao amin’io faminaniana io, fa fito taona satria “ny andro iray hosoloana taona iray.” (Nomery 14:34; Ezekiela 4:6) Fito taona àry ny herinandro tsirairay, ka ny 69 herinandro dia manome 483 taona (69 x 7). Raha manisa 483 taona  isika, miainga eo amin’ny taona 455 T.K., dia ho tonga eo amin’ny taona 29 A.K. Tamin’io taona io mihitsy i Jesosy no natao batisa ka lasa Mesia.—Lioka 3:1, 2, 21, 22.

Miresaka momba ny herinandro fanampiny ilay faminaniana, izany hoe fito taona fanampiny. Tao anatin’io fotoana io, izany hoe tamin’ny taona 33, no novonoina ny Mesia. Tamin’ny taona 36 kosa no nanomboka notorina  tamin’ny firenena rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra fa tsy tamin’ny Jiosy fotsiny.—Daniela 9:24-27.

Toko 4, feh. 7

14 ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY

Milaza ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra no Mpamorona, ary i Jesosy no noforoniny voalohany indrindra. (Kolosianina 1:15, 16) Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy. Tsy niteny mihitsy izy hoe mitovy amin’Andriamanitra. Hoy kosa izy: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28; 1 Korintianina 15:28) Ampianarina any amin’ny fivavahana sasany anefa hoe telo izay iray Andriamanitra, izany hoe Ray sy Zanaka ary fanahy masina. Tsy misy hoe “Trinite” na hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray” ao amin’ny Baiboly. Diso izany fampianarana izany.

Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. Tsy hita maso izy io ary ampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Tsy olona ny fanahy masina. “Feno fanahy masina”, ohatra, ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza koa i Jehovah hoe: “Handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra.”—Asan’ny Apostoly 2:1-4, 17.

Toko 4, feh. 12; toko 15, feh. 17

15 LAKROA

Nahoana ny tena Kristianina no tsy mampiasa lakroa?

  1. Efa ela no nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso ny lakroa. Nampiasain’ny mpanompo sampy izy io taloha rehefa mivavaka amin’ny zavaboary, sy manao fombafomba mahatsiravina. Tsy nampiasa lakroa ny Kristianina, nandritra ireo 300 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Efa ela be tatỳ aoriana ny lakroa vao lasa marika  amantarana ny Fivavahana Kristianina. I Constantin, mpanjaka romanina, no nahatonga an’izany. Te hitarika olona hanaraka ny Fivavahana Kristianina mantsy izy. Tsy misy ifandraisany amin’i Jesosy Kristy mihitsy anefa ny lakroa. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Samy nampiasa lakroa na ny olona talohan’ny andro kristianina na ireo tsy Kristianina.”

  2. Tsy maty teo amin’ny lakroa i Jesosy. “Hazo” na “vatan-kazo” na “tsato-kazo” no tena hevitry ny teny grika nadikan’ny olona hoe “lakroa.” Hoy Ny Baiboly Namana (anglisy): “Tsy misy teny manondro vatan-kazo roa mihitsy [ao amin’ny Testamenta Vaovao] amin’ny teny grika.” Maty teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy.

  3. Tsy tian’i Jehovah hampiasa sary na zavatra hafa isika rehefa mivavaka.—Eksodosy 20:4, 5; 1 Korintianina 10:14.

Toko 5, feh. 12

16 FAHATSIAROVANA

Nandidy ny mpianany i Jesosy mba hahatsiaro ny nahafatesany. Isan-taona izany no atao, rehefa 14 Nisana, izany hoe mitovy amin’ny datin’ny Paska nankalazain’ny Israelita. Misy mofo sy divay ampandalovina amin’ny mpanatrika rehetra, amin’ny Fahatsiarovana. Hoatran’ny hoe vatan’i Jesosy ilay mofo, ary ny rany kosa ilay divay. Izay hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra no mihinana sy misotro an’ilay mofo sy divay. Tsy mihinana na misotro kosa izay hiaina mandrakizay eto an-tany, fa manatrika sy manaja an’ilay fandaharana fotsiny.

Toko 5, feh. 21

 17 FANAHY TSY METY MATY

Betsaka no mino hoe rehefa maty ny olona dia mbola velona ny fanahiny. Misy koa mino hoe afaka manampy na mampijaly ny velona ny maty.

