Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | METY HO VELONA INDRAY VE NY MATY?

Mbola Misy Antenaina ve ny Amin’ireo Maty?

Mbola Misy Antenaina ve ny Amin’ireo Maty?

Mbola ho velona indray ve izy ireny?

VALINY ARA-BAIBOLY: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”Jaona 5:28, 29.

Izany no tenin’i Jesosy mba hilazana hoe ho foana ny Fasana rehefa hanjaka izy. Hoy i Fernando, ilay voaresaka teo aloha: “Gaga be aho tamin’izaho namaky voalohany ny Jaona 5:28, 29. Lasa falifaly aho izao rehefa mieritreritra ny hoavy.”

Nanantena i Joba, olo-marina fahiny, hoe raha maty izy dia mbola hatsangan’Andriamanitra. Nanontany izy hoe: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?” Feno toky izy namaly hoe: “Hiandry aho mandritra ny andro rehetra anerena ahy hiandry [izany hoe, fotoana ahafatesana], mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy. Hiantso ianao, dia hamaly anao aho.”—Joba 14:14, 15.

Mahavelom-panantenana antsika ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty

Tsy vaovao tamin’i Marta anabavin’i Lazarosy ny momba ny fananganana amin’ny maty. Hoy i Jesosy taminy, rehefa maty i Lazarosy: “Hitsangana ny anadahinao.” Namaly i Marta hoe: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” Hoy àry i Jesosy taminy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:23-25) Natsangan’i Jesosy i Lazarosy avy eo. Santatra am-bava rano ihany anefa izany. Eritrereto ange rehefa hisy fitsanganana amin’ny maty eran-tany e!

Hisy hatsangana ho any an-danitra ve?

VALINY ARA-BAIBOLY: Asehon’ny Baiboly fa tsy mitovy amin’ny fananganana an’ireo olona valo ireo ny an’i Jesosy. Rehefa natsangana izy ireo dia nijanona teto an-tany ihany. Hoy kosa ny Baiboly momba ny fananganana an’i Jesosy: “Eo ankavanan’Andriamanitra izy, satria nankany an-danitra.” (1 Petera 3:21, 22) I Jesosy irery ve no nankany an-danitra rehefa nitsangana? Efa niteny tamin’ny apostoliny izy hoe: “Rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.”—Jaona 14:3.

Nankany an-danitra i Kristy ary nanomana ny hahatongavan’ny mpianany sasany. Miisa 144 000 ireo hatsangana ho any an-danitra. (Apokalypsy 14:1, 3) Inona no hataon’izy ireo any?

Ho be atao izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Tsy manam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:6) Ho mpisorona sy ho mpanjaka amin’ny tany miaraka amin’i Kristy ireo hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra.

Iza no hatsangana amin’ny maty aorian’izy ireo?

VALINY ARA-BAIBOLY: Voarakitra ao amin’ny Baiboly ity tenin’ny apostoly Paoly ity: “Manantena amin’Andriamanitra aho, araka izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”Asan’ny Apostoly 24:15.

Manome toky antsika ny Baiboly hoe olona maty an’arivony tapitrisa no mbola ho velona indray

Iza ireo olona “marina” noresahin’i Paoly ireo? Anisan’izy ireo i Daniela, izay nanam-pinoana. Izao no nolazaina taminy, talohan’ny nahafatesany: “Hiala sasatra ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.” (Daniela 12:13) Rehefa hitsangana izy dia ho aiza? “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Efa niteny koa i Jesosy hoe: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Hatsangana mba hiaina mandrakizay eto an-tany i Daniela sy ny olo-marina hafa.

Iza kosa ireo antsoin’i Paoly hoe “tsy marina”? Olona an’arivony tapitrisa, izay efa maty nefa tsy afaka nianatra Baiboly ary tsy afaka nampihatra an’izay voalaza ao. Rehefa hatsangana izy ireo, dia ho afaka hianatra sy hahalala an’i Jehovah * sy Jesosy. (Jaona 17:3) Izay mifidy ny hanompo an’Andriamanitra, dia ho velona foana raha mbola velona koa i Jehovah, izany hoe mandrakizay.

Izay mifidy ny hanompo an’Andriamanitra dia ho salama sy ho sambatra mandrakizay

Hanao ahoana ny fiainana amin’izay?

VALINY ARA-BAIBOLY: Hofafan’Andriamanitra “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.”—Isaia 65:21.

Alao sary an-tsaina ange hoe hoatr’izany ny fiainanao miaraka amin’ny havanao natsangana amin’ny maty e! Izao anefa: Ahoana no hahazoanao antoka hoe tena hitsangana tokoa ny maty?

^ feh. 15 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.