Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiako ny miara-miala voly amin’ny tanora eo anivon’ny fiangonana

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Adalana Base-ball Aho!

Adalana Base-ball Aho!
  • TERAKA: 1928

  • FIRENENA: COSTA RICA

  • FIAINANY TALOHA: ADALANA FANATANJAHAN-TENA SADY MPILOKA

NY FIAINAKO TALOHA:

Lehibe tany Puerto Limón aho. Tanàna misy seranan-tsambo atỳ amin’ny faritra atsinanan’i Costa Rica izy io. Valo mianadahy izahay, ary izaho no alohan’ny farany. Maty i Dada tamin’izaho valo taona, ka i Neny irery no nitaiza anay.

Mbola kely aho dia efa tia base-ball. * Niditra tao anaty ekipa tsy matihanina aho rehefa lehibebe. Rehefa 20 taona mahery aho, dia nisy lehilahy iray, mpikaroka mpilalao mahay, nanasa ahy hilalao tao amin’ny ekipa matihanina tany Nikaragoà. Tsy te hipetraka tany anefa aho satria mbola nikarakara an’i Neny. Tsy salama mantsy izy. Nolaviko àry ilay fanasana. Nisy iray indray nanasa ahy hilalao base-ball tao amin’ny ekipam-pirenen’i Costa Rica, tatỳ aoriana. Mbola tsy nilalao tao anaty ekipa matihanina ireo notsongaina ho anisan’io ekipa io. Nekeko ilay fanasana, ka lasa anisan’ny ekipam-pirenena aho nanomboka tamin’ny 1949 ka hatramin’ny 1952. Efa nilalao tany Cuba sy Meksika ary Nikaragoà izahay. Mpiaro ny faritra nanipazana baolina aho, ary azo lazaina hoe nahay. Nisy fotoana izahay nilalao im-17 nisesy, nefa tsy nanao diso aho na dia indray mandeha aza. Tiako erỳ rehefa niantsoantso anarako ny ny mpijery!

Naditra koa anefa aho. Nanana olon-tiana aho, nefa mbola niaraka tamin’ny vehivavy be dia be. Mpisotro toaka be koa aho! Mamo tampona aho indray andro, ka ny ampitso vao nahatsiaro saina. Tsy tadidiko akory hoe ahoana no nahatongavako tany an-trano. Nanao loteria koa aho ary niloka rehefa nilalao daomy.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Neny tamin’izany. Niezaka niresaka tamiko ny zavatra ninoany izy, fa tsy liana aho. Variana be tamin’ny base-ball mantsy aho. Tsy nahatsiaro noana izany aho na dia fotoanan’ny sakafo aza, rehefa nanao fanazaran-tena izahay. Adalana base-ball aho, ka tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hilalao!

Naratra mafy anefa aho tamin’izaho 29 taona, rehefa niezaka nisambotra baolina nandritra ny lalao iray nataonay. Niala tsy ho mpilalao matihanina aho rehefa sitrana. Tsy najanoko tanteraka anefa ny base-ball. Nanazatra ekipa iray tsy matihanina tao an-tanànanay aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1957. Natao tao amin’ny kianja nilalaovanay base-ball ilay izy. Nandinika an’ireo Vavolombelona aho teo am-pitoerana. Hitako hoe nanaja olona izy ireo fa tsy hoatran’ny mpijery base-ball, izay mahery setra sy be tabataba. Izany no nandrisika ahy hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona sy hanatrika ny fivorian’izy ireo.

Maro ny fampianaran’ny Baiboly nahagaga ahy. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany ny mpianany amin’ny andro farany. (Matio 24:14) Nianarako koa fa tsy karamaina ny tena Kristianina rehefa manao an’izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Matio 10:8.

Nampitahaiko tamin’izay nianarako tao amin’ny Baiboly ny nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nitandro hasasarana izy ireo nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany. Tia manome koa izy ireo, araka ny nandidian’i Jesosy ny Kristianina. Te ho lasa Vavolombelona àry aho, rehefa namaky an’ilay fanasan’i Jesosy ao amin’ny Marka 10:21 hoe: “Andao hanara-dia ahy.”

Elaela ihany anefa aho vao tena niova. Efa an-taonany maro, ohatra, aho no nanao loteria. Nisy isa “nanambina” ahy, ka izay foana no nofidiko isan-kerinandro rehefa niloka aho. Nianarako tao amin’ny Baiboly anefa hoe tsy tian’Andriamanitra ireo miantehitra amin’ny “andriamanitry ny Vintana” sy manana faniriana tsy mety afa-po. (Isaia 65:11; 1 Korintianina 6:10) Nanapa-kevitra ny tsy hiloka intsony àry aho. Nahagaga fa nahazo tamin’ny loteria ilay isa “nanambina” ahy, ny alahady voalohany taorian’izay! Naneso ahy ny olona satria tsy nilalao aho tamin’io herinandro io. Nanery ahy hiloka indray izy ireo, nefa tsy nanaiky aho. Tsy niverina niloka intsony aho.

Efa niezaka nitafy ny “toetra vaovao” aho, ary natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Efesianina 4:24) Voasedra indray anefa aho tamin’ny andron’ny batisako. Nody tao amin’ny hotely nipetrahako aho ny harivan’iny. Io fa hitako nijoro teo anoloan’ny varavaran’ny efitranoko ilay olon-tiako taloha. Hoy izy: “’Ndao mba hiara-hanala azy ry Sammy a!” Tonga aho dia nanda. Nampahatsiahiviko azy fa efa miezaka manaraka izay lazain’ny Baiboly aho izao. (1 Korintianina 6:18) Hoy izy: “Inona a?” Dia nambanimbaniny teo izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisana, ary nisisika hiaraka tamiko indray izy. Naleoko niditra tao amin’ny efitranoko, dia nohidiako lakile ny varavarana. Faly aho fa mbola madio fitondran-tena foana, nanomboka tamin’izaho lasa Vavolombelona tamin’ny 1958.

NY SOA NORAISIKO:

Maro ny soa azoko noho izaho manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly, ka mety hahafeno boky iray raha soratana daholo. Lasa manana namana tsara be dia be, ohatra, aho, misy dikany ny fiainako, ary tena sambatra aho.

Mbola tia base-ball aho, nefa tsy izany intsony izao no zava-dehibe indrindra amiko. Marina fa lasa nalaza sy nanankarena aho rehefa nilalao base-ball, nefa mihelina ihany izany. Haharitra mandrakizay kosa ny fifandraisako amin’Andriamanitra sy amin’ireo rahalahiko kristianina. Hoy ny Baiboly: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Tiako i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany, ary tsy misy atakaloko azy ireo!

^ feh. 9 Lalao baolina misy ekipa roa ahitana mpilalao sivy avy ny base-ball. Atsipy sy kapohina amin’ny hazo ilay baolina.