Hijery ny anatiny

Inona no Dikan’ny hoe “Samaritanina Tsara Fanahy”?

Inona no Dikan’ny hoe “Samaritanina Tsara Fanahy”?

Valiny ara-baiboly

Matetika ilay teny hoe “Samaritanina tsara fanahy” no entina ilazana olona manampy ny sahirana. Tao amin’ny tantara, na fanoharana, iray nolazain’i Jesosy no nakana an’io teny io. Nasehon’i Jesosy tamin’ilay tantara hoe tena namana ny olona iray raha tsara fanahy sy manampy ny hafa, na inona na inona fiavian’ilay olona ampiany.

Ho hitantsika ato hoe:

 Ahoana ilay fanoharana momba ny “Samaritanina tsara fanahy”?

Hoatr’izao raha fintinina ilay tantara nolazain’i Jesosy: Nisy lehilahy jiosy iray niainga avy any Jerosalema mba ho any Jeriko. Nendahan’ny jiolahy izy teny an-dalana sady novonovonoiny, dia nilaozany rehefa saika maty.

Nandalo teo amin’ilay lehilahy naratra ny mpisorona jiosy iray, dia avy eo koa nisy mpitondra fivavahana jiosy iray hafa. Samy tsy nisy nijanona mba hanampy an’ilay lehilahy anefa ry zareo, na dia Jiosy hoatran-dry zareo koa aza ilay lehilahy.

Farany, dia nisy lehilahy hafa firenena nandalo. Samaritanina izy io. (Lioka 10:33; 17:16-18) Nangoraka an’ilay Jiosy izy, dia nitsabo ny ratrany. Nentiny tany amin’ny tranombahiny avy eo ilay lehilahy naratra, dia nokarakarainy nandritra ny alina. Nomeny vola hikarakarana an’ilay lehilahy ny tompon’ilay tranombahiny, ny ampitson’iny, sady noteneniny hoe raha mbola mihoatra an’izay ny vola laniny dia haloany.​—Lioka 10:30-35.

 Nahoana i Jesosy no nanao an’io fanoharana io?

Nisy lehilahy iray nieritreritra hoe izay olona mitovy fiaviana sy fivavahana aminy ihany no namany, dia izy no nilazan’i Jesosy an’io tantara io. Izao no lesona lehibe tian’i Jesosy hampianarina azy: Tsy ny Jiosy hoatr’azy ihany no tokony hoheveriny ho ‘namana.’ (Lioka 10:36, 37) Nosoratana ao amin’ny Baiboly io tantara io mba hahasoa an’izay rehetra te hampifaly an’Andriamanitra.​—2 Timoty 3:16, 17.

 Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana?

Mampianatra antsika io fanoharana io hoe tena namana ny olona iray raha asehony amin’ny zavatra ataony hoe mangoraka izy. Manome an’izay ilain’ny olona mijaly izy, na inona na inona fiavian’ilay olona, na volon-kodiny, na fireneny. Izay tiany hatao amin’ny tenany no ataony amin’ny hafa. (Matio 7:12) Tena namana ny olona hoatr’izany.

 Iza ny Samaritanina?

Olona nipetraka tany avaratr’i Jodia ny Samaritanina. Taranaka Jiosy nanambady tsy Jiosy ny sasany tamin-dry zareo.

Efa nanana ny fivavahany manokana ny Samaritanina, tamin’ny taonjato voalohany. Nekeny ny boky dimy voalohany ao amin’ny Soratra Hebreo, fa nolaviny ny ambiny, tamin’ny ankapobeny.

Betsaka ny Jiosy nankahala Samaritanina, tamin’ny andron’i Jesosy, ary tsy nifandray tamin’izy ireny mihitsy. (Jaona 4:9) Ny Jiosy sasany aza nampiasa an’ilay teny hoe “Samaritanina” mba hanambaniana olona.​—Jaona 8:48.

 Tantara tena nisy ve io tantaran’ilay “Samaritanina tsara fanahy” io?

Tsy milaza ny Baiboly hoe nalaina avy amin’ny tantara tena nisy io fanoharana momba an’ilay Samaritanina io. Matetika anefa i Jesosy no niresaka fomba amam-panao sy toerana fantatr’olona tsara rehefa nampianatra, amin’izay mora kokoa amin’ny mpihaino azy ny mahazo an’izay tiany hambara.

Tsipiriany maromaro amin’ilay tantara no voaporofo hoe marina. Ohatra:

  • Fidinana be ilay lalana 20 kilaometatra mahery avy any Jerosalema mankany Jeriko. Avo toerana mantsy i Jerosalema fa i Jeriko kosa any amin’ny iray kilaometatra any ambany any. Marina àry ny resahin’ilay tantara hoe “nidina avy tany Jerosalema” izay olona ho any Jeriko.​—Lioka 10:30.

  • Nandeha teo amin’io lalana io foana ny mpisorona sy ny Levita nipetraka tany Jeriko rehefa ho any Jerosalema.

  • Nangingina ilay lalana ka matetika no nisy jiolahy niafina. Niandry an’izay mpandalo tsy nanampo na inona na inona ry zareo, indrindra fa izay nandeha irery.