Hijery ny anatiny

Inona no Dikan’ilay hoe ‘Tiavo ny Fahavalonareo’?

Inona no Dikan’ilay hoe ‘Tiavo ny Fahavalonareo’?

Valiny ara-baiboly

 Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ilay Toriteny malaza nataony teo An-tendrombohitra: “Tiavo ... ny fahavalonareo.” (Matio 5:44; Lioka 6:27, 35) Midika ireo teny ireo hoe tokony hampiseho fitiavana amin’ny olona mankahala antsika na manao ny tsy rariny amintsika isika.

 Nampijaly an’i Jesosy ny fahavalony. Nampiseho fitiavana azy ireo anefa izy rehefa namela ny helok’izy ireo. (Lioka 23:33, 34) Mitovy amin’izay voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo, na ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha, ny fampianaran’i Jesosy mampirisika antsika ho tia ny fahavalontsika.​—Eksodosy 23:4, 5; Ohabolana 24:17; 25:21.

 Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.”​—Matio 5:43, 44.

Ho hitantsika ato hoe:

 Nahoana ianao no tokony ho tia ny fahavalonao?

  •   Izany no ataon’Andriamanitra. “Tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy” Andriamanitra. (Lioka 6:35) “Mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy” izy.​—Matio 5:45.

  •   Mety hiova ny fahavalo raha ampisehoana fitiavana. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ho tsara fanahy amin’ny fahavalontsika. Lazainy fa raha manao an’izany isika dia “hampivangongo vainafo eo ambony lohany.” (Ohabolana 25:22) Miresaka momba ny fandrendrehana vato ilay ohatra ao amin’io andininy io. Hafanaina ilay vato mba hakana an’ilay metaly sarobidy ao aminy. Hoatr’izany koa fa rehefa tsara fanahy amin’ny olona mankahala antsika isika, dia hoatran’ny hoe mampitsonika ny hatezerany ary mahatonga azy hampiseho toetra tsara.

 Ahoana avy no azonao ampisehoana hoe tianao ny fahavalonao?

  •   “Manaova soa foana amin’izay mankahala anareo.” (Lioka 6:27) Milaza koa ny Baiboly hoe: “Raha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, dia omeo zavatra hosotroiny.” (Romanina 12:20) Mety hahita fomba ampisehoana fitiavana ny fahavalonao koa ianao rehefa manaraka an’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”​—Lioka 6:31.

  •   “Irario soa foana izay manozona anareo.” (Lioka 6:28) Na dia masiaka amintsika aza ny fahavalontsika, dia mirary soa azy ireo isika raha miresaka amin’izy ireo amin-katsaram-panahy. Hoy ny Baiboly: “Aza ... manambanimbany rehefa misy manambanimbany. Aleo kosa mirary soa.” (1 Petera 3:9) Raha manao an’izany isika dia handresy ny fankahalana.

  •   “Mivavaha foana ho an’izay manao tsinontsinona anareo.” (Lioka 6:28) Raha misy manambanimbany anao, dia “aza mamaly ratsy ny ratsy.” (Romanina 12:17) Aza mitady hamaly faty fa avelao Andriamanitra no handamina an’ilay raharaha, satria tonga lafatra ny fanaovany ny rariny.​—Levitikosy 19:18; Romanina 12:19.

 “Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa foana amin’izay mankahala anareo, irario soa foana izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an’izay manao tsinontsinona anareo.”​—Lioka 6:27, 28.

  •   Miezaha ‘hanam-paharetana sy ho tsara fanahy.’ (1 Korintianina 13:4) Rehefa nanazava ny atao hoe fitiavana ny apostoly Paoly, dia nampiasa endriny hafa tamin’ilay teny grika hita ao amin’ny Matio 5:44 sy Lioka 6:27, 35. Mampiseho an’io karazana fitiavana io isika Kristianina na dia amin’ny fahavalontsika aza. Manam-paharetana isika ary tsara fanahy fa tsy mialona, na miavonavona, na manao ratsy toetra.

 “Ny fitiavana manam-paharetana sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao zavatra tsy mendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, ary miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.”​—1 Korintianina 13:4-8.

 Tokony handeha hiady amin’ny fahavalonao ve ianao?

 Tsia. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa tsy tokony hiady amin’ny fahavalony izy ireo. Rehefa nampitandrina azy ireo, ohatra, izy hoe hisy hanafika i Jerosalema, dia tsy nampirisika azy ireo hijanona tao Jerosalema sy hiady izy fa nampirisika azy ireo handositra kosa. (Lioka 21:20, 21) Nisy fotoana koa i Jesosy nilaza tamin’ny apostoly Petera hoe: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Matio 26:52) Asehon’ny Baiboly sy ny tantara fa tsy nandeha niady tamin’ny fahavalony ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. a​—2 Timoty 2:24.

 Hevi-diso mifandray amin’ilay hoe tiavo ny fahavalonao

 Hevi-diso: Nandidy ny Israelita ny Lalàn’Andriamanitra mba hankahala ny fahavalony.

 Ny marina: Tsy misy an’izany didy izany anefa ao amin’ny Lalàna. Nampirisika ny Israelita kosa izy io mba ho tia namana. (Levitikosy 19:18) Olon-kafa fotsiny no dikan’ilay teny hoe namana, kanefa nisy Jiosy sasany nandray an’io teny io hoe Jiosy mitovy aminy ihany ka tokony hankahala izay olona tsy mitovy aminy izy ireo. (Matio 5:43, 44) Nahitsin’i Jesosy izy ireo rehefa nitantara tamin’izy ireo ilay fanoharana momba ny Samaritanina tsara fanahy izy.​—Lioka 10:29-37.

 Hevi-diso: Ilay hoe tia ny fahavalonao dia midika hoe manaiky hoe mety ny ratsy ataony.

 Ny marina: Asehon’ny Baiboly fa tsy hoe mankasitraka ny ratsy ataon’ny olona iray ianao raha tia azy. Tsy mankasitraka ny herisetra, ohatra, i Jesosy nefa nivavaka ho an’ireo namono azy. (Lioka 23:34) Nankahala ny fandikan-dalàna, na ny fahotana, koa izy nefa nanome ny ainy ho an’ny mpanota.​—Jaona 3:16; Romanina 6:23.

a Izao no nolazain’ilay boky hoe The Rise of Christianity nosoratan’i E. Barnes: “Hita tamin’ny fanazavana rehetra momba ny Kristianina fa tsy nisy tamin’izy ireo nanao miaramila, hatramin’ny andron’i Marc Aurèle [taona 161-180]; ary tsy nisy miaramila mbola nijanona ho miaramila, rehefa lasa Kristianina.”