Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Synagoga

Synagoga

SYNAGOGA

(Synagôga).

Samy ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny teny grika ekklesia midika hoe “vahoaka” na “fiangonana” sy synagôge (famoriana), ary indraindray ampifamadihany. Lasa nantsoina hoe “synagoga” tatỳ aoriana ny toerana na trano fivorian’ny Jiosy. Tsy trano lehibe anefa ilay atao hoe Synagoga Lehibe, fa manam-pahaizana malaza maromaro. Izy ireo, hono, no namaritra ho an’ny Jiosy tany Palestina hoe inona avy ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo. Tamin’ny andron’i Ezra na Nehemia, hono, no niforona io Synagoga Lehibe io, ary toa nisolo azy io ny Fitsarana Avo Jiosy, tamin’ny taonjato fahatelo T.K. tany ho any. Nampiasa ny teny hoe synagôge i Jakoba mpianatr’i Jesosy mba hilazana fivoriana kristianina ho an’ny besinimaro.—Jk 2:2.

Ilazana olona maromaro tafavory fehezin’i Satana ny hoe ‘synagoga’ ao amin’ny Apokalypsy 2:9 sy 3:9. Misy koa ny hoe “Synagogan’ireo Nomena Fahafahana.”—As 6:9; jereo OLONA AFAKA, OLONA NOMENA FAHAFAHANA.

Tsy tena fantatra hoe oviana no nisy synagoga voalohany, fa angamba nandritra ny sesitany naharitra 70 taona tany Babylona, satria tsy nisy tempoly tamin’izay. Na mety ho taoriana kelin’ny niverenan’ny Jiosy avy tany an-tsesitany, satria nantitranterin’i Ezra fa tena nila nahafantatra ny Lalàna izy ireo.

Samy nanana synagoga ny tanàna tany Palestina tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany. Nanana synagoga iray na mihoatra ny tanàna lehibe kokoa. I Jerosalema kosa nanana maro. Nisy synagoga iray, ohatra, naorin’ny manamboninahitra romanina iray ho an’ny Jiosy. (Lk 7:2, 5, 9) Anisan’ny synagoga tena tsara tarehy ilay nofongarina tao Tell Hom (Kefar Nahom), izay toa nisy an’i Kapernaomy fahiny. Nisy rihana izy io, ary nolazain’ny manam-pahaizana fa naorina teo anelanelan’ny faramparan’ny taonjato faharoa sy ny fiandohan’ny taonjato fahadimy. Efa nisy synagoga naorina tamin’ny taonjato voalohany teo amin’ny toerana nisy azy io. Nirefy 24,2 m ny lavan’ilay synagoga voalohany ary 18,5 m ny sakany, ary ampahany tamin’izy io no efa nofongarina.

Nisy fitehirizana horonan’ny Soratra Masina ny synagoga fahiny. Notehirizina tany ivelan’ny trano lehibe indrindra na tao amin’ny efitra nitokana ireo horonana, tamin’ny voalohany. Notehirizina tao anaty vata azo nobataina izy ireo tatỳ aoriana, ary nisy toerana fametrahana an’ilay vata nandritra ny fotoam-pivavahana. Narafitra tao anaty rindrina na naankina tamin’ny rindrina ilay vata tao amin’ireo synagoga naorina tatỳ aoriana. Teo akaikin’ilay vata, ary nanatrika ny mpivory ny mpitantana ny synagoga sy ny vahiny manan-kaja. (Mt 23:6) Teo ambony lampihazo avoavo teo afovoan-trano no namakiana ny Lalàna. Nisy toerana na seza lava ho an’ny mpanatrika teo amin’ny lafiny telo, ary angamba nisy toerana voatokana ho an’ny vehivavy. Toa zava-dehibe ny fitodik’ilay synagoga, satria tokony hanandrify an’i Jerosalema ireo mpivavaka tao.—Ampit. Da 6:10.

Fotoam-pivavahana. Toerana fianarana fa tsy fanaovana sorona ny synagoga, satria tao amin’ny tempoly ihany no nanaovana sorona. Toa fiderana, vavaka, famakiana sy fanaovana tsianjery ny Soratra Masina, ary famakafakana sy toriteny na fanomezana torohevitra no natao tao. Ny Salamo no novakina matetika rehefa nanao fiderana. Nisy nalaina tao amin’ny Soratra Masina ny vavaka, nefa lasa lava be sy niverimberina ary natao ho fisehosehoana fotsiny izy ireny tatỳ aoriana.—Mr 12:40; Lk 20:47.

Novakina koa ny Shema, na ny fanekem-pinoan’ny Jiosy. Ny teny voalohany ao amin’ny andininy novakina voalohany no nahazoana ny hoe Shema. Hoy ilay andininy: “Mihainoa [Shemaʽ], ry Israely ô: I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” (De 6:4) Ny famakiana ny Torah na ny Boky Dimy Voalohany isaky ny alatsinainy sy alakamisy ary Sabata no tapany lehibe indrindra tamin’ilay fotoam-pivavahana. Novitaina tao anatin’ny herintaona ny famakiana ny Lalàna manontolo tany amin’ny synagoga maro, fa nisy kosa namita izany tao anatin’ny telo taona. Izany vakiteny izany no noresahin’i Jakoba tamin’ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema hoe: ‘Efa hatramin’ny ela be i Mosesy no nanana olona isan-tanàna nitory momba azy, satria novakina mafy tao amin’ny synagoga isan-tsabata izay nosoratany.’ (As 15:21) Resahin’ny Mishnah (Megillah 4:1, 2) koa fa nisy ampahany tamin’ny asa soratry ny mpaminany (haftarah) novakina ary avy eo nohazavaina. Notolorana horonana nisy an’ireny asa soratra ireny i Jesosy, tamin’izy tao amin’ny synagogan’i Nazareta tanàna nahabe azy. Novakiny ilay izy ary nohazavainy avy eo, araka ny fanao.—Lk 4:17-21.