Tsy mampianatra an’izany anefa ny Baiboly. Lazainy kosa hoe tsy afaka manao na inona na inona ny olona rehefa maty. Mazava be ny lazain’ny Baiboly, dia hoe: ‘Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, satria hadino izay nahatsiarovana azy. Efa foana ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro. Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.’ (Mpitoriteny 9:5, 6, 10) Resahin’ny Baiboly koa hoe rehefa maty ny olona, dia lasa tsy misy intsony satria “miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.”—Salamo 146:4; Genesisy 3:19.

Tsy mampianatra mihitsy àry ny Baiboly hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Tsy hoe velona any ho any ny maty ka afaka mitahy na mampijaly antsika.

Toko 6, feh. 5; toko 15, feh. 17

18 FANAHY

Misy teny hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao malagasy, ary nadika avy tamin’ny teny hebreo sy grika izy io. Samy hafa ny heviny, arakaraka ny teny manodidina. Zavatra tsy hita maso foana anefa no tiany hotenenina, ohatra hoe anjely, na fanahy masina, izany hoe ny hery ampiasain’Andriamanitra. Ilazana an’i Jehovah koa izy io indraindray. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe misy fanahy miala amin’ny  olona rehefa maty izy.—Eksodosy 35:21; Matio 12:43; Lioka 11:13.

Toko 6, feh. 5; toko 15, feh. 17

19 GEHENA

Anarana lohasaha tany akaikin’i Jerosalema ny hoe Gehena. Fandoroana fako izy io tamin’ny andron’i Jesosy, fa tsy nisy hoe biby na olona velona nodorana tany. Tsy toerana tsy hita maso andoroana sy ampijalina ny olona maty àry ny hoe Gehena. Rehefa niteny kosa i Jesosy hoe misy olona halefa any amin’ny Gehena dia midika izany hoe haringana mandrakizay ilay olona.—Matio 5:22; 10:28.

Toko 7, feh. 20

20 VAVAKA NAMPIANARIN’NY TOMPO

Io ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany, ary antsoina koa hoe Rainay Izay any An-danitra na vavaka modely. Anisan’ny voalaza ao ireto:

  • “Hohamasinina anie ny anaranao!”

    Mivavaka isika mba tsy hisy hanala baraka intsony ny anaran’i Jehovah, fa hanome voninahitra sy hanaja ny anarany daholo ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany.

  • “Ho tonga anie ny fanjakanao!”

    Mivavaka isika mba handringana ny tontolon’i Satana ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanjaka amin’ny tany manontolo, ka hanova ny tany ho paradisa.

  • “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao!”

    Mivavaka isika mba hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny olona mankatò, ary ho lavorary indray. Izany no tian’Andriamanitra hatao tamin’izy namorona ny tany sy ny olona.

Toko 8, feh. 2

 21 VIDIM-PANAVOTANA

Nanome ny vidim-panavotana i Jehovah mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Mila aloa io vidim-panavotana io mba ho solon’ny aina lavorary nafoin’i Adama, sy mba hahatonga ny olona hihavana amin’i Jehovah indray. Nalefan’i Jehovah tetỳ an-tany i Jesosy mba ho faty ho an’ny mpanota rehetra. Lasa afaka ny ho velona mandrakizay sy ho lavorary daholo ny olona.

Toko 8, feh. 21; toko 9, feh. 13

22 NAHOANA NO MIAVAKA NY TAONA 1914?

Hitantsika avy amin’ny Daniela toko faha-4 fa tamin’ny 1914 no nanangana ny Fanjakany Andriamanitra.

Faminaniana: Nataon’i Jehovah nanonofy i Nebokadnezara Mpanjaka ary nahita hazobe nokapaina. Nofatorana tamin’ny vy sy varahina ny fotony, mba tsy haniry mandritra ny “fe-potoana fito.” Haniry indray ilay hazo aorian’izay.—Daniela 4:1, 10-16.

