Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA AOGOSITRA 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | METY HO VELONA INDRAY VE NY MATY?

Mankaiza Isika Rehefa Maty?

Mankaiza Isika Rehefa Maty?

“Nieritreritra aho hoe mankany an-danitra ny maty, na mankany amin’ny afobe, na any amin’ny afofandiovana. Izaho aloha tsy mendrika ny ho any an-danitra, nefa koa tsy ho lasa any amin’ny afobe. Tsy tena haiko anefa hoe inona ny afofandiovana. Tsy hitako tao amin’ny Baiboly daholo izany fa tenenin’ny olona fotsiny.”—Lionel.

“Nampianarina ahy hoe mankany an-danitra daholo ny maty nefa tsy resy lahatra tamin’izany aho. Amiko, rehefa maty ny olona dia vita hatreo ny aminy.”—Fernando.

Mankaiza marina ny maty? Mijaly any ho any ve izy ireny? Mbola hihaona amin’izy ireny ve isika? Inona marina no lazain’ny Baiboly? Andao aloha hodinihintsika hoe manao ahoana ny maty, araka ny Baiboly. Hojerentsika avy eo ny fampanantenana omeny momba ny maty.

 Manao ahoana ny maty?

VALINY ARA-BAIBOLY: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy. Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.” *Mpitoriteny 9:5, 10.

Ny hoe Fasana dia manondro ny toerana misy ny olona rehefa maty. Toerana an’ohatra ilay izy ary tsy mahatsiaro tena sady tsy afaka manao na inona na inona izay lasa any. Jereo, ohatra, i Joba mpanompon’Andriamanitra. Fongana ny fananany, maty daholo ny zanany, ary feno vay ny vatany. Inona no nangatahiny tamin’Andriamanitra? “Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana [“helo”, Dikan-tenin’i Douay, katolika] mantsy ianao.” (Joba 1:13-19; 2:7; 14:13) Tsy afobe àry no niheveran’i Joba ny Fasana satria vao mainka hitombo ny fijaliany raha mankany izy. Fantany kosa fa tsy misy fijaliana any.

Ho haintsika koa hoe manao ahoana ny maty raha jerentsika izay lazain’ny Baiboly momba ny olona valo nitsangana tamin’ny maty.—Jereo ny efajoro hoe “ Olona Valo Nitsangana Tamin’ny Maty.”

Tsy niteny izy valo hoe nijaly na hoe sambatra be, tamin’izy ireo maty. Tsy maintsy ho nitantara an’izay tsapany izy ireo raha nahita an’izany. Tsy maintsy ho nosoratana tao amin’ny Baiboly koa izany mba ho fantatry ny rehetra. Tsy misy an’izany anefa ao. Nahoana izy valo no tsy nitantara momba an’izany? Satria tsy nahatsiaro tena izy ireo, toy ny hoe natory be. Oharin’ny Baiboly amin’ny torimaso tokoa ny fahafatesana indraindray. Nolazaina, ohatra, hoe “natory ao amin’ny fahafatesana” i Davida sy Stefana, olo-marina.—Asan’ny Apostoly 7:60; 13:36, fanamarihana ambany pejy.

Misy antenaina àry ve ny maty? Mbola hitsangana ve izy ireo?

^ feh. 7 “Fasana” no nandikana an’ilay teny hebreo hoe “Sheôl” sy ilay teny grika hoe “Haides”, ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy Baiboly sasany mampiasa an’ilay teny hoe “helo.” Tsy mampianatra anefa ny Baiboly hoe hampijalijalina any amin’ny afobe ny maty.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Nanangana ny Maty Tokoa ve i Jesosy?

Nanangana ny maty ve i Jesosy? Raha nanangana ny maty tokoa izy, nahoana izany no mampahery antsika?