Nisy toriteny na fanomezana torohevitra, taorian’ny famakiana sy ny fanazavana ny Torah sy ireo asa soratry ny mpaminany. Nampianatra sy nitory tany amin’ireo synagoga nanerana an’i Galilia i Jesosy. Nilaza koa i Lioka fa nasaina niteny na nitory i Paoly sy Barnabasy, “rehefa voavaky teo anatrehan’ny rehetra ny Lalàna sy ny Mpaminany.”—Mt 4:23; As 13:15, 16.

Fitorian’i Paoly. Nitory imbetsaka tany amin’ny synagoga ireo apostoly, indrindra fa i Paoly, taorian’ny Pentekosta taona 33 sy rehefa niorina ny fiangonana kristianina. Rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray i Paoly, dia matetika izy no nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny Jiosy tao amin’ny synagoga aloha, vao nandeha nitory tamin’ny hafa firenena. Nitory nandritra ny Sabata maromaro tao amin’ny synagoga izy indraindray. Telo volana, ohatra, izy no nitory tao amin’ny synagogan’i Efesosy. Rehefa nisy nanohitra izy sy ireo lasa mpino vao nampiasa ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano, nandritra ny roa taona teo ho eo.—As 13:14; 17:1, 2, 10, 17; 18:4, 19; 19:8-10.

Tsy nataon’i Paoly toeram-pivorian’ny fiangonana kristianina akory ny synagogan’ny Jiosy. Tsy alahady koa izy no nitory tamin’ny Jiosy nivory tao, fa ny Sabata izay andro asabotsy.

Fanao nalain’ny fiangonana kristianina tahaka. Tsy sarotra tamin’ny Jiosy lasa Kristianina ny nandamina fivoriana fianarana Baiboly, satria efa zatra nivory tany amin’ny synagoga izy ireo. Anisan’ny nampitovy ny fanao tao amin’ny synagoga sy ny fanaon’ny fiangonana kristianina, ohatra, ny hoe tsy nisy mpitondra fivavahana voatokana hitory teny fotsiny. Nahazo namaky sy nanazava ny Soratra Masina daholo ny Jiosy tia fivavahana, tao amin’ny synagoga. Nampirisihina koa ny rehetra teo anivon’ny fiangonana kristianina mba hanao fanambarana ampahibemaso sy hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, saingy amin’ny fomba milamina. (He 10:23-25) Tsy nampianatra na nanana fahefana tamin’ny lehilahy ny vehivavy, tao amin’ny synagoga jiosy. Toy izany koa teo anivon’ny fiangonana kristianina. Misy toromarika momba ny tokony ho fizotran’ny fivoriana kristianina ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-14, ary mitovy amin’ny fanao tao amin’ny synagoga izany.—1Ko 14:31-35; 1Ti 2:11, 12.

Nisy mpitantana sy mpiandraikitra tao amin’ny synagoga, ary toy izany koa teo anivon’ny fiangonana kristianina. (Mr 5:22; Lk 13:14; As 20:28; Ro 12:8) Nisy mpikarakara tao amin’ny synagoga, fa mpanampy amin’ny fanompoana kosa no teo anivon’ny fiangonana. Nisy koa ilay nantsoina hoe iraky ny synagoga. Tsy fantatra raha nisy iraka toy izany teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany. Nampiasa teny hoe ‘anjely’ (midika hoe “iraka” na “mpitondra hafatra”) anefa i Jesosy Kristy tao amin’ny hafatra nampitainy ho an’ny fiangonana fito tany Azia Minora.—Lk 4:20; 1Ti 3:8-10; Ap 2:1, 8, 12, 18; 3:1, 7, 14.

Ireto koa misy lafiny hafa itovizan’ny fiangonana kristianina amin’ny synagoga: Nanaiky ny fahefan’ny Fitsarana Avo Jiosy tao Jerosalema ny synagoga. Ny fiangonana kristianina kosa nanaiky ny fahefan’ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema, araka ny Asan’ny Apostoly toko faha-15. Samy tsy nisy fanantazan-drakitra koa na tao amin’ny synagoga na teo anivon’ny fiangonana kristianina. Samy nanao fanomezana an-tsitrapo anefa izy ireo, mba hanampiana an’ireo mpivory sy mpitarika fivoriana ary ireo mahantra.—2Ko 9:1-5.

Nitsara ady madinika ny tao amin’ny synagoga. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa tokony hotsarain’ny Kristianina matotra ny raharaha mampifanolana ny sasany eo anivon’ny fiangonana, fa tsy tokony hoentina any amin’ny fitsaran’izao tontolo izao. (1Ko 6:1-3) Kapoka no sazy nampiharina tamin’izay meloka, tao amin’ny synagoga, fa ny an’ny fiangonana kristianina kosa fananarana. Ny fandroahana anefa no sazy mafy indrindra, na tao amin’ny synagoga na teo anivon’ny fiangonana kristianina.—1Ko 5:1-8, 11-13; jereo FANDROAHANA; FIANGONANA.

Nilaza i Jesosy fa hokaravasina any amin’ny synagoga ny mpianany (Mt 10:17; 23:34; Mr 13:9), ary horoahina hiala ao. (Jn 16:2) Nisy lohandohany teo amin’ny Jiosy nino an’i Jesosy, saingy tsy sahy niaiky ny amin’izany sao ho voaroaka hiala amin’ny synagoga. (Jn 12:42) Noroahin’ny Jiosy tokoa ny lehilahy iray teraka jamba nositranin’i Jesosy, rehefa nilaza fa nino azy.—Jn 9:1, 34.