Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 3 2017

 MATOAN-DAHATSORATRA | MISY VOKANY EO AMIN’NY FIAINANAO VE IREO MPITAINGIN-TSOAVALY EFATRA?

Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Tsy voatery ho saro-pantarina sy hampahatahotra ireo mpitaingin-tsoavaly efatra. Manampy antsika hahita mantsy ny Baiboly sy ny zava-mitranga ankehitriny hoe inona no mifanitsy amin’ny mpitaingin-tsoavaly tsirairay. Marina aloha hoe lasa misy loza etỳ an-tany rehefa nandeha izy ireo, nefa midika koa izany fa misy vaovao tsara ho anao sy ny fianakavianao. Nahoana? Andeha aloha hofantarintsika tsirairay ireo mpitaingin-tsoavaly.

NY MPITAINGINA AN’ILAY SOAVALY FOTSY

Hoy ilay fahitana: “Nahita aho fa iny nisy soavaly fotsy. Nanana tsipìka ilay nitaingina azy, ary nomena satroboninahitra. Ary nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.”—Apokalypsy 6:2.

Iza no mitaingina an’ilay soavaly fotsy? Ao amin’ny Apokalypsy ihany ny valiny. Voalaza ao fa “Ny Tenin’Andriamanitra” no anaran’io mpitaingin-tsoavaly any an-danitra io. (Apokalypsy 19:11-13) I Jesosy Kristy no antsoina hoe Ny Teny, satria mpitondra tenin’Andriamanitra izy. (Jaona 1:1, 14) Antsoina koa hoe “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” izy, ary “Mendri-pitokisana sy Marina.” (Apokalypsy 19:11, 16) Mpanjaka àry izy sady mpiady, ary tsy manjakazaka na manararaotra fahefana. Izao anefa:

Iza no nanome an’i Jesosy ny fahefana handresy? (Apokalypsy 6:2) I Jehovah Andriamanitra, * “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be.” Nomeny ‘fitondrana sy voninahitra ary fanjakana’ ny Mesia na ny “zanak’olona”, araka ny fahitan’i Daniela mpaminany. (Daniela 7:13, 14) Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra àry no nanome an’i Jesosy ny fahefana sy zo hitondra sady hampihatra didim-pitsarana. Mety tsara raha oharina amin’ny soavaly fotsy ny ady ara-drariny ataon’ny Zanak’Andriamanitra. Matetika mantsy no ilazana ny fahitsiana ny loko fotsy, ao amin’ny Soratra Masina.Apokalypsy 3:4; 7:9, 13, 14.

Oviana no niainga ireo mpitaingin-tsoavaly? Niainga ilay voalohany na i Jesosy rehefa lasa mpanjaka. (Apokalypsy 6:2) Tsy tamin’izy vao tafaverina tany an-danitra, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, anefa izany. Milaza mantsy ny Baiboly fa mbola nila niandry aloha izy. (Hebreo 10:12, 13) Noresahin’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe rahoviana no ho tapitra ilay fotoam-piandrasana ary hanomboka hanjaka any an-danitra izy. Nilaza izy fa hiharatsy be tampoka ny fiainana eran-tany rehefa manomboka mitondra izy, satria hisy ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. (Matio 24:3, 7; Lioka 21:10, 11) Tanteraka izany rehefa nipoaka ny Ady Lehibe I tamin’ny 1914. Niharihary tamin’izay fa nanomboka ilay fotoan-tsarotra antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany.”—2 Timoty 3:1-5.

Nahoana anefa no niharatsy be ny fiainana rehefa lasa mpanjaka i Jesosy tamin’ny 1914? Satria tany an-danitra izy no nanomboka nitondra fa tsy tetỳ an-tany. Nisy ady nipoaka avy eo tany an-danitra, ary nandroaka an’i Satana sy ny demoniany ho etỳ i Jesosy na Mikaela. (Apokalypsy 12:7-9, 12) Romotra be i Satana satria tsy afa-miala etỳ amin’ny manodidina ny tany izy, sady fantany hoe fohy ny fotoana ananany. Tsy ho ela Andriamanitra dia hanasazy an’i Satana, ka hanatanteraka ny sitrapony etỳ an-tany. (Matio 6:10) Andeha hojerentsika hoe nahoana ireo mpitaingin-tsoavaly telo hafa no vao mainka manaporofo hoe miaina amin’ny “andro farany” isika. Tsy hoatran’ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany izy ireo, fa entina ilazana ny zava-mitranga eran-tany.

 NY MPITAINGINA AN’ILAY SOAVALY MENA

“Ary nisy soavaly hafa nivoaka, dia soavaly mena toy ny afo. Ary ilay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fandriampahalemana amin’ny tany mba hifandripahan’ny olona, ary nomena sabatra lehibe izy.”—Apokalypsy 6:4.

Mifanitsy amin’ny ady io mpitaingin-tsoavaly io. Tsara homarihina fa manaisotra ny fandriampahalemana eran-tany izy io, fa tsy hoe any amin’ny firenena vitsivitsy fotsiny. Sambany teo amin’ny tantara vao nisy ady eran-tany tamin’ny 1914. Nipoaka avy eo ny Ady Lehibe II, izay nandravarava kokoa noho ilay voalohany. Voalaza fa nisy zato tapitrisa mahery no matin’ny ady nanomboka tamin’ny 1914. Maro be koa no nitondra takaitra.

Mbola miely patrana ve ny ady ankehitriny? Toa vitan’ny olombelona izao ny mandripaka ny olona rehetra eto an-tany, ary sambany eo amin’ny tantara izany. Na ny fikambanana manao izay hampisy filaminana toy ny Firenena Mikambana aza tsy mahasakana ny mpitaingina an’ilay soavaly mena.