Misy vokany amintsika ilay faminaniana: Manondro ny fitondran’Andriamanitra ilay hazo. Nasian’i Jehovah mpanjaka tao Jerosalema nandritra ny taona maro, mba hitondra ny Israely. (1 Tantara 29:23) Nivadika taminy anefa ireny mpanjaka ireny. Rava àry ilay tanàna tamin’ny taona 607 T.K. ary tsy nisy mpanjaka intsony tao Jerosalema. Nanomboka teo ilay “fe-potoana fito.” (2 Mpanjaka 25:1, 8-10; Ezekiela 21:25-27) Io “fe-potoana fito” io no tao an-tsain’i Jesosy tamin’izy niteny hoe: “Hohitsahin’ny hafa firenena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) Mbola tsy tapitra àry ilay “fe-potoana fito” tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nampanantena i Jehovah fa hanendry Mpanjaka, rehefa tapitra ilay  “fe-potoana fito.” I Jesosy io Mpanjaka vaovao io, ary hanao zavatra tsara be dia be izy ka ho sambatra mandrakizay ny olona.—Lioka 1:30-33.

Ny halavan’ilay “fe-potoana fito”: Naharitra 2 520 taona izy io. Raha manisa 2 520 taona isika, miainga eo amin’ny taona 607 T.K., dia ho tonga eo amin’ny taona 1914. Tamin’ny 1914 i Jesosy, ilay Mesia, no nataon’i Jehovah ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.

Ahoana no nahazoana an’ilay 2 520 taona? Milaza ny Baiboly fa 1 260 andro ny fe-potoana telo sy tapany. (Apokalypsy 12:6, 14) Indroan’izay ny “fe-potoana fito”, izany hoe 2 520 andro. Lasa 2 520 taona anefa ny 2 520 andro satria “ny andro iray hosoloana taona iray.”—Nomery 14:34; Ezekiela 4:6.

Toko 8, feh. 23

23 MIKAELA ARKANJELY

“Filohan’ny anjely” no dikan’ny hoe “arkanjely.” Iray ihany ny arkanjely resahin’ny Baiboly, ary Mikaela no anarany.—Daniela 12:1; Joda 9.

I Mikaela no mitarika ny anjelin’i Jehovah rehefa hiady. Hoy ny Apokalypsy 12:7: ‘I Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona sy ny anjeliny.’ Milaza koa anefa ny Apokalypsy 19:14-16 fa i Jesosy no mitarika an’ireo anjely be dia be hoatran’ny tafika any an-danitra. Anarana hafa iantsoana an’i Jesosy àry ny hoe Mikaela.

Toko 9, feh. 4

24 ANDRO FARANY

Tsy iray andro io fa fotoana lavalava. Betsaka ny zavatra hitranga mandritra ny andro farany, ary horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tontolon’i Satana aorian’ izay. Io fotoana io ihany no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” sy “fanatrehan’ny Zanak’olona”, any amin’ny faminaniana hafa. (Matio 24:3, 27, 37) Nanomboka tamin’ny 1914 ny “andro farany”, rehefa nanomboka nanjaka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho tapitra izy io amin’ny Hara-magedona, rehefa rava ny tontolon’i Satana.—2 Timoty 3:1; 2 Petera 3:3.

Toko 9, feh. 5

25 FANANGANANA NY MATY

Velomin’Andriamanitra indray ny olona efa maty. Olona sivy no tantarain’ny Baiboly hoe natsangana tamin’ny maty. I Elia, Elisa, Jesosy, Petera, ary Paoly no nanangana azy ireo. Hery nomen’Andriamanitra no nahavitan’izy ireo an’izany. Mampanantena i Jehovah fa hatsangany ny “marina sy ny tsy marina” ary hiaina eto an-tany. (Asan’ny Apostoly 24:15) Misy koa anefa hatsangana ho any an-danitra, hoy ny Baiboly. Izay voahosotr’Andriamanitra, izany hoe nofidiny, no hiaraka amin’i Jesosy any.—Jaona 5:28, 29; 11:25; Filipianina 3:11; Apokalypsy 20:5, 6.

Toko 9, feh. 13

26 FIFANDRAISANA AMIN’NY DEMONIA

Fanahy ratsy ny demonia, ary ratsy ny mifandray na miresaka amin’izy ireny, na mivantana na amin’ny alalan’ny mpimasy sy mpilalao ody. Te hiresaka amin’ny maty ny olona sasany, satria mino hoe mbola velona ny fanahin’ny maty ary lasa matoatoa. Tsy marina anefa izany, fa mamitaka azy ireo ny demonia. Ataon’ny demonia koa izay hahatonga ny olona tsy hankatò an’Andriamanitra. Mifandray amin’ny demonia izay manandro, manao sikidy, manao mazia, milalao ody, minomino foana,  mampiasa hery miafina, ary manao ny asan’ny maizina rehetra. Aseho amin’ny boky, gazety, tononandro, filma, sary, ary na ny hira aza hoe hoatran’ny mahafinaritra ny mifandray amin’ny demonia ary tsy mampaninona. Misy ifandraisany amin’ny demonia koa ny fombafomba maro atao amin’ny maty, ohatra hoe manao sorona na fety ho azy, manao famadihana, miandry faty. Matetika ny olona no mifoka rongony rehefa hampiasa ny herin’ny demonia.—Galatianina 5:20; Apokalypsy 21:8.

Toko 10, feh. 10; toko 16, feh. 4

27 ZON’I JEHOVAH HITONDRA

Andriamanitra Mahery indrindra i Jehovah, ary izy no namorona an’izao rehetra izao. (Apokalypsy 15:3) Izy àry no Tompon’ny zava-drehetra, ka izy no manana ny zo, izany hoe manana fahefana, hanjaka amin’ny zavaboariny. (Salamo 24:1; Isaia 40:21-23; Apokalypsy 4:11) Nanao lalàna ho an’ny zavatra rehetra noforoniny izy. Manana fahefana hanendry izay tiany ho mpitondra koa izy. Manaiky an’i Jehovah ho mpitondra isika raha tia azy sy mankatò azy.—1 Tantara 29:11.

Toko 11, feh. 10

28 MANALA ZAZA

Manao fanahy iniana mamono zaza mbola any an-kibo ny olona manala zaza. Tsy mitovy amin’ny hoe afa-jaza noho ny loza tampoka na ny aretina mahazo an’ilay reniny izany. Efa olona ny zaza ao an-kibo raha vao miforona.

Toko 13, feh. 5

 29 FAMPIDIRAN-DRA

Fomba fitsaboana marary izy io. Ampidirina ao amin’ny vatan’ilay marary ny ra efa notehirizina na ny ra vao nalaina teo no ho eo. Mety ho iray amin’ireto taharo fototry ny ra ireto koa no ampidirina aminy: Liomena, liofotsy, plakety (kapila bitika), ary plasma (ranon-dra).

Toko 13, feh. 13

30 ANATRA

Raha ny Baiboly no jerena dia ampianarina sy tezaina ary ahitsy ny olona anarina, ary omena sazy raha ilaina. Tsy masiaka mihitsy i Jehovah rehefa mananatra, ary tsy manao zavatra tafahoatra. (Ohabolana 4:1, 2) Tokony hanahaka azy ny ray aman-dreny. Tena mandaitra ny anatra omen’i Jehovah ka tian’ilay olona anarina. (Ohabolana 12:1) Tian’i Jehovah ny vahoakany ary ampiofaniny. Ampianariny izy ireo mba tsy hino zavatra diso, ary mba hampifaly azy izay eritreretin’izy ireo sy ataony. Rehefa mananatra ny zanany ny ray aman-dreny, dia ataony azon’izy ireo hoe nahoana no ilaina ny mankatò. Ampianariny koa ny zanany mba ho tia an’i Jehovah sy ny Teniny, ary mba hahazo ny toro lalana ao amin’ny Baiboly.

Toko 14, feh. 13

31 DEMONIA

Anjely ratsy ny demonia. Tsy hita maso izy ireo sady ratsy fanahy ary mahery noho ny olombelona. Anjely tsara izy ireo tamin’ny vao noforonina, fa nifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra ka lasa fahavalony. (Genesisy 6:2; Joda 6) Naman’i Satana izy ireo ka manohitra an’i Jehovah.—Deoteronomia 32:17; Lioka 8:30; Asan’ny Apostoly 16:16; Jakoba 2:19.

Toko 16, feh. 4

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 40 Ny hoe “T.K.” dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny “A.K.” hoe “Aorian’i Kristy.”