NY MPITAINGINA AN’ILAY SOAVALY MAINTY

“Nahita aho fa iny nisy soavaly mainty, ary nanana mizana teny an-tanany ilay nitaingina azy. Ary nisy feo reko, toy ny hoe teo afovoan’ny zavamananaina efatra, nanao hoe: ‘Denaria iray ny vidin’ny varimbazaha iray kilao, ary denaria iray ny vary orza telo kilao, ary aza manimba ny menak’oliva sy ny divay.’”—Apokalypsy 6:5, 6.

Mifanitsy amin’ny mosary io mpitaingin-tsoavaly io. Hitantsika eo hoe zara raha misy ny sakafo, matoa denaria iray ny vidin’ny varimbazaha iray kilao. Karama iray andro io vola io tamin’ny taonjato voalohany. (Matio 20:2) Nahazo vary orza telo kilao kosa ny denaria iray. Tsy dia tsara mantsy io vary io raha oharina amin’ny varimbazaha. Izany ve dia ampy ho an’ny olona maro anaka? Nasaina nitsitsy ny olona na dia tamin’ny sakafo fihinana isan’andro aza. Mety tsara raha noharina tamin’ny menak’oliva sy divay izany, satria anisan’ny foto-tsakafo ireo fahiny.

Inona no porofo hoe efa niainga io mpitaingin-tsoavaly io, nanomboka tamin’ny 1914? Nisy 70 tapitrisa teo ho eo no matin’ny mosary tamin’ny taonjato faha-20. Milaza ny tatitra iray fa tombanana ho “805 tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo tamin’ny 2012 ka hatramin’ny 2014, izany hoe olona iray isaky ny sivy teo ho eo.” Misy tatitra hafa koa milaza fa “betsaka kokoa ny matin’ny mosary isan-taona, raha oharina amin’ny fitambaran’ny olona matin’ny SIDA sy tazo ary tioberkilaozy.” Na dia efa iezahana omena sakafo aza ireo mosarena, dia mbola manohy ny diany ny mpitaingina an’ilay soavaly mainty.

NY MPITAINGINA AN’ILAY SOAVALY HATSATRA

“Nahita aho fa iny nisy soavaly hatsatra. Nantsoina hoe Fahafatesana ilay nitaingina azy, ary nanaraka azy akaiky ny Fasana. Dia nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo mba hamono amin’ny sabatra lava lela sy ny mosary sy ny aretina mahafaty ary ny bibidia eto an-tany.”—Apokalypsy 6:8.

Mifanitsy amin’ny fahafatesana vokatry ny aretina sy ny loza ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra. Nahafaty olona am-polony tapitrisa ny gripa espaniola, taoriana kelin’ny 1914. Nety ho nisy 500 tapitrisa teo ho eo no voan’izy io, izany hoe olona 1 isaky ny 3 teo ho eo.

Vao fanombohany fotsiny anefa izany. Tombanan’ny manam-pahaizana ho an-jatony tapitrisa ny olona matin’ny nendra, tamin’ny taonjato faha-20. An-tapitrisany koa izao no tsy ela velona satria voan’ny SIDA, tioberkilaozy, ary tazomoka, na eo aza ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa.

Samy mamono olona daholo na ny ady, na ny mosary, na ny aretina. Tsy mety voky ny Fasana fa manangona olona foana, sady tsy mamela mahazo.

 MBOLA HIHATSARA NY FIAINANA

Tsy ho ela dia tsy hisy intsony ny olana. Tadidio izao: “Nivoaka handresy” i Jesosy tamin’ny 1914, ka nandroaka an’i Satana ho etỳ an-tany. Tsy mbola namita ny fandreseny anefa izy. (Apokalypsy 6:2; 12:9, 12) Kely sisa dia ho tonga ny Hara-magedona. Tsy havelan’i Jesosy hifehy ny olombelona i Satana Devoly amin’izay, ary horinganiny ireo mpanohana azy. (Apokalypsy 20:1-3) Tsy havelany handeha intsony koa ireo mpitaingin-tsoavaly telo hafa. Havadiny ho zava-tsoa mihitsy aza ny loza entin’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana? Diniho ireto fampanantenan’ny Baiboly ireto:

Tsy hisy ady fa hanjaka ny fiadanana. “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany” i Jehovah. “Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona.” (Salamo 46:9) “Ho finaritra amin’ny fiadanam-be” ny olona tia fihavanana.—Salamo 37:11.

Tsy hisy mosary fa ho tondraka ny sakafo. “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.

Tsy ho ela dia havadik’i Jesosy ho zava-tsoa ny loza entin’ireo mpitaingin-tsoavaly telo

Tsy hisy aretina sy fahafatesana, fa ho salama tsara sy hiaina mandrakizay ny olona. Hofafan’Andriamanitra “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.

Nasehon’i Jesosy tamin’izy tetỳ ny santionany amin’izay hataony amin’ny hoavy rehefa mitondra ny tany izy. Nampirisika ny olona ho tia fihavanana izy, nanome sakafo olona an’arivony tamin’ny fomba mahagaga, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty mihitsy aza.—Matio 12:15; 14:19-21; 26:52; Jaona 11:43, 44.

Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampiseho aminao ao amin’ny Baibolinao hoe inona no hanampy anao ho vonona, dieny mbola tsy mijanona ireo mpitaingin-tsoavaly ireo. Maninona raha mianatra bebe kokoa momba izany?

^ feh. 7 